Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kivozo: a: Karazan-kazo. Ahitsio
Kivy: p.t: Tsy manana herimpo na herin-tsaina hanao zavatra fa ketraka, rera-po: Kivy ny miaramila nahare ilay vaovao nentinao. - t.i.f.: Kivina, akivy, voakivy, kinivy 1 manakivy, fanakivy, mpanakivy I anakiviana, fanakiviana 1 mahakivy 1 kivikivy 1 fahakiviana. - F-p.: Kiuy ratsy: kivy izaitsizy. 1 Kivy ambony ihany: mbola tsy manao akory dia kivy. ΒΆ M.h.: Ketraka, reraka, maimolotra, resy, rera-po, reratsaina, soretra, soredretra, mikely soroka, migarera, mivareraka, mibareraka elatra, tapaka elatra, mirefarefa lamba, mitakemotra, miverina ilalana, mikororosy fahana, mivalaketraka, miraviravy tanana, mandevin-tsotrobe, mivarilavo, mamoy fo, manary toky. Ahitsio
Kizahasina: (Btm) a.: Hazo lehibe mahafinaritra mety hahatratra roapolo metatra ny haavony ary dimampolo santimetatra ny tsipika mamaky ny afovoany; manimanitra izany ny fofon'ny voany ary misy voamadinika mety hahazoana menaka mifanahatahaka amin'ny dibera (Symphonia sp). Ahitsio
Kizahina: (kizaka) mt. ih, (kixaho): Esoina, tsinina; tenenina mafy, levilevena: Aza kizahina toy izany mandauan-taona izy sao kivy amin' ny farany. Ahitsio
Kizaka: a.: Fiteny amim-pahasiahana, na somary mandatsa sy maneso; famelivelezana, fandevilevena mafy, faniniana. i Kizahina, akizaka, voaldzaka, kinizaka / mikizaka, fikizaka, mpikizaka 1 ikizahana, fikizahana 1 mabakizaka / kizakizaka Ahitsio
Kizakiza: a: Famingavingana, fanazimbazimbana, fanivaivan a. - t.i.f. : Kizakizaina, voakizakiza, kinizakiza / manizakiza, fanizakiza, mpanizakiza 1 anizaldzana, fanizakizana 1 manakizakiza. Ahitsio
Kizakizaina: (kizakiza) mtih. (kizakizao): Atao tsinontsinona, ivaivaina, vingavingaina: Aza kizakizaina toy izany aho fa olona mba mana-na ny hajako. Ahitsio
Kizanajanaka: a.: Sariolona na saribakoly ataon'ny ankizy, indrindra ny ankizivavy, la-lao sy lazainy fa zanany ka babeny na trotroiny. Ahitsio
Kizavo: Kizavozavo a: (ny teny kivazivazy mifamadi-bakiteny ihany) Teny ampihomehezana, vosobosotra, somonga. Ahitsio
Kizehozeho: Jer. Zehozeho. Kizenizeny: Jer. Zenizeny. Ahitsio
Kizo: a: Ny vatom-panorona izay lanin'ny andanfny daholo rehefa avy nihinana ny azy. ? Fahalanian-karena miandalana mahazo olona na-nana teo aloha ka saika botry na tonga fadiranovana ny taranany. ? Lalana na hevitra teritery ahitana loza: Mampiditra ahy amin'ny kizo ianao amin'izany hevitra izany. - t.i.f.: Mildzo, fikizo, mpikizo / ikizoana, fikizoana / mahakizo 1 kizokizo. - F-p.: Kizo fara: lany tamingana, lany taranaka handimby. / Kizo tokana: lalana tsy misy afa-tsy tokana. /Lalana kizo tokana ny fahafatesana: ny fahafatesana no hany tokana fiafaran'ny fiai-nana. I Vola kizo: ny vola ariary. Ahitsio
Kizo: (Btl) a.: Anarana iantsoana ireo hazo maro karazana misy ditiny na gaoma, ataon'ny olona famandrihamborona indrindra. Ahitsio
Kizokizo: p. t.: Mahatehotia, mahafatifaty. Ahitsio
Ko: o: Mpisolo anarana misolo olona fanao tovana ka en-titra misolo ny olona miteny raha tokana: Efa vitako ny asako ka handeha aho. / Marary ny tongotro sy na soroko tamin'izaho potraka anikeheo. Ahitsio
Ko: Kian-teny tsy dia misy heviny fa entin'ny ankizy hanamafisana ny fitenenany no sady hiangolangolany: Marary tsinona ny tananay ko. Ahitsio
Ko-:: Karazana tovona miditra amin'ny fiforonan'anarana nrilaza fitaovana, toy ny KI-: Kofafa na kifafa, kofehy. Ahitsio
Koa: a.: Fianjerana mikororosy, fidabohana rehefa avy miendaka. - t.i.f.: Akoa, voakoa 1 manakoa, fanakoa, mpanakoa 1 anakoavana, fanakoavana l mikoa, fikoa, mpikoa 1 mahakoa, koakoa. Ahitsio
Koa: ppt. sy p.mt.: Teny miandoha fehezanteny ka ny heviny dia hoe "ary raha efa izany": Koa hoy Andriamanitra tamin'i Adama sy Eua ? Teny eo aorian'ny teny iray hafa ka midika hoe: "fanampin'izanY, mitovy amin'izany": Handeha koa aho raha mandeha ianao. ? "Noho izany": Osa sy malemy izahay ry Tompo, koa ampio ny fahasoauanao! ? Teny fanao mialoha ny famaranankevitra rehefa voalaza ny antonanton'ny renin-kevitra sy ny zana-kevitra: Koa tsy ho very ue raha tahaka izany ny fombao-drazantsika? / Mety diso rehefa rnety ho olombelona, ary ianao dia olombelona, koa amin'izany, mety diso ianao. Ahitsio
koahy:Tenim-paritra avy any atsimo, entina hiantsoana ny lehilahy. Ohatra : akory koahy e! Raha vehivavy koa dia "Lie" Ahitsio
Koaina: (fr. coin) a.: Zoron'ny raboa. Ahitsio