Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lalao: a: Fialam-boly na fialan-tsasatra, ka ny sasany fandaniana andro fotsiny, ny sasany fampitomboana herim-batana na herin-tsaina: Be lalao loatra ny zanakao no tsy androsoany amin'ny fianarana. ~ Lanonana misy zavatra mahafinaritra: Nisy bobo mahavariana tao antranom-pokonolona omaly. * Vazivazy: Misy manao la-lao ratsy izany. - t.i.f : Ilalaovana, tafalalao / milalao, filalao, mpilalao / ilalaovana, filalaovana f mahalalao I lalaolao I kilalao. Teny iray tarika: Kilalao, afakafaka, fampanononana ankamantatra, anjaingy, antsamotady, antsavily, antsefa, asampinga, baolina, daka, diamanga, fampitaha, fanalafihana, fandroribola, fanenjika, fangalampiery, fanorona, hazakazaka, kanety, katro (katra), kifanimpanina, kiombiomby, kindriandriana, kivarivary, kizanajanaka, moraingy, piarapiara, raboka, ralanitra, sabaka, raosijamba, an-kitsapaka, renin-jaza, sadoka, saribakoly, savoandanitra, tandrimo, tanisa, tapi-ka, tamaboha, tongodovia, tongokazo, tolona, totohondry, tsipilavaka, tsongolobatita, tsontsorimamba, valala manjohy, vatokely miara-ma hita Ahitsio
Lalaovina: anaovana vazivazy: Aza kinianiavina toy izao ah o. Ahitsio
Lalaovina: (lalao) mt ih. (lalaovy): Atao kilalao, atositosika na dakana na atsipy mba hahafinaritra ny tena sady handaniana andro: Lalaouin' ny salsa ilay kiborin-taretra. - Ihomehezana, hanihanina: Aza lalaouinareo ange, rankizy, io vehivauy adala io. 1 Andaniana andro amin'ny fanaranam-batana: Holalaoutny fotsiny io uehivavy io fa tsy halainy ho vady velfuely akory. Ahitsio
Lalarana: na Lalarina (balatra) mt. ih. (lalaro): Soritana a min'ny lelan-javamaranitr& Ahitsio
Lalatra: a.: Soritra na tataka kely amin'ny hazo atao a min'ny lelan-java-maranitra; kaokan'ny dian-javatra; ny mikiaka, i ai. f.: Lalarana, lalarina, voalalatra / mandalatra, fandalatra, mpandalatraf andalarana, fandalarana / laladalatra. Ahitsio
Lalerina: Jer. Tain•dalerina, tay. Ahitsio
Lalikera: (fr. la liqueur) a.: Karazan-zava-pisotro mahery. Ahitsio
Lalimanga: a.: Karazan-dalitra mangamanga, lehibe noho ny lalitra tsotra, fia mipetapeta ka amin'ny maloto ary matetika manatody eny amin'ny hena ka mahatonga azy ho maimbo haingana. * F.-p, :Manao lalimanga: kamo tsy miasa fa mandehandeha fotsiny ombieny ombieny, manao asa milalotra ela. Ahitsio
Lalimoara: (fr. l'armoire) a: Fanaka lehibe, hazo na metaly, lava tsangana ary misy varavaana, natao indrindrahametrahan-damb& Ahitsio
Lalina: p.t.: Enti-milaza izay misy elanelany be ny tampony na ny vavany sy ny fanambaniny na ny vodiny:Lalina it? rano ity (mifanohitra: Marivo). / Latsaka tao anaty teuana lalina izy. ¶ M. h.: Mangitsokitsoka. ~ Entimilaza teny na hevitra voafototra tsara, tsy misafosafo ivelany fotsiny: Lalina ny hevitra naposak'ilay mpandahatra 1 Fatratra, mahatalanjona, lehibe: Lalina izy raha hikabary. / Lalina ny fahoriana nahazo azy. - t.i.f.: Alalina, halalfnfna, voalalina / mandalina, fandalina, mpandalina / andal'mana, fandalinana / manalalina, mankalalina / lalindalina. * F.-p.: Heui-dalina: fisainana saro-takarina ka raha tsy misy manazava na mfvaofy tsy azo tsars. I Lalina aty: enti-milaza ireo vilia na fitoeran-javatra toy ny tavoara, fzay kely ny vavany fa ny atiny kosa tsy araka izany fa lalina. / Lali-nofo: enti-milaza ny tany izay tsara ary tafidina hatrany ambany ny nofon-tany ao aminy. / Lalinkatoka: olona mahia izaY keoka ny hatony. / Lalin-tsaina: manana toe-tsaina sy fahaizana mahataka-javatra sy misaina fatratra. 1 Lalim-paka: mamaka lalina ny fakany ary tsara faniry, mafy orina. f Lalina izany: teny voateny raha mahare zava-manaitra sy manohina ny sains. I Lalina fa..: entina hitarihana ny teny izay holazaina raha misy zavatra manaitra na manobina ny saina hambara. i< Ohab.: Lalim-panihika ka rendra ny fotaka: enti-milaza ireo ta hahazo trondro diso tafahoatra kanjo fotaka no azo; fananarana mba tsy hikendry fotsiny nyhahazo betsaka fa izay tsara sy mendrika, na kelikely aza / Vary amin-dronono tond rahantantely ka tian-ko lalina indrindra: enti-milaza zavatra tiana ho amin'izay hahatsara azy indrindra. Ahitsio
Lalitra: a.: Bibikely misy elany roa fatra-pipetrapetraka eny rehetra eny ka mitondra loto amin'ny tongony na ny faraingom-bava fitsentsefany, ary izany no mahatonga azy ho mpamindra aretina tsy anerany. bti.f.: Lalerina. * Ohab.: Matimatim-pitia toa lalitra ka mitsoboka alohan'ny sotro: enti-milaza izay maimay hanao zavatra ka tsy mahalala izay hahafaty azy akory. Ahitsio
Lalitra: a: Anaran-karatra filalaovana iray izay misy sari-na kodiadiamborona. Ahitsio
Lalitromby: a: Lalitra makadiry toy ny lalimanga fa mainty. Ahitsio
Lalivay: (fr. le levain) a: Koba navela hiotrika elaela izay a fangaro amin'ny ranon-koba hanaova-mofo mba hampibontsina sy hampitombo azy rehefa andrahoina: Mofo tsisy lalivay. Ahitsio
Lalo: a. sady ft. i Lalovana / mandalo, fandalo, mpandalo / andalovana, fandalovana / lalodalovana. Ahitsio
Laloana: (fr. la loi) a: Fomba nanononana taloha ny hoe Lalàna. Ahitsio
Lalodalovana: p. t : Marenindrenina, tsy mahare tsara: Lalodalouana koa Ingahy it? ka! Ahitsio
Lalomena: a: Soavalindrano. Ahitsio
Lalona: a: Karazan-kazo fanaovan-trano. Ahitsio
Lalorina: (lalotra) mt. ih. (lalory): Asiana lalotra: Nolaloriny tsara ny tranon-dRabe. Ahitsio