Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kihasikasina: a: Karazan-kazo. Ahitsio
Kihefaka: (Btl) a: Randrambolo betsileo mikirazorazo sy mihefakefaka rehefa mamindra. Ahitsio
Kihina: Jer. Kehina. Ahitsio
Kiho: a: Ny tendron'ny famavany amin'ny sandry: Voadona ny kihoko ka mangorintsina. ? h.o.: Zorony: A-raho ity lalana ary rehefa lauidauitra dia misy kihondalana. i t.if.: Kihoina, akfho, voakiho, kiniho ) manakiho, fanakiho, mpanakfho I anakihoana, fanakihoana l mahahiko / kihokiho 1 maniho, hakiho. - F.-p.: Kihon-dalana: fivilian-dalana. / Kihon-trano: zoron-trano. / Mandray ny kiho: enti-milaza fahasahiranana na fahavoazana mihatra amin'ny tena. ) Mitehin-kiho: manao ny tanana mitehina amin'ny moja. * Ohab.: Tehin-kiho am-piakarana; tsy haingo fa tohan' aina: enti-milaza ny olona toa mampidera bika amin'ny fihetsiny, nefa hakingana no anaovany an'io fa mba tsy hisehoany hoe sasatra. Ahitsio
Kihohoka: (Btl) a.: Randrambolo betsileo mivadika. Ahitsio
Kihoina: (kiho) mt. ih. (kihoy): Donina amin'ny kiho: Aza kihoinao aho. Ahitsio
Kija: a: Orana tsy misy fiatoana. • h.o.: Sampona manakana i t.L f : Akija, voakija ) mikija, fikija 1 ikijana, fikijana 1 mahakija I kijakija. Ahitsio
Kijakija: a.: Fikarakarana kaonty madinidinika ivelan'ny kaonty lehibe, kojakoja. Ahitsio
Kijana: a: Toerana midadasika feno ahitra firaofan'ny omby any an'efitra: "Akanga saraky ny ala anie aho ka misento ny alan-tapia... Zanak'omby lavi-kijana, anaty toerana manauia.." (Fredy Rajaofera). Ahitsio
Kijanajanaka: a.: Lalao ataon' ny ankizy amin'ny sariolona kely na saribakoly izay lazainy fa zanany, ka babeny sy trotroiny. Indraindray koa ilay sariolona kely na saribakoly mihitsy. Ahitsio
Kijeja: a.: Zana-balala vao foy ary manao dia be. ? h.o.: Enti-milaza koa ny zaza madinika maromaro tafaraka. Ahitsio
Kijitika: p. t.: Kely bolitika. Ahitsio
Kikikiky: a.: Hehy foana, kanikany tsy misy antony. - t.i.f.: MikikikikY, fikikikiky, mpikikikiky 1 ikikikikiana, fikikikikiana 1 mahakikikiky. Ahitsio
Kikimatso: a: Ilazana ny fandehan'ny miaramila milahatra rehefa mahazo baiko ha-mincira haingana. Ahitsio
Kikirina: (kikitra) mt. ih. (kikiro): Tsitsina. Ahitsio
Kikisana: (kiky) mt ih. (kikiso): Hanina amin'ny fanalana tsikelikely amin'ny nify ny nofon-kena miraikitra amin'ny taolana: Nokikisan' ny alika ilay taokrna natsipinao tao. ~ Lanina, kepohina: Nokikisan'ny mpandova ny fananan-dRabe. ? Diovina amin'ny fanalana ny loto miraikitra: Nokikisan'ny ankizy ny latabatra 1 Alana ny hodi-menan'ny mangahazo na ny kiran'ny trondro: Kikisana ny mangahazo. / Kikiso ireto trondro ireto. Ahitsio
Kikitra: a: Filofosana amimpaharetana amin'ny asa na izay atao; fiezahana hatrany ary tsy kivy. i ti.f: Kikirina, akikitra, voakikitra, tafakikitra I mikikitra, fikildtra, mpikikitra I ikikirana, fikikirana 1 mahakikitra 1 kikikikitra 1 makikitra. Ahitsio
Kikoe: (Ski) a: Lamba fotsy misy soratra mainty na me-na telo manaraka ny sisiny. Ahitsio
Kiky: a : Fikaohana mba hampahanify, fanadiovana mba hanalana ireo miraikidraikitra amin-javatra diovina. 6 t.if•: Kikisana, akiky,voakfky, kiniky / manakiky, fanakiky, mpanakiky / anakikisana, fanakikisana 1 mildky, fildky, mpikiky ) ikikisana, fikikisana / mahakikY 1 kikikiky / makiky. Ahitsio
Kila: p.t.: May, voadoro: Kilo ny trano dimy tao an-tanàna, ? Voatono: Nodoran' ny olona ny bozaka tany antanety ka kilo ireo ualalauao nandry teny. - t.i.f.: Kilaina, voakila, kinila 1 manakila, fanakila, mpanakila I anakilana, fanakilana / mahakila, kilakila. Ahitsio