Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kinangaly: a: Hazo fanandratana na fanohizana sampy na ody. Ahitsio
Kinantsana: (kantsana) mt. M. misy tsofoka in: Tapahina amin'ny antsy maranitra, kantsanana. Ahitsio
Kinaoka: (kaoka) mt. ih. misy tsofoka in: Kaohina, alana, kikisana: Nokinaokan'ny riaka ny lalana Ahitsio
Kinaolo: a.: Karazan'olon-diaizay voalaza ho fohy ary ratsy tarehy izaitsizy. ? h.o.: Olonamahia tsisy nofo mova tsy taolam-potsiny. Ahitsio
Kinaonaona: a: Menomenona tsy miato, fitarainana mampalahelo. ΒΆ M.h.: Naonaona. Ahitsio
Kinapa: (kapa) mt. ih. misy tsofoka in: Voakapa, kapaina: Haxo nokinapany tany an'ala io. Ahitsio
Kinapoka: (kapoka) mt ih. misy tsofoka in: Voakapoka, kapohina: Nokinapok'Andriamanitra ilay izy ka ratsy fiafara. Ahitsio
Kinarakara: (karakara) mt ih. misy tsofoka in: Karakaraina, voakarakara, raharahaina tsara. Ahitsio
Kinarakara: (karakara) mt.ih. misy tsofoka in: Voaisy karakara Ahitsio
Kinarinarina: a: Fomba filolohavan-javatra tsy hazonina, fa ny loha no ahetsiketsika kendrena hanohana azy tsy hianjera. ? Fametrahan-javatra mihilangilana tsy asiana tohany. Ahitsio
Kinaroka: (karoka) mt.ih. misy tsofoka in: Voakaroka, karohina, zahana, tadiavina: Efa nokinaroko hatraiza hatraiza fa tsy hitako. Ahitsio
Kinasa: (kasa) mtih. misy tsofoka in: Voakasa, kasaina, tetehina hatao: Tsy tanteraka ilay dia nokinasanay. Ahitsio
Kinasika: (kasika) mt. ih. misy tsofoka in: Voakasika, kasihina, tendrena: Nokinasiny, hono, izy dia sitrana Ahitsio
Kinasoka: (kasoka) mt. ih. misy tsofoka in: Voakasoka, kasohina: Nokinasony tamin' ny arim-bilany ny akanjony ka tezitra reniny. Ahitsio
Kindava: (Btl) p.t.: Enti-milaza karazan-tan drok'omby mahitsy manahatahaka ny tandro-balala atao hoe kindava (Btl) na tsindavalokana (Mer). Ahitsio
Kindreo: (Btl) a.: Karazanaholatra, lehibe ary menamena, misy poizina mahafaty. Ahitsio
Kindriandriana: a.: Lalaon-jazavavy kely misy solon'olona vita amin'ny tomaboha (ny lehilahy tomaboha lavalava, ny vehivavy tomaboha boribory) miaina ao an-tokantrano. Ahitsio
Kindro: (Tsm) a.: Zavamaniry fahita any an'ala mitovitovy amin'ny rofia, izay fihinana ny vololony. Ahitsio
kindy:a. entina manambara ny fitaovam-pananahana maha vehivavy ny vehivavy Ahitsio
Kinejokejo: (kejokejo) mt.ih. misy tsofoka in: Voakejokejo, voakolikoly, voakojikojy; angolena, voavoky: Nok inejo kejon ' ny naman-dratsy izy no nahavitany izany. Ahitsio