Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Loiloy: a: Rikoriko, faniriana ta handoa. 1 Maloiloy 1 mampaloiloy, mahaloiloy, mankaloiloy. Ahitsio
Lojo: na Lojy a, (fit,-p,): Voanemba na tsiarldrafy. Ahitsio
Lojy: (Ski) a: Tsiaridrafy. Ahitsio
Loka: a.: Fanamby ifanaovana: Andeha hanao loka, hoy ny sokatra tamin'ny bitro, fa izaho no ho tonga uoalohany er? ambody hazo er?. ~ Zavatra omena an'izay mahazo amin'ny fanamby: Inona no hatao 1oka, hoy ny bitro tamin'ny sokatra? ~ Lalao ifanambazana vola, ka ny mahazo dia izay maharesy (karatra), na izay naka ny mahery (baolina), na izay naka ny tonga voalohany (hazakazatsoavaly): Lany tamin'ny loka ny fananany. ~ Valisoa omena an'izay voalohany amin'ny olona maro nifaninana: Anio no fizaran-doka ho an'ny mpianatra ao Ananona. i ai. f.: Aloka 1 miloka, filoka, mpiloka 1 ilokana, filokana 1 mahaloka I lokaloka. ? F.-p.: Azo loka, maty loba, resy loka: vos tamin'ny loka ka mandoa amin'ny mpandresy ny vola na zavatra nifanambazana, 1 Loka rano: loka faran'izay mora fa rano no sotroin'izay resy (enti-milaza loka tsy misy antony). I Loba tenany: amin'ny adin' akoholahy, ny akoho resy no lasan'ny tompon'ilay akoho nandresy. 1 Lokan'ny mpivady: teny na zavatra omen'ny lahy mba hampitonitony ny vavy. 1 Lokan'ankizy ka ny azo dia hanina: enti-milaza ny loka omena eo no ho eo. Ahitsio
Loka: a.: Fanipazana lefona, pala, fiadiana..., na fianarana miady arnin'ny lefona. - t.i.f : Lokana, aloka, voaloka I miloka, Moka, mpiloka 1 ilokana, filokana 1 mahaloka I lokaloka, Ahitsio
Lokaloka: (Tsm) a.: Vatan-kazo noloahana toy ny lakana atao fanomezan-tsakafo ny biby. ¶ M. h.: Tavin-dolana, kilàny. Ahitsio
Lokaloka: a.: Voadivoady, toky mafana. i t. L f : Milokaloka, filokaloka, mpilokaloka I ilokalokana, filokalokana. Ahitsio
Lokana: (loka) mt. ih. (lokao): Anipazana lefona. Ahitsio
Lokanady: a.: Dina na fanekena nifanaovan'ny miaramila hiady na hiantafika fahizay. (Anisan'ny lokanady nalaza fahiny ilay fepetra iray mitaky "ny fandoram-belona izay miamboho lehilahy", izany hoe miverina ilalana mandositxa ny fahavalo; azo heverina fa hatramin'izay no nahatonga ny fitenenana hoe "aleo mandroso ho faty toy izay miverin-ko may"). Ahitsio
Lokanga: a.: Zavamaneno malagasy mitovitovy amin'ny lokanga vazaha ihany, fa tsotra dia tsotra ny bikany; ny fikasohana dia atao amin'ny tsiraka taretra na tsiraka hodi-knzo toy ny lombiry, vihana; ditin-kazo manitra (ramy ) no ahosotra ireo tadiny, izay misy 4 ka hatramin'ny 7. - Lokanga hisatra: sarin tsarin- dokanga ataon'ny ankizy kilalao ka hisatra no ataony solon-tadin-dokanga. I Lokangam-bazaha: lokanga vita vazaha. / Lokanga uaua: lokanga vy kely hazonina arnin'ny nify dia tendrena arnin'ny tanana. f Lokanga uoataoo: Karazan-dokanga izay voatavo no atao reninY. ¶ M.h.: Jejy. * 0 hab.: Lokanga hisatra: tapaka andro nanaooana: entimilaza zavatra tsara fa tsy maharitra. 1 Lokanga tsy a-tao ka lehibe ny uoatauo: milaza ho tsy mahavita zavatra iray niangaviana azy, kanefa te hoderaina indray ka miteniteny momba ny fanaovana an'io zavatra io. Ahitsio
Lokangahisatra: a: Zavamaneno kilalaon-jaza natao tamin' ny zozoro maina anankiroa tokony ho irain-jehy mahery kely, ka iny zozoro iny ihany no nosokirina hahazoana tadiny. Ahitsio
Lokangavava: a: Zavamaneno tsofina, vita amin'ny tapa-by kely; ankinina amin'ny nify izy ary somary akombona kokoa ny molotra: ny rivotra avy ao am-bava no mampipararetra ilay tariby kely eo afovoany rehefa kitihin' ny fanondro. Ahitsio
Loko: a.: Sora-javatra: Vony sy maitso tanora ny lokon'ny tranony. ? Rano na vovoka noharoina ka mahatonga vo-]on-javatra sy sorany axaka ny karazany: Ampifangaroy ireto loko roa ireto fa ho tsara. 1 Dity anakambanana zavatra mba hiraiketany mafy: Ny taratasim-panjakana matetika dia uoadity amin' ny loko afo. i tif: Lokoana, aloko, voaloko 1 mandoko, fandoko, mpandoko 1 andokoana, f andokoana 1 miloko, filoko, mpiloko ) ilokoana, filokoana / mahaloko. ~ F.-p.: Loko rora: loko mi- Loi endrika zavatra lavalava. (Loko afo: loko fanaovana tombo-kase, izay dorana amin' ny afo ka mitsonika mitete ary iny mitsonika iny no apetaka amin'ny valopy ho filazana fa tsy misy mahazo manokatra azy io raha tsy izay tokony hanao izany. Teny iray tarika: Loko, fotsy, fotsy botsiaka, fotsy botsatsaka, fotsy bobo, fotsy manjopiaka, fotsy ranoray, fotsy hiaka, fotsy mangatsakatsaka, fotsy manganohano, fotsy mangatsohatso, fotsy ravoravo, fotsy hatsatra, mivolom-bolafotsy, mena, me-na vongatraka, mena mohatrakatraka, mena mangoràka, mena jaky, menafify, mena mangatrakatraka, mena antitra, mena mivaivay, mena dorehitra, mena hatraka, me-na ranombalahy, mena mangaka, haboka, menapiny, volondaoranjy, tamotamo, mivolom-bolamena, mihodibola, vonimpaiso, mavokely, mavo tanora, mavo, mavomena, mavo antitra, mavo mania, vony, vonivony, mazaza, mantsasaka, vololona, maitso tanora, volondomotra, manga tanora, maitso mavana, maitso milenodenoka, maitso antitra, manga, manga volondanitra, manga antitra, nifinakanga, angana, volomparasy, volondavenona, frandrilavenona, volombatolalaka, volomboahangy, volonkary, mania, volontakatra, mainty, maintimainty, mainty vasoka, miarimbilany, mainty ngilo, mainty ngizina, mainty piso (piripiso), mainty ngaly, merona, ngerona. Ahitsio
Lokoana: (loko) mt. pdr, na th. (lokoy): Asiana loko: Nolokoany mena dorehitra ny tranony. ? Asiana dity hipetaka: Lokoy tsara ny valopy. Ahitsio
Loky: na Lokiloky p. t : Toran' ny hehy: Loky, lokilokin' ny hehy: Vaky mihomehy fatratra. Ahitsio
Lolana: a.: Hontsam-bilany na vilia. - F.-p.: Ranon-dolana: ranona hontsam-bilia. Ahitsio
Lolitra: Mitovy amin'ny Lolotra. Ahitsio
Lolofotsy: a: Lolo kely fotsifotsy fatra-panatonkatona ny jiro mirehitra. * Ohab.: Mitono teno toa lolofotsy: Mankaha-doza, manao vy very ny aina. Ahitsio
Loloha: (loha) a: Fitondrana zavatra an-doha: Loloha kitay; na zavatra mitatao ambonin'ny loha: Loloha lanitra ka samy mitondra ny tandrifiny. • Ny havana akaiky izay sahirankirana na mananosarotra amin'ny fivelomana ka adidin'ny tena ny manohana azy: Lolohanao ireo antitra ireo ka tsy azonao ariana amin'olona. i tif: Lolohavina, aloloha, voaloloha / miloloha, filoloha, mpiloloha / ilolohavana, filolohavana pmahaloloha. - F.-p.: Loloha aman'entana: havaria akaiky tsy azon' ny tena ialana fa tsy maintsy velomina sy karakaraina. / Entin-doloha: enti-milaza ny vehivavy maty vady alain' ny rahalahin'ny vadiny ho vady indray. / Mizaka Loloha: manohana havana akaiky sahirankirana / Tsy mahazaka loloha: tsy tia na tsy afaka manohana havana mila fanampiana. * Ohab.: Loloha lanitra ny fiainana ka samy mitondra ny tandrifiny: enti-milaza fa ny olona rehetra dia samy manana ary mizaka ny anjarany avy. Ahitsio
Lolohavina: (Ioha) mt. ih. (lolohavy): Entina an-doha: Asio halana uao loiohauina ny siny. • Hajaina fatratra: 010-na lolohauiko an-tampon'ny loha ianao, tompoko, ka tsy azoko tsiratsiraina. Ahitsio