Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lakroa: (fr. la croix) a: Sary na hazo mitanambokovoko mampahatsiaro ny hazo namantsihana an'i Kristy, hita amin'ny toerana maro, indrindra ny toeram-pivavahana (fiangonana, fasana...): Maty teo ambony lakroa i Kristy. Ahitsio
Laky: ft.: Niavian'ny hoe Male ky, halaky, malakilaky. Ahitsio
Lala: p. t. na a: Fantatra (any anindran-tany), ~ Tiana (afovoan-tany): Tsy any ny lalana, ry Idla. i t t f.: Lalaina 1 mahalala, fahalala, mpahalala I ahalalana, fahalalana / mampahalala, mifankahalala I malala. Ahitsio
Lala: a.: Ba na paikan-kira. - F-p,: Lala voalohany: paikan-kira haingankaingana / Lalo faharoa: paikan-kira miadanadana. / Mahay lala na mailala: mihira na mahay mihira manaraka ba. Ahitsio
Lala: a: Fisaonana ny vadymaty. ? Fikarakarana, fitsimbinana. - t.i.f.: Lalaina, voalala / mandala, fandala, mpandala / andalana, fandalana. Ahitsio
Lalaina: (lala) mt ih. (lalao): Tiavina fatratra: Lalao ny ray aman-dreninareo, rankizy. Ahitsio
Lalaina: (lala) mt, ih. (lalao): Isaonana. •Karakaraina. Ahitsio
Lalaka: a.: Halehibe-na velarana, halehibe. - t.i.f.: Halalahina, alalaka, voalalaka / manalalaka, fanalalaka, mpanalalaka / analalahana, fanalalahana / mahalalaka / laladalaka / malalaka. Ahitsio
Lalàm-panorenana: a: Lalàna manoritra ny rafitry ny fitondrana amin'ny firenena iray izay mazàna atao latsabato amin'ny vahoaka rehetra ny fampankatoavana azy rehefa avy nampahalalaina azy mazava tsara hatramin'ny an-tsipiriany. Ahitsio
Lalam-po: a: Sitrapo tsy voafetra. Ahitsio
Lalambika: (fr. alambic) a.: Fantsona lava miolikolika difotra ao anaty rano mangatsiaka ka raha mandalo ao anatin'io ny entona dia manjary ranomason-takotra azo angonina indray. Ny lalambika dia ilaina amin'ny fanasitiliana ny alkaola. --as Ahitsio
Lalamby: a.: Lalana nasiana bara vy lava mitovy elanelana hatrany ikorisan'ny kodiaran'ny masinina, lzay atao indrindra koa hoe fiara na kalesin-dalamby; hazo efajoro na vy no rairaindrihana ipetrahan'ireo bars vy. Ahitsio
Lalana: a : Soritra namboarina hatao fandehanana mampitohy toerana na tanàna roa: Tsara ny lalana mankany Mojanga ~ ho.: Manaraha mandrakariva ny lalan'ny fahamarinana. ? Zavatra tsy maintsy atao mba hahatongavana amin'izay kendrena: Ny fikezahana no lalana mi-tondra amin'ny fahombiazana. •Fahazoanamanao zavatra iray, fahazoam-pahefana hanao zavatra iray: Iza no na-nome blanc anao hiditra ato amin'ny schako? (diso ny mampiasa ny teny hoe "alalana" amin'ny fehezan-teny toy io): Mangata-dalana handeha izahay, tompoko. - F-p.: Labam-be, lala-masaka: lalana andehanan'ny oie-na matetika ka manjary mafy ary tsy misy zavamaniry toy ny ahitra. / Lalam-by: lalana natao handehanan'ny kodingo entin'entona na masinina, izay misy tsoria-metaly roa mitovitovy elanelana hatrany isosan'ny kodiaran' ny masinina,/Lalam-boahangY: arabe migodana sady tsars, matetika voavoly hazo ny mdrany roa. / Lalam-be: arabe malalaka sady voavoatra tsara. / Lalam-bitsika: entimilaza ny lalana farany izay kely. ? hi.: enti-milaza koa ny sori-bilana raha manao vazivazy. / Lalampo: sitrapo tsy voafetra, fanaranam-po. / Laban-kely: lalana tsy azon' ny kalesy aleha fa tery sy manivaldvaka na misy trano ny andaniny roa. / Lalan-tokana: entina milaza lalana iray münja tsy misy azo isafidianana.l Lalan-kombana, lalan-kizorana: ny lalana izay tsy maintsy hodiavina sy handehanana. / Laba-maty: lalana efa tsy misy mpandeha intsony fa nialan'ny ma-ro. / Lalan-kanina: ny lalana idiran'ny sakafo ao an-kibo. / Lalan-drivotra: ny orona sy ny vava izay iainana. / Moron-dalana: ny eo akaikin'ny lalana sy ny sisin'ny arabe an-daniny roa. / Sakeli-dalana: lalan-kely mamakivaky ny elakela-tsaha sy trano. / Sampan-dalana na sampanandalana: fihaonan-dalana ma-ro. / Tom bon-dalana: ambindalana efavitan'ny tenatalohan'ny sasany manaraka ao afara. / Vakin'ny laiana: toeerana izay eo am-povoany no manjary lalana aleha. / Mbay lalana: fiteny fanao raha mandalo sy miserana olona. /Diso lalana: tsy nandeha amin'ny tena lalana ka very. / Saran-dalana: ilazana nyvola aloa amin'ny fiara mitondra any amin'ny tany aleha. / Savalalana: fandehanana mialoha mba hijery sy hanamboatra ny lalana halehan' ny maro avy ao aoriana. / Torolalana: fanorotoroana ny fomba hitondrana asa na raharaha. / Voan-dalana: ilazana ireo zavatra nentina avy tany am-pandehanana ho an' ireo nijanona tao an-trano. / Misakan-dalana: mibahana eo amin'izay alehan'ny sasany; enti-milaza ny jiolahy misakana ny mpandeha mba handrobana azy. / Manao hitsin-dalana: tsy manaraka ny tena lalana fa manavatsava na any anaty volin'olona aza; entina milaza koa ny ankizy tsy mahalala fomba izay mandeha manitsy avy hatrany na misy olona na tsia eo anoloany. l Mitari-dalana: mandeha eo aloha harahin' ny maro. / Mangato-dalana: manao mbay lalana, na mangataka fahazoana manao zavatra. j Mahazo lalana, ma-nome lalana: mahazo fahafahana, manome fahafahana hanao zavatra. / Mahatokandalana: ilazana ny zaza efa afaka handeha samy irery na dia tsy miaraka amin'ny lehibe aza. / Mifanindran-dalana: tafaraka an-dalana ka ny iray an-daniny ny iray an-kilany. /Ma-bolana ilalana (maka volana): mandray izao teny rehetra heno ets? sy erj' izao. / Andalan-tohatra: ireo ambaratonga miakatra na midi na amin'ny tohatra. I Kitay telo an-dalana: fomba fizarana ny haren'ny mpivady misaraka, ka ny roa anjaran'ny lahy, ny iray anjaran'ny vavy. * Ohab.: Manao lalan-kitankisoa: enti-milaza ny olona tsy mahalala afa-tsy ny lalana, na ny fomba efamahazatra falehany ihany fa tsy mba mitady hafa na vaovao. /Ny ratsy tsy kely lalana: enti-milaza fa mikaro-kevitra hifetsena sy hanambakana mandrakariva ny ratsy saina noho izy tsy mba voasakantsakan'ny tahotra ny hanao ratsy. / Omaly ir? ny lalana, anio it? ny lalana: mety hiova ny haleha noho ny anton-javatra, sady tsy mety koa raha manao lalan-kitankisoa. / Tapi-dala-naleha toa soki-nanani-bato: ilazana fa tsy misy na inona na inona azo atao intsony. / Tombondalana no on'ny maty, fa ny lalan-k ira isana ihany: entimilaza ny fahafatesana mpahazo ny manana aina, izay samy mbola hodiavin'ny sisa rehetra ihany koa. ¶ Teny misy hevitra ifandraisany: Lalan-kely, lalan-tsarety, lalam-be, arabe, lalam-boahangy, kizo, soritra, diantsarety, sakeli-dalana, kihondalana, fihaonan-dalana, sampan-dalana, hodimirana, finlahana, fivilian-dalana, lalamasaka, kizo tokana, lalantampina. Ahitsio
Lalàna: a.: Fitsipika na amboaram-pitsipika tsy maintsy arahin'ny olon-drehetra, avoakan'ny mpitondra fanjakanà, na voaraikitry ny fomba amam-panao hatra ny fahagolan-tany, na ataon'ny solombavambahoaka: Fan tatrao ve ny lalàna momba ny fifidianana? / Makà hevitra amin' ny olona mpahay lalàna ianao. 1 h.t: Fepetra arahina amin'ny sokajin-javatra na fahaizana manokana: Araka ny lalànan'ny fitsipipitenenana malagasy dia tsy asiana n amin'ny fanakambanon-teny, raha ka na tra no iafaran' ny teny voalohany: Kara-pifidianana - F.-p,: Ara-dalàna: mifanaraka amin'ny didy, amin'izay tena izy sy ara-drarinY• / Lalàm-panjakana: didy ataon'ny fanjakana hitondrana ny vahoaka. / Lalàm-pitondran-tena: ilazana ny fitsipipiainana tokony harahina. / Lalàna velona: didy manankery sy mbola arahina. / Lalàna maty: didy tsy miasa intsony ary efa nofoanana. / Olona mahay lalàna mpahay lalàna: ireo mpitsara sy mpiaro eo amin'ny fitsarana, izay efa vita fianarana ambony momba izany. / Manaradalàna: manaraka an-tsakany sy an-davany ny didy ataon' ny mpitondra, ny fitsipika na fepetra samihafa. / Mandika lalàna: tsy manaraka ny didy fa manao zavatra mifanohitra aminy. Ahitsio
Lalañana: na Lañanana (fit p.) a: Karazana volo lava atao fantsakana rano any an-doharano: trobahana ireo tonony rehetra afa-tsy ilay farany ambany. Ahitsio
Lalandana: a: Zavamaniry fanao fanafody. Ahitsio
Lalandava: p.mt.: Tsy misy fijanonana, tsy misy fitsaharana na fiatoana: Falifaly lalandava izy. ¶ M. h.: Mandrakariva. Ahitsio
Lalando: (Ski) a: Anaran-kazo fanao fanafody hatina. Ahitsio
Lalandy: a: Karazan'anan-dia maniry amoron-drano na amin'ny honahona, iray karazana amin'ny ravim-bomanga, ary fahandro na fanao salady. Ahitsio
Lalantsara: a,: Efitra elanelany natao ho toa lalana handalovana alohan'ny hidirana ao anatin'ny tena efitra. - F,-p,: Vaky ialantsara: enti-milaza trano misy efitra elanelanin'ny lalantsara, andaniny avy. Ahitsio