Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kinizakiza: (kizakiza) mt.ih. misy tsofoka in: Kizakizahina, tsy itondrana roa, tsinina izaitsizy. Ahitsio
Kinkana: p.t.: Maina, karakaina. Ahitsio
Kinkinà: (fr. quinquina) a.: Karazan-kazo lehibe nampidirina avy tany ivelany noho ireo hodiny azo anaovana fanafody tazo (Circhon succiru bra). Ahitsio
Kinko: (Tsm) a.: Tanam-poza na tanam-bibikely toy ny valala. Ahitsio
Kinobana: (kobana) mt.ih. misy tsofoka in: Voakobana, kobanina, tsikebonina: Nokinoban'ny ankizy ny rano ka maloto. Ahitsio
Kinojakoja: (kojakoja) mt. ih. misy tsofoka in: Voakojakoja, kojakojaina, voakarakara fatratra. Ahitsio
Kinojy: (kojy) mt. ih. misy tsofoka in: Voakojy, voakolikoly, voangolingoly. Ahitsio
Kinolikoly: (kolikoly) mt. ih. misy tsofoka in: Voakolikoly, kolikolena, voangolingoly: Nokinolikolin'ilay tovolahy i Soa ka roboka Ahitsio
Kinoly: Jer. Kinaoly. Ahitsio
Kinomby: (komby) mt.ih. misy tsofoka in: Napetraka anaty komby: Taloha nokinomby ny vehivavy raha ni-fana. Ahitsio
Kinosoka: (kosoka) mtih. misy tsofoka in: Voakosoka, kosohina, dilorina: Nokinosokao savon y tsara ve it? pataloa it?. ? Voatorotoro: Paraky tsy kinosoka tsara ity. Ahitsio
Kinotsa: (kotsa) mt. ih. misy tsofoka in: Voakotsa, kotsaina, vonto: Nokinotsan' ny orana izahay omaly tany am-p itsangantsanganana. Ahitsio
Kintana: a: Vaingan-javatra mirehitra mamirapiratra eny amin'ny habakabaka amin' ny alfna izay tsy tokony hafangaro amin'ny planeta, ka ny anavahana azy dia ny hazavany mihalontralona. Ahitsio
Kinto: Kintobeloha a: Karazam-borombazaha kely. Ahitsio
Kinto: p.t.: Karazan'akoho zafindraony nompiana teto fahizay, madinidinika nefa ma-fana fo raha hiady ary fohifohy ne fa makadiry ny vavany. Ahitsio
Kinto: Kintokinto p.t.: Tezitra, vinitra, misamboaravoara. Ahitsio
Kintona: a.: Hasosorana, halonilony, fidongiana, fizihirana. - t.i.f.: Mikintona, fikintona, mpikintona I ikintonana, fikintonana / mahakintona / kintokintona. Ahitsio
Kioka: Jer. Gioka. Kiomby: Jer. Komby. Ahitsio
Kiombiomby: a: Lalao fanaon'ny ankizilahy, izay ahitana ny iray amin'izy ireo mody atao omby mandrifatra ka manenjika ny sasany. Ahitsio
Kionkiona: a: Karazana jaboady. Ahitsio