Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kimoka: Kimokimoka, Kimonkimona a: Hehy tazontazonina tsy ho mafy. - t.i.f.: Kimokimohina, kimonkimonina, voakimokimoka, tafakimokimoka 1 mikimokimoka, fikimokimoka, mpikimokimoka 1 ikimokimohana, ikimokimonana, fikimokimohana, fikimokimonana / mahakimokimo. Ahitsio
Kimoky: (Ski) a: Karazana vomanga izay hanin'ny olona ny vodiny amin'ny fotoanan' ny mosary, nefa mila fanamboarana manokana noho izy manan-toetra mampivalana (Ipomaca spr). Ahitsio
Kimondrimondry: a.: Anaranjavamaniry. Ahitsio
Kimondro: a: Karazan-javamaniry mandronono rehefa tapahina. Ahitsio
Kimosamosa: Jer. Mosalahy. Ahitsio
Kimpy: a: Toetran'ny maso rehefa mikombona ny hodimaso ka tsy mahita. - t.i.f.: Akimpy, voakimpy / manakimpy, fanakimpy, mpanakimpy 1 anakimpiana, fanakimpiana i mikimpy, fikimpy, mpikimpy I ikimpiana, fikimpiana 1 mahakimpy / kimpikimpy. Ahitsio
Kina: p.t.: Gina, sina, tsy mahateny. Ahitsio
Kina: (Ski) a: Manavy kely, dondozy. Ahitsio
Kinady: (kady) mt.ih misy tsofoka in: Kadina, nasiana kady, norarana tsy handehanana: Efa nokinady it? tany Ahitsio
Kinaikanaika: a: Fihamboana tafahoatra, rehaka, rehareha. ΒΆ M.h.: Naikanaika. Ahitsio
Kinaikitra: (kaikitra) mt.ih. misy tsofoka in: Nokaikerina, voakaikitra: Nokinaikitry ny biby ny tanan'it? zaza Ahitsio
Kinainaina: Jer. Konainaina. Ahitsio
Kinajakaja: (kajakaja) mt. ih. misy tsofoka in: Kajakajaina, kojakojaina, karakaraina. Ahitsio
Kinajy: (kajy) mt. ih. misy tsofoka in: Kajina, tandremana tatratra: Nokinajiny ny fihavanana nandritra ny fiainan y. Ahitsio
Kinaka: (kaka) mt. ih. misy tsofoka in: Kakana, asiana ka-ka (sombin-javatra asisika mba hampihizina zavatra mihetsiketsika): Tsy nihontsona intsony ny kodiaran'ilay fiara nony nokinaka Ahitsio
Kinaka: Jer. Hinaka. Ahitsio
Kinalo: (kalo) mt. ih. misy tsofoka in: Kaloina, hiraina amim-pihetseham-po. Ahitsio
Kinaly: (kaly) mt, ih. misy tsofoka in: Kalina, kajina, tandremana tsara mba ho vita lavorary. Ahitsio
Kinamba: p.mt.: Angamba. ? Kinanjo, kanjo. Ahitsio
Kinanga: p.mt.: Sendrasendra, vintana: Kinanga no nahazoako tamin'ny antsapaka Ahitsio