Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kodrazana: a.: Ny fomba nentimdraharazan a; ireo tombontsoanananan'ny razana. Ahitsio
Koe: (fifintinan'ny teny roa "koa hoe") Enti-manamafy izay lazaina: Koe handeha a-ho ka mbola manontanitany ihany ianareo. Ahitsio
Kofafa: Jer. Kifafa. Ahitsio
Kofehy: a: Zavatra amehezana na anjairana, ka mety ho taretra fanjairana izay, na tady mahazaka, na tady kely amehezana entana. Ahitsio
Kofehy: na Solonkofehy a.: Anarana enti-milaza ny vola famangiana amin'ny fahoriana raha toa ka eo amin'ny fotoana amonosana ny razana no tonga marnangy (jer, koa: Ranombary tsy masaka, solon-tsosoa, fao-dranomaso, rambon-damba, zara levenana). Ahitsio
Kofina: Kofona p..: Mitelinjavatra ka mifotroaka any an'orona. - t.i.f.: Mikofona / mahakofona / kofinkofina. Ahitsio
Kofina: (angl. coffin): Vatampaty. Ahitsio
Kofo: a.: Famoasana (voanjo) hialan'ny hodiny. - t.i.f.: Kofoina, voakofo / mikofo, fikofo, mpikofo / ikofoana, fikofoana / mahakofo / kofokofo. Ahitsio
Kofohina: (kofoka) mt. ih. (kofohy): Hetsiketsehina: Aza kofohina ny lavenona fa miely eran'ny trano. Ahitsio
Kofoina: (kofo) mt. ih. (kofoy): Voasana: Hoditry ny uoanjo nokofoinao ireo ka fafaonao ihany. Ahitsio
Kofoka: a.: Ketsika, kapoks. - t.i.f.: Kofohina, akofoka, voakofoka, tafakofoka J manakofoka, fanakofoka, mpanakofoka I anakofohana, fanakofohana I mikofoka, fikofoka, mpikofoka 1 ikofohana, fikofohana 1 mahakofoka / kofokofoka / mikofokofoka, Ahitsio
Kofolona: p. t.: Bory taho (vomanga, mangahazo); tapadrambo (omby). Ahitsio
Kohadavareny: (kohaka laoareny) a: Aretin-kohaka mety hahavoa ny zaza eo amin'ny enim-bolana ka hatramin'ny dimy taona eo, ary mors fantarina amin'ny serisery, maso mitsiranondrano sy kohaka mateza amin'ny alina; tapabolana aorian'ny famantarana voalohany, dia miseho ilay feo "lavareny" toa misioka isaky ny mikohaka, avy amin'ny fisintonan'ny fiai-nana amin'ny faran'ny kohaka mafy mifampitohitohy; aretina faran'izay mora mifindra ny kohadavareny, irony antsoin'ny olona hoe manara-damba. Ahitsio
Kohafina: (kohaka) mt. ih. (kohafy): Antsoina amin'ny fikohafana: Nokohafiko izy fa tsy niherika akory. Ahitsio
Kohaka: a: Feo mafy sy tainpoka ateraky ny rivotra avy any an-tratra fa misy marary any amin'ny havokavoka, na any amin'ny lalan-drivotra. - t.i.f.: Kohafina, akohaka, voakohaka J manakohaka, fanakohaka, mpanakohaka / anakohaf ana, fanakohafana / mikohaka, fikohaka, mpikohaka / ikohafana, fikohaf a-na J mahakohaka / kohakohaka. - F.-p.: Koha-dambo: kohaka mikotrokotroka mafy. J Koha-davareny: aretin'ny zaza eo amin'ny enim-bolana ka hatramin'ny dimy taona; mikohaka ny zaza ka misy ilay feo "lavareny" misioka famantarana azy, izay avy amin'ny fisintonan'ny fiainana amin'ny faran'ireo fikohafana mafy mifampitohitohy; maharitra hatramin'ny enina herinandro eo ny kohadavareny. / Koha-maina: kohaka tsy misy rehoka.l h.a: Toejavatra hararaotina. * Ohab.: Koha-maina aza ataony, indrindra fa misy sery kely hanolahany: Izay vonona hamorona antonanton-javatra mba hanaovana izao sy izao dia vao mainka koa ho faly raha misy zavatra kely hohararaotiny. Ahitsio
Kohokoho: a: Teny iantsoana ny akoho hanatona. - t.i.f.: Kohokohoina, voakohokoho f mikohokoho, fikohokoho, mpikohokoho / ikohokohoana, fikohokohoana / mahakohokoho. Ahitsio
Kohokohoina: (kohokoho) mt ih, (kohokohoy): Antsoina amin'ny filazana ny teny hoe: "kohokoho": Kohokohoy ny akoho fa hariva ny andro. Ahitsio
Kohona: a: Famoahana feo any an-tenda mikombom-bava, ho marika fampahafantarana tsy fahafaliana na hasosorana. - t.i.f.: Mikohona, fikohona, mpikohona f ikohonana, fikohonana f mahakohona / kohonkohona. Ahitsio
Koika: a: Teny avoakan'nyvava raha sempotra sasatra toy ny avy niaka-piakarana ohatra. Ahitsio
Koikoimatso: Jer. Kikimatso. Ahitsio