Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mahavanona: (vanona) p. t.: Mahatonga ho vanona: Ny toetra amam-panahy no mahavanona: Ahitsio
Mahavantana: (vantana) p. t. na mt.p.: Tsy manavia ka mora aleha: Mahavantana ahy ity hotely ity • Teny tsotra ka mora tononina: Mahavantana n? vava ny anaran'i Hery kely. Ahitsio
Mahavariana: (variana) p. t.: Mahagaga, mahatalanjona. Ahitsio
Mahavatra: (vatra) mt.p. (mahavàra): Mahakarakara na mahakolokolo mandrakariva: Mahavatra manondraka ireo voninkazo ireo isa-maraina izy. 1 Mahatozo amin'ny fanaovana izay hahasoa: Mahavatra mifoha amin'ny dimy maraina isan'andro izy mba hahandro vary ho an'ny vadiny. Ahitsio
Mahavavy: a.: Karazan'ahitra maniry any anaty rano. Ahitsio
Mahaverizoky: a.: Karazam-balala. Ahitsio
Mahavoa: (voa) mt.p. na mt.s. (mahavoàza): Mahatratra, mahakasika: Tsy mahavoa ahy avy eo ianao. ? Mahazo: Tsy nahavoa ny fandriha nataonao. • Maharesy, mahaf aty antoka: Tsy fitandremana kely foana dia mety mahavoa. ? Mahomby: Tsy mahavoa io mpisolovava io fa ialao. Ahitsio
Mahavodivodiana: (vodivodiana) p• t.: Mampamahimahfna. Ahitsio
Mahavokatra: (vokatra) mt.s. na p.t.: Afaka hahavokatra: Tany mahavokatra Ahitsio
Mahavoly: (voly) P. t. namt.p.: Mahatonga ho voly, mahasavolaina. Ahitsio
Mahay: (hay) mt.p. (mahaiza): Nianatra ka mahafantatra tsara ny momba azy: Mahay marika ny zanako. ? Mahalala: Mahay zavatra betsaka io Rangahy io. ? Afaka mahavita: Tsy mahay ny ratsy Andriamanitra. ? Mahatanty, mahalefitra: Tsy mahay mihafy ny tanora ? A-faka mifampiraharaha, mifankahazo amy..,: Tsy mahay an'io Ramatoa io aho, ? Afaka hifehy: Mahay ny ankohonany tsara Rabe. - F.-p.: Mahay manavia manauanana: (jar. havanana). / Ahitsio
Mahay: olona: ilazana olona mora mihavana sy mifankahazo amin'ny hafa. l Mahay rano: Ilazana ny olona mahay milomano. / Mahay roa: (mazava ho azy). /Mahay ta-ratas y: ilazana ny mahay mamaky teny sy manoratra. / Mahay vava: manao teny tafahoatra sy tsy mifidy teny havoaka eo am-pifamaliana amin'olona. / Mahay zavamaneno: mahay mitendry na mitsoka zavamaneno. / Mahay zavatra: havanana amin' izay ataony, indrindra fa izay nianarany. / Olo-mahay: olona be fahaizana noho ny fianarana vitany sy ny fikarohana nataony ka mety hahaforon-javatra na hampijoro foto-pampianarana. * Ohab.: Lelan'omby: mankao am-bava, mahay; mankao an'orona, mahay: entimilaza ny olona mahay milaza tsara sy mahay milaza ratsy ny hafa. / Ny mahay rano ihany no maty an-drano: raha misy rano lalina, tsy ny tsy mahay milomano akory no sahy hiroboka, fa ny mahay ihany, ka amin'izany no mety hahafaty ny mahay rano. / Ny tsy mahay sobika mahay fatambary: enti-milaza fa samy mba manan-javatra hainy avy ny olona, ka na tsy mahay zavatra lehibe aza ny sasany, mba mahay zavatra madinidinika kosa. / Raha mahay manana, manan-droa; raha tsy mahay manana, votso-droa: enti-milaza olona be famaritra loatra ka mety hahazo betsaka na tsy hahazo na inona na inona akory. / Sotrobe lava tango: sady mahay atsy no mahay aroa: ilazana ny o1ona mihatsaravelatsihy izay tsy menatra ny hanaratsy rehefa any amin'ny ilany, ary hanao toy izany koa any amin'ny an-daniny. / Tsy nisy nahay hatrany an-kibondreniny fa ny mitan-tsotro aza ianarana: enti-milaza fa tsy misy mahay avy hatrany — na dia ny zavatra tsotra a za — fa tsy maintsy mianatra vao mahay. / Tsy misy mahay mandeha tahaka ny akoho fa raha mandeha an-tsahafa solafaka: aoka hitandrina na dia izay milaza azy ho mahay aza fa raha sendra ny sarotra mety ho voa. Ahitsio
Mahazaka: a: Tady makadiry: Mamatotra omby amin'ny mahazaka. 1 p.t.: Afaka na tia mitondra: Tsy mahazaka an'io entana io aho. ~ Mahalefitra, mahatanty: Tsy mahazaka ny teny fanarabiana izy. Ahitsio
Mahazendana: (zendana) p. t.: Mahagaga, mahatalanjona, mampitampim-bava. Ahitsio
Mahazina: (zina) mt.p.: Mahatonga ho zina, vokatra be. Ahitsio
Mahazo: (azo) mt.p (mahazoa na mazahoa): Tonga, manjary manana: Nahazo namana mahafatra-po aho nahita azy. ? Mandray, tonga tompon-javatra: Nahazo vola be izy tamin'io raharaha io. 1 Voan' (ny aretina): Nahazo aretin-kibo aho tany amin'ny nalehako tany. 1 Mahasambotra: Iza aminareo no nahazo it? trondro gasy ity? ? Mahatakatra hevitra: Tsy nahazd akory izay nouakiny izy. Ahitsio
Mahefa: (efa) mt.p. (mahefà): Mahavita: Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra / Mahefà be e! ! Mahafaty (ain' olona): Tsy mahefa ain'olona aho. 1 Mahaloa: Atolory ny fanjakana io fa tsy nahefa trosa. Ahitsio
Mahela: (ela) mt.p.: Mahatonga ho ela: Inona no nahela ny dianao? Ahitsio
Mahelanaka: (lanaka) p. t: Mahareraka, mahatrotraka: Mahalanaka izany andro izany. Ahitsio
Maheriravina: a.: Karazan-kazo. Ahitsio