Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kitelo an'ala: a.: Randram-bolo betsileo miendrik'akondro telo amin'ny ilany, ary toy izany koa amin'ny an-daniny. Ahitsio
Kitenindahy: na Tenindahy a: Karazan'ahitra atao hoe tenina izay misy voniny mena (ny kitenimbavy kosa na tenimbavy, fotsy ny voniny); samy maharary fanindrona ny tongotra izy ireo eo ampitsiriany. Ahitsio
Kitiboka: (Btl) a: Karazan-kazo izay fihinana ary tsara ny voany (Vaccinium secundiflorum H). Ahitsio
Kitihina: (kitika) mt.ih. (kitiho): Tohinina kely: Kitiho io olona io fa misy toerana ho azy eto. Ahitsio
Kitika: a: Fanohinana kely. - t.i.f.: Kitihina, akitika, voakitika / mikitika, fikitika, mpikitika / ikitihana, fikitihana / mahakitika / kitikitika, Ahitsio
Kitika: p.t.: Kely bitika, madinika tokoa. Ahitsio
Kitika: Kitikitika a: Fanibokiboana mba hampihomehy; fikasihana faritra amin'ny tenan'ny olombelona mahatonga azy hihomehy; kibokibo. - t.i.f•: Kitihina, voakitika / mikitika, fikitika, mpikitika / ikitihana, fikitihana / kitikitihina, akitikitika / manitikitika, fanitikitika, mpanitikitika / anitikitihana, fanitikitihana / mahakitikitika. Ahitsio
Kitikitihina: (kitikitika) mt ih. (kitikitiho): Kasihina (amin' ny faritra mahatonga hihomehy): Aza kitikitihinao ny tongotro. Ahitsio
Kito: p.t: Fohy, iva kely. Ahitsio
Kitoantoana: a sady p.t.: Tsy fitoviana tantana eo amin'ny haavony na ny fandriny, tsy marin-tampons fa misy avo sy iva. - t.i.f: Mikitoantoana, fikitoantoana. Ahitsio
Kitoatoa: p.mt. sy a: Ataotao foana sady ankinina amin' ny kisendrasendra: Namaly kitoatoa izy tamin'ny fanadinana ka tsy afaka ? Fanaovan-javatra tsy am-piheverana, tsy am-pitandremana: Manao kitoatoa koa Rangahy ity! aiza ka fahavaratra uao hanafo trano. ¶ M.h.: Befahatany, mosalahy. i tif: Kito ato avina, akitoatoa, voakitoatoa 1 mikitoatoa, fikitoatoa, mpikitoatoa / ikitoatoavana, fikitoatoavana. Ahitsio
Kitoatoavina: (kitoatoa) mt ih. (kitoatoauy): Vinanina kisendrasendra fotsiny. Ahitsio
Kitoina: Kitokitoina p.t.: Mora tezitra, sarotra iraharahana, sarotra ihavanana, kizitina: Kitokitoina aoka izany io vehivauy io. - t.i.f.: Mahakitoina, mahakitokitoina. Ahitsio
Kitoka: Kitokitoka a: Fisafoahana mandalo, hasarotam-po, fahalonilony, fahasosorana. - t.i.f.: Kitokitohina, voakitokitoka, kinitokitoka 1 m'r kitokitoka, fikitokitoka, mpikitokitoka 1 ildtokitohana, fikitokitohana 1 mahakitokito. Ahitsio
Kitokandalana: (Btl) a.: Randram-bolo betsileo misoritra tokana ary mikirazorazo. Ahitsio
Kitokely: a.: Karazana kanakana kely. Ahitsio
Kitokitohina: (kitokitoka) mt. ih. (kitokitohy): Tezerana: Aza kitokitohinao toy izany ny zandrinao. Ahitsio
Kitokitona: p.t sy a.: Toetra soso-dava, sorisorena mandrakariva. - t.i.f•: Mikitokitona, fikitokitona 1 ikitokitonana, fikitokitonana 1 mahakitokitona. Ahitsio
Kitongafia: (Tsm) a.: Zavamaniry misy faka mangidy izay fanao fanafody aretin-kibo sy kohaka. Ahitsio
Kitongatonga: a: Toetran'ny tany tsy marin-tampons, tsy mitovy tantana, kitoantoana. 1 t. t.f.: Mikitongatonga, fikitongatonga. Ahitsio