Kitelo an'ala | : | a.: Randram-bolo betsileo miendrik'akondro telo amin'ny ilany, ary toy izany koa amin'ny an-daniny.
Ahitsio |
Kitenindahy | : | na Tenindahy a: Karazan'ahitra atao hoe tenina izay misy voniny mena (ny kitenimbavy kosa na tenimbavy, fotsy ny voniny); samy maharary fanindrona ny tongotra izy ireo eo ampitsiriany.
Ahitsio |
Kitiboka | : | (Btl) a: Karazan-kazo izay fihinana ary tsara ny voany (Vaccinium secundiflorum H).
Ahitsio |
Kitihina | : | (kitika) mt.ih. (kitiho): Tohinina kely: Kitiho io olona io fa misy toerana ho azy eto.
Ahitsio |
Kitika | : | a: Fanohinana kely. - t.i.f.: Kitihina, akitika, voakitika / mikitika, fikitika, mpikitika / ikitihana, fikitihana / mahakitika / kitikitika,
Ahitsio |
Kitika | : | p.t.: Kely bitika, madinika tokoa.
Ahitsio |
Kitika | : | Kitikitika a: Fanibokiboana mba hampihomehy; fikasihana faritra amin'ny tenan'ny olombelona mahatonga azy hihomehy; kibokibo. - t.i.f•: Kitihina, voakitika / mikitika, fikitika, mpikitika / ikitihana, fikitihana / kitikitihina, akitikitika / manitikitika, fanitikitika, mpanitikitika / anitikitihana, fanitikitihana / mahakitikitika.
Ahitsio |
Kitikitihina | : | (kitikitika) mt ih. (kitikitiho): Kasihina (amin' ny faritra mahatonga hihomehy): Aza kitikitihinao ny tongotro.
Ahitsio |
Kito | : | p.t: Fohy, iva kely.
Ahitsio |
Kitoantoana | : | a sady p.t.: Tsy fitoviana tantana eo amin'ny haavony na ny fandriny, tsy marin-tampons fa misy avo sy iva. - t.i.f: Mikitoantoana, fikitoantoana.
Ahitsio |
Kitoatoa | : | p.mt. sy a: Ataotao foana sady ankinina amin' ny kisendrasendra: Namaly kitoatoa izy tamin'ny fanadinana ka tsy afaka ? Fanaovan-javatra tsy am-piheverana, tsy am-pitandremana: Manao kitoatoa koa Rangahy ity! aiza ka fahavaratra uao hanafo trano. ¶ M.h.: Befahatany, mosalahy. i tif: Kito ato avina, akitoatoa, voakitoatoa 1 mikitoatoa, fikitoatoa, mpikitoatoa / ikitoatoavana, fikitoatoavana.
Ahitsio |
Kitoatoavina | : | (kitoatoa) mt ih. (kitoatoauy): Vinanina kisendrasendra fotsiny.
Ahitsio |
Kitoina | : | Kitokitoina p.t.: Mora tezitra, sarotra iraharahana, sarotra ihavanana, kizitina: Kitokitoina aoka izany io vehivauy io. - t.i.f.: Mahakitoina, mahakitokitoina.
Ahitsio |
Kitoka | : | Kitokitoka a: Fisafoahana mandalo, hasarotam-po, fahalonilony, fahasosorana. - t.i.f.: Kitokitohina, voakitokitoka, kinitokitoka 1 m'r kitokitoka, fikitokitoka, mpikitokitoka 1 ildtokitohana, fikitokitohana 1 mahakitokito.
Ahitsio |
Kitokandalana | : | (Btl) a.: Randram-bolo betsileo misoritra tokana ary mikirazorazo.
Ahitsio |
Kitokely | : | a.: Karazana kanakana kely.
Ahitsio |
Kitokitohina | : | (kitokitoka) mt. ih. (kitokitohy): Tezerana: Aza kitokitohinao toy izany ny zandrinao.
Ahitsio |
Kitokitona | : | p.t sy a.: Toetra soso-dava, sorisorena mandrakariva. - t.i.f•: Mikitokitona, fikitokitona 1 ikitokitonana, fikitokitonana 1 mahakitokitona.
Ahitsio |
Kitongafia | : | (Tsm) a.: Zavamaniry misy faka mangidy izay fanao fanafody aretin-kibo sy kohaka.
Ahitsio |
Kitongatonga | : | a: Toetran'ny tany tsy marin-tampons, tsy mitovy tantana, kitoantoana. 1 t. t.f.: Mikitongatonga, fikitongatonga.
Ahitsio |