Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kilaoty: (fr. culotte) a: Akanjon-dehilahy manarona hatreo amin'ny valahana ka hatreo amin'ny lohalika ~ Fanao anatim-behivavy amin' ny tapaka ambany. Ahitsio
Kilarinety: (fr. clarinette) a: Zavamaneno mikarantsampeo. Ahitsio
Kilasy: (fr. classe) a: Voninahitra omena antoko-mpiasa, na laharana omena antokonjavatra mifanaraka amin'ny fahamboniana na fahatsarany: Injeniera kilasy faharoa / Kalesin-daiamby kilasy uoalohany. ? Fitambaran'ny mpianatra mitovitovy fahaizana ka iray efitrano fianarana, iray mpampianatra: Hitsangantsangana ny mpianatra ao amin'ny kilasy fahatelo rahampitso. ? Mpianatra anisan'ny antoko-mpianatra voalaza etsy ambony: Kilasy fahen ina Isam bilo taon-dasa e F.-p.: Kilasimandry: mpianatra tsy mody fa misakafo sy mandry any amin'ny tra no fianarana ihany ka mandoa izay vola rehetra lany amin'izany. ( Kilasimody: mpianatra mody any an-tranony rehefa vita ny fianarana. Ahitsio
Kilavaka: p.t (f.tm.): Entimilaza olona fetsifetsy, vo-no na ny hampiasa hevitra tsy dia mahomby loatra, indrindra eo amin'ny fanatontosana ny asa amana adidiny izay ataony kitoatoa. Ahitsio
Kilavalava: p.t.: Lavalava mahia, mitezotezo, mezamezaka. Ahitsio
Kilavoahibary: (Btl) a: Randram-bolo betsileo milatsaka toy ny antontam-bary. Ahitsio
Kilazondazony: p. t.: Enti-milaza olona tsy salama loatra, osaosa sy malemilemy (malazolazo). Ahitsio
Kile: (fr. clé) a.: Vy fanodinana ambavindrindramby sy bilao fampiasa amin'ny fanamboarana aotomobilina ka misy isan-karazany izy ireo arakaraka ny haben'ny vavany. Ahitsio
Kile: a: Mari-pamantarana ny haavon'ny feo itondrana ny naoty na ny solfa. Ahitsio
Kilema: a: Tsiny, takaitra: Misy kilemany it? latabatra ity. ? Lafin-toetra ratsy, tsy fahalavorariana: Tsy misy olombeiona tsy misy kilema - t.i.f: Kilemaina 1 manilema, manakilema, fanilema, fanakilema, mpanilema, mpanakilema 1 anilemana, a nakilemana, famlemana, fanakilemana. Ahitsio
Kilemaina: (kilema) p.t.: Manan-takaitra tsy mety sitrana intsony (tapa-tongotra, bory tanana...). Ahitsio
Kilembalemba: Jer. Lembalemba. Ahitsio
Kilerao: (fr, clairon) a,: Zavamaneno varahina tsoflna, izay manana feo mafy mikarantsana ampiasain'ny miaramila ao an-toby na amin'ny matso. Ahitsio
Kilezondezony: p.t.: Lava mile-foie fo; kilavalava manify. Ahitsio
kilia:"kilia" zaza lehilahy fomba fiteny antesaka Ahitsio
Kilio: Kiliolio p.t.: Fatsora, tsy mahatoky, tsy marin-toetra: "Manarakaraka io — Ilay zoky sady andry — tsy tia kiliolio — mpitarika ny zandry" (J. Narivony). - t.i.f,: Akiliolio 1 miklliolio, fikiliolio, mpikiliolio 1 ikilioliovana, fikilioliovana 1 mahakiliolio. Ahitsio
Kiliomanga: a: Siram-barahina. Ahitsio
Kilitika: p. t.: Kely dia kely, kely biiitika. Ahitsio
Kilohy: Kaozatra sy kely dia kely. Ahitsio
Kilojy: (Br) a: Karazana tsaramaso mitovy amin'ny voanemba. Ahitsio