Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lôtô: (fr. loto) a: Karazan-kilalao an-tsapaka: izarana ba oritra misy tarehimarika hatramin'ny 1 ka hatranrin'ny 90 anaty efitrefitra ny mpilalao, ka izay mahafeno voa lohany ny efitrefitra amin' ny baoritra eny an-tanany amin'ny vato misy tarehimarika hatramin'ny 90 koa izay sarihana an-tsapaka, no maharesy. Ahitsio
Lotoina: (loto) mt ih. (lotoy): Asiana loto: Aza lotoina ny rano, rankizy al • h.o.: Endrikendrehina, hosoram-potaka: Nolotoiny ny raiko ka tsy manaiky aho. 1 Zazavavy anaovana an-tery, alaina ankery, anaovana angovy: Nolotoin'ilay zazalahy ny zanaka uauin-dry zareo ato aûaratra mbola tsy tonga taona Ahitsio
Lotra: ft.: Fandorana ho may ary fanalana ny volon'ny biby na voronahovonoina. i tif: Lorana, voalotra f mandotra. Ahitsio
Lotsaka: p. t.: Milona ao anaty rano ka mita ho motska, ho levona ao, toy ny baingantany difotra ao anaty rano, ohatra. 1 Alotsaka 1 milotsaka, filotsaka. Ahitsio
Lotsika: Mitovy amin'ny Potsika. Ahitsio
Lotso: ft.: Fanaovana izay hampandeha betsaka ny nonon' ny renin'ny zaza na ny rononon'ny omby terena. i ti.f.: Mandotso, fandotso, mpandotso f andotsoana, fandotsoana f mpandotso I ampandotsoina f ampandotsoana, fampandotsoana. Ahitsio
Lova: a: Vola na fananana navelan'ny ray aman-dreny ho an'ny zanany: Nahazo loua be izy, ? h.o.: Toetra, aretina nafindran'ny ray amandreny na ny razana tamin'ny taranany: Hatsaram-panahy no hany lovany tamin'ny ray aman-dreniny. - t.i.f.: Lovana / mandova, fandova, mpandova / andovana, fandovana I mahalova 1 lovalova. ? F.-p.: Lova tsy mifindra: lova tsy mivoaka ny fianakaviana; (mba hahatanteraka izany, dia nifanambady mpihavana ny Ntaolo). Ahitsio
Lovabe: (lova) a: Harena tsy mba zarain'ny ray aman-dreny amin'ny mpandova mba samy hizaka ny anjarany tsirairay avy, fa apetrany amin' ny lahimatoa na ny vavimatoa. Ahitsio
Lovana: (loua) mt. ih, (louao, lovay): Azo na raisina avy a min'ny ray aman-dreny: Vo-la kely fa tany betsaka kosa no nolovany tamin'ny ray aman-dreniny. / Aretina nolouany tamin'ny reniny io. Ahitsio
Lovana: a: Ireo hazo roa eo andany sy ankilan'ny vavahadim-bohitr'omby izay noloahana rnifanandrify mba hidiran'ny tsivalany rehefa hidiana ny vala. (Ny olonaantitra efa konka izay tsy afamitra ka intsony rehefa mipetraka ka manjary avo noho ny lohany ny ibhaliny roa dia na-tao hoe '.'rnidi-dovana" satria noharina amin'ny lovana ny lohaliny roa amin'izay). Ahitsio
Lovantsofina: (loua-sofina) a: Tantara niampitampita am-bava fa tsy mba voasoratra ka tadidin'ny taranaka mifandimby. Ahitsio
Lovia: a : Tanty vy na porisilaina talesaka atao fasiana ny sakafo loarana, vilia: Vary iray lovia. Ahitsio
Loviana: (Br) a: Tata-drano, indraindray avy lavitra be, mitondra rano hanohofana tanimbary. Ahitsio
Lôvina: (lo) mt. ih. (louy): A-tao tonga lo: Mbola holouin' ny fahafatesana ao am-pasana itonyvatantsika itony, Ahitsio
Lovoka: (Skl) a: Helo-drano. Ahitsio
Lovoka: a: Milaza tsato-kazo, tsatoka, saingy tsy dia fampiasaloatra. ¶ M.h.: Lozoka. Ahitsio
Lovoka: (Btm) a: Dobo, antara. Ahitsio
Loza: a: Zavatra mampahita fahavoazana lehibe, toy ny fahafatesana, faharavam-pananana, ans...: Saika nahita loza Rabe tamin'ny diany farany tao. ~ Zavatra miterapahavoazana lehibe ho an' olon-tokana na maro: Tsy misy loza mihoatra noho ny adim-pirenena ¶ M.h.: Voina, antambo, loza aman'antambo. ~ p. t.: Masiaka izaitsizy: Olon-doza, hono, izany Néron izany. 1 Enti-milaza olona na zavatra mampitola gaga, tsy eran-tany (na amin' ny lafiny tsara na amin'ny lafiny ratsy): Loza Ikoto raha hihazakazaka. 6 tif: Lozaina, voaloza 1 mandoza / mpandoza 1 ampandoza / ankaloza / manka loza / ankalozana, fankalozana / mahaloza f halozana, fahalozana / nahandoza. - F.-p.: Afa-doza: enti-milaza olona efa teo ambavahoanan'ny loza nefa afaka soa a man-!sara 1 Idiran-doza: tratra, voan'ny loza. / Lozabe: masiaka aoka izany. / Lozanjavatra: zavatra mampitola gaga. 1 Lozan-tany: fatratra izaitsizy, tokana aman-tany. / Mampidi-doza: mampahita loza, mamohehatra. / Mamoheha-doza: miteraboka-doza./Manome loza: miampanga tsy marina. / Mihomehy loza: maneso olona amin'ny fahavoazany, mandatsa /Nahita loza foana teo isika: voalohan-teny lazain'ny mpamangy rehefa mamangy manjo. / Mananty loza, manaton-doza: mitsena loza, mitono tena amin'ny loza, manatom-paty. ¶ M.h.: Manao vy very, manao anjolofo, manaboamaty, mananty voina, manao mosalahy. ¶ M. h.: Antambo, loza aman' antambo, zo, voina, angano, angano latsaka, faisana, fahonana, sampona, tambàna, tra-doza, tra-boina, idirandoza, iharan-doza, idiran'angano, mahita angano, fohehatra, voan'ny patsa iray tsy omby vava, voan'ny tain'akoho mahalavo, sendra ny mangidy tsy telina, mampidi-doza, mamohehatra, mainpiditra angano, mamoa-tsampona, mahatsiravina. Ahitsio
Lozaina: (loza) mt ih. (lozao): Voan'ny loza; voan'ny ratsy nataon'ny tena ihany. Ahitsio
Lozitra: a : jer. Lozoixa, Ahitsio