Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kitroina: (kitro) mt. ih. (kitroy): Apetraka eo amin'ny tampina anankiroa tsy mifanitsy (vatom-panorona). Ahitsio
Kitroina: (kitro) p.t: Misy kitro: Kitroina ny tanan'i Dada. * F.-p.: Kitro vy: ny vy asarona ny kitron-tsoavaly na kitron'omby. / Mafy kitro: donto tsy miraika na amin' inona na amin'inona. / Miady kitro na mifanitsa-kitro: ilazana olona tafavory be dia be, tsy tambo isaina. Ahitsio
Kitroka: a.: Fifaneren-javatra matevina be, fifanizinana tsy misy elanelany; fidilotry ny nify ampiadina na ny fifampikasohany re ety ivelany; di-doha, fanginana midongy tsy mety miteny. i ti.f.: Akitroka, voakitroka, tafakitroka I manakitroka, fanakitroka I anakitrohana, fanakitrohana 1 mikitsoka, fikitroka, mpikitroka 1 'rkitrohana, fikitrohana 1 mahakitroka 1 kitrokitroka. Ahitsio
Kitroka: a.: Iran lavenona sy vato niempo maintimainty avy amin'ny afotroa. Ahitsio
Kitrokely: a: Ray taolana mivohitra miranirany eo anelanelan'ny ranjo sy ny tongotra; ny kitrokely dia karazana kambon'ny tendron'ireo taolan-dranjo anankiroa.y Ahitsio
Kitrotro: a: Aretina mahazo ny ankizy latsaka ny folo taona, nefa ny olona izay tsy mbola vitany koa dia mety ho tratrany na firy taona izy na firy taons. (Aretina mamorifotra ny kitrotro, izany hoe mandrakotra bontsimbontsina kely ny tena, izay miseho eo amin'ny handrina sy ny vozona, dia ny tratra sy ny lamosina ary miely eran'ny tena manontolo. Mandeha ranomaso lava, mena-mena maso, misondrotra hafanana: izany no fiandohan' ny kitrotro). Ahitsio
Kitsaka: Mitovy amin'ny Hitsaka. Ahitsio
Kitsambiny: Kitsambony a: Rehefa mety ho zavatra mivohitra amin'ny tenan-javatra iray, zavatra mivonto miavaka toy ny kambo. Ahitsio
Kitsangana: a: Zavamaniry misy vodiny azo hanina ary maniry an-tampon-tanety toy ny avoko saingy ny bika sy ny tsirony samy hafa (Pycnone urumjunciformae). * Ohab.: Kitsangana sy auoko: tanety no iraisana: Misy olona samy hafa be na ny toetrany na ny fihetsiny ne-fa mazàna hita miara-mitoetra eny. Ahitsio
Kitsanitsany: a.: Habobo sy lainga na tsahotsaho tsy marina. Ahitsio
Kitsantsona: a: Olona vavana sy mimentsomentsona foana. it.i.f.: Mikitsantsona. Ahitsio
Kitsaotsao: p.t.: Matsatso sady mitsatsàka amin'ny nify raha tsakoina. 1 t.if.: Mikitsaotsao. Ahitsio
Kitsika: Kitsitsika p.t: Bitika kely. Ahitsio
Kitsikitsika: Jer. Hitsikitsika. Ahitsio
Kitso: a: Zavatramarani-doha. * Teny ilazana ny vava fivalanana raha toa ka tsy tiana hivantana ny fitenenana fa miresaka amin'olom-pady. 1 Fivoahan'ny tsinaim-body (aretfna). - t.i.f.: Kitsoina. Ahitsio
Kitsody: a: Jer. Sodina. Ahitsio
Kitsoina: (kitso) p.t: Maranidoha, tsokitsoky, milohalefona, mitsilotsilo, mipilopilo. Ahitsio
Kitsokiloha: (Br) p.t.: Enti-milaza tandrok'omby mitovy fandry mirona any aorlana. Ahitsio
Kitsolo: (Bti) Enti-milaza irony karazan-tandrok'omby mahitsy maranitra. Ahitsio
Kitsomba: a: Tendrona tendrombohitra, tampona. Ahitsio