Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lalovana: (lalo) mt. ih. (lalovy): Aleha eo akaiky nefa tsy idirana: Aza lalouana fotsiny ny sakaiza e! • Seranina eo akaiky: Lalouan'ny renirano ny tanànanay. ? Tsy raharahaina: Tsy tsara raha lalouan'ny ankizy ny tenin'ny ntaolo. ~ Dinganina: Tsy tokony holalouana ny ray aman-dreninao amin'izany raharaha izany. Ahitsio
Lama: a: Fahalambolamboana. I t.i.f.: Lamaina, halamaina, voalama / mandama, manalama, fandama, mpandama / andamana, fandamana, fanalamana / mahalama / lama lama I malama. Ahitsio
Lamaina: (lama) mt.ih. (lamao): Atao malambolambo, tsy misy marokoroko na maraorao: Nolamainy tsara ny tehiny ny maraina tontolo. ~ Atao tonga mampibolisatra: Aza lamaina ny fidinana Ahitsio
Lamaka: a: Fandriana midaboka amin'ny tany. - t.i.f.: Alamaka, voalamaka, tafalamaka / mandamaka, fandamaka, mpandamaka l andamahana, fandamahana / milamaka, filamaka, mpilamaka I ilamahana, filamahana / mahalamaka / lamadamaka. Ahitsio
Lamako: a: Hazo roa lafy na taolana vazan'omby ampifampikapohina ohatra ny tanana asolo ny tehaka mba hivelezana ba na hanarahankira. - t.i.f: Mandamako, fandamako, mpandamako. - F.-p.: Lamako tsy mipaka: enti-milaza ny lamako tsy te-na ampifampipehina fa atao tahaka ny ambana fotsiny. ~ ho.: Raharaha tsy nahavoa, nandamoka. Ahitsio
Lamalama: (Ski) a: Talaho, fombam-bavaka ataon'ny tromba. Ahitsio
Lamandy: (fr. l'amende) a.: Sazy vola: Nosazin'ny fitsarana lamandy roa alina izy tamin' ny nanaovany risoriso. Ahitsio
Lamba: a: Zavatra anaovana ny akanjo, vita arnin'ny kiran-javamaniry, toy ny rongony, landihazo, rofia, izay tadina dia tenomina, — na a min'ny akoran-dandy izay folesina sy ahasina amin'ny ampela dia aira sy tenomina — na amin'ny volon'ondry lava sy matevina tenomina: Lamba inona no nanaovana iny akanjonao iny? ~ Tapadamba lavalava anisan'ny fitafian'ny Malagasy, izay a taony mandrakotra ny soxony ka asampfny amin'ny tomba samihafa: ny lehilahy manao azy fola-droa, ny vehivavy manao sampin-kavia na sampin-kavanana na sampimbalaka izay atao koahoe "tari-joro": Tsy mety, hoy ny Ntaolo ny mitafy lamba eo imason'ny tompony. • Fanafohezana ny hoe "lambamena": Miomana ny hamono tomba an-draibeny sy renibeny ry zareo ao atsimo. - t.i.f.: Alamba, voalamba, lambaina I mandamba, fandamba, mpandamba / andambana, fandambana. - F,-p.: Lambajiafotsy: lamba atao amin'ny rafla. /Lamba jabo: lamba izay ny tenany rofia fa ny fahany land'rhazo. / Fahamborodamba: ny tenany rofia fa ny fahany vorodamba. / Lamba rongony: lamba natao tamin'ny rongony. / Lamba landihazo; bomba landy; bomba akotffahana: natao amin'ny landikely ka vita tenona mihitsy ny sorany. f Lambam-piraka: lamba tsotra saingy nopetapetahana zava-mamiratra ny manaraka ny sisiny. / Lam ba sarika: natao tamin'ny kofehy madinika nosarihana tamin'ny vatan'akondro. / Lamba arindrano: lamba tenom-betsileo, misoratra ma inty sy fotsy na haboka sy fotsy ny elanelany. / Lamba rano: lamba landihazo madini-tenons sady manify saiky kararavina ary nasiana loko manga mainty, ka natao lamba fisaonana. / Angoronandamba: ilazana ny olona efa leo laza amin'ny halatra ka vao mandala dia ahoron'ny olona ny lambany mihahy. / Latsa-damba: enti-milaza ny vehivavy diso fitondran-tena tamin'ny lehilahy iray. f Ma-,mono lamba: anambarana ny famonosan-damba ny maty na ny razana ao am-pasana. 1 Manary bomba: olona efalasa adala sy foka ka mandeha a min'izao tsy mitafy lamba. / Mandidy lamba: taloha dia nafatotry ny olona tamin'ny zoron-dambany ny vola, ka iny no nodidian'ny mpangalatra, mitovy karazana amin' ny mpangarom-paosy ankehitriny. / Mandihy tsy torahan-damba: ilazana ny olona diso faly loatra ka avy hatrany dia mandihy tsy maharay lamba hatao sikfna akory. f Manenda-damba: ilazana ny ataon'ny mpangalatra sy jiolahy manendaka ny lamban' ny mpandalo tojo azy. / Ma-vo lamba: ireo olona tsy mba mihaingo ka heverina ho mahantra, na dia tsy izany loatra aza. / Mijery lamba vaky: tsy miraharaha ny havany rovi-damba, manao asa azy. J Misampin-damba: ilazana ny fomba fitondrana ny lamba, sy fametrahana azy eo ambony soroka. / Mpitan-damba: ilazana ny naman'ny mpiady mipetraka ery an-tsisiny ary mitana lamba fa tsy mba miady. • h.i.: Ireo rehetra tsy mbaman dray anjara amin'ny zavatra iray atao, fa mitazana fotsiny. / Ram bon-d am ba: ny vola entina mitsapa alahelo ny mana-manjo. / Rouidamba ririnina, mosarempahauaratra: enti-milaza ny olona ao anatin'ny tena fahoriana na niharan'ny fahavoazana lehibe. J Tari-damba: fitafy lamba misy miramborambo mitehika amin'ny tany. / Tsy mahatan-damba: enti-milaza olona izay voasinton-javatra mafy ny sainy ka tsy voatafiny intsony ny lam bany. * Ohab.: Lamban'akoho ha faty no isarahana: enti-milaza izay rehetra tsy misaraka amin'ny tena raha tsy noho ny fahafatesana. / Lamban' Ikaladala: roui- tsisin'ny mpindmna: aoka samy hitandrina ny fananany ka tsy ho morainy na be indrafo loatra ka ny mpindrana indray no hanjakazaka aminy mandra-pahasimbany. J Manao sora--damba tsy tian'ny mpanjaka: enti-milaza ireo tsy manao araka ny sitrapon'ny mpanjaka (taloha ireny, fony fahampanjaka tsy refesi-mandidy, dia nofaizina mafy). /Mitafy lamba eo imason'ny tompony: enti-milaza ireo tsy tahotra tsy henatra ka mampidera ny zava-nindramina amin'izay nampindrana azy. J Ny fitia sora-damba: samy manana ny tiany ny olona ka tsy misy azo terena ho tia an'it? na iroa. J Touovauy tsy endrehin-damba sarika; tsy adidiko fa adidin-dreniny: raha misy tanora tototry ny soa nefa mbola tsy mahomby ihany, ny ray aman-dreny no mahazo tsiny. Ahitsio
Lambaina: (lamba) mt. ih. (lambao): Alaina amin'ny lamba: Ataouy eto ambony tsihy eto ny valala nolambainareo. Ahitsio
Lambaina: p.t.: Betsaka: Lambaina ny valala tamin'it? lohasaha it? izany. Ahitsio
Lambamena: a,: Lamba vita amin'ny landibe, izay matetika miloko mena antitra, a-tao famonosana ny maty no-ho izy mafy tsy mety 10, ne-fa ataon'ny zokiolona fitondra ihany koa rehefa mianjaika amin'ny andro iray. * Ohab.: Izay sahy maty no mifono lambamena: ny sahY ihany no mahavita zava-dehibe mendri-piderana. Ahitsio
Lambana: a: Fipaohana, fifaohana zavatra, na fandavoana, fandringanana indray mandeha daholo, na filavoana, fianjerana, fahafatesana betsaka indray miaraka, toy ny miaramila maty an'ady na ny olona matin'areti-mifindra. - t.i.f : Lambanina, alambana, voalambana 1 mandambana, fandambana, mpandambana 1 andambanana, fandambanana 1 mifandambana, mampifandambana, mampandambana 1 milambana, filambana 1 mahalambana. • F.-p.: Lambam-bary (a.b.t.: vary midaboka amin'ny tany azon'ny ranonorana na ny rivotra): voa avokoa tsy misy afaka: Lambam-barin'ny fahavalo ny miaramila. Ataon' ny tazon-karena lambam-bary indray miankohoka amindRavola ny vahoaka (Ravelojaona). Ahitsio
Lambana: a: Ravin'akondro a-tao solom-bilia fihinanana; ny ambain'ny tsihy, hazofisaka, ngorodona, varavarana. 1 t.i.f.: Lambanana, alambana, voalambana 1 mandambana, fandambana, mpandambana 1 andambanana, fandambanana 1 mahalamba na 1 lambandambana. - F.-p.: Main-dambana: entimilaza ny fonon'ny babinkatsaka hita maina, izay fambara fa efa masaka ny katsaka. Ahitsio
Lambana: a: Ny fehezan-drindra hanaovana tsihy na mahavita tsihy fray. - t.i.f.: Lambanana 1 mandambana. Ahitsio
Lambanana: (lambana) mt.ih. (lambano): Temerina tsfhy; asiana peta-kazo. Ahitsio
Lambanana: (lambana) mt. ih. (lambano): Atao am-pehezana Ahitsio
Lambanana: a: Ny sakan'ny lamba: Be lambanana it? lamba it? izany. • Ny tsihy fihinanana velarina rehefa hisakaf o (izay misy manao koa hoe lambana, fa ny heno matetika indrindra dia ny hoe fandambanan a). Ahitsio
Lambanina: (lambana) mt. ih. (lambano): Faohin'ny fahafatesana, ringanina: Nolambanin'ny gripy espaniola ny mponin'it? tanàna it? tamin' ny taona 1919. Ahitsio
Lambenana: Jer. Lembenana. Ahitsio
Lambinana: a.: Karazan-kazo fanaovan-trano na taozavatra. Ahitsio