Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamantatra: (fantatra) mt.p. (maman tara): Manao izay hahalalana: Namantatra ahy mafy izy fa tsy nahalala ? Maminany: Mahay mamantatra ny toetra amin'ny soratra, hono, Rangahy io. Ahitsio
Mamantoka: (fantoka) mt.p. (mamantoha): Mamantsika. Ahitsio
Mamantsika: (fantsika) mt.p. (mamantsiha): Mandraikitra amin'ny fantsika: NY iray firenena aminy ihany no namantsika an'i Kristy tamin' ny hazof'rjaliana ? h.o.: Mitana mafy, mikiribiby amin' ny vidin-javatra lazaina. ? h. L: Enti-milaza ny atody efa ho foy ka ahitana ohatra ny tevi-panjaitra menamena:E-fa mamantsika ireto atody telo ireto. Ahitsio
Mamantsona: (fantsona) mt.p. (mamants6na): Mandefa rano ao anaty fantsona: Hatti' ny dokotera ny mamantsona ronono ny marary tenda. Tsy inona tsy akory fa misy diso tsipelina maromaro: mamants6na, sy Hatti' Tokony ho: (fantsona) mt.p. (mamantsona): Mandefa rano ao anaty fantsona: Hain' ny dokotera ny mamantsona ronono ny marary tenda. Ahitsio
Mamany: (amany) mt.s. (ma-mania): Mamoaka amany, mivalan-drano. Ahitsio
Mamaoka: (faoka) mt p. (mamaoha): Manadio amin'ny fampandalovana lamba eo amboniny: Mamaoka vilia Ahitsio
Mamarafara: (Para, farafara) mt. p. (mamarafarà): Manao teny ierana ifanaovana. Ahitsio
Mamaraingo: (faraingo) mt.p. (mamaraingoa): Mahatonga hifaraingo. Ahitsio
Mamarana: (farana) mt.p. (mamaràna): Mamita, manapitra, manisy'farany: Izaho no namarana ny kabary anikeheo. * Manala ny romoromo: Efa namarana ny tsihy ve ianao? * Mampitovy tantana:Mamarana ny Iaharam-biriky. Ahitsio
Mamarina: (varina) mt.p. (ma-marina): Manosika am-pidinana, manjera: Nitetika ha-marina an-tevana an'Imboasalama zanak'anabaviny Andrianjafy, ka izany no nahatonga ilay fitenenana: "anadahin-dreny mamarina an-kady". ? Mandefa any an-tsiraka, any am-pita: Lasa namarina omby any Toliara izy. Ahitsio
Mamaritra: (faritra) mt.p. (mamarita): Manisy tsipika manodidina, mamala, mamangitra: Mamaritra tanimboly. ? Mametra: Ny tendrombohitra Bemaraha no mamaritra ny tanin'ny Sakalava aty atsinanana ? h.o.: Fa iza no mba hamaritra ny fahefako eto an-tokantranoko? - F.-p.: Mamari-body: manomboka asa na raharaha; enti-milaza koa izay mandrakotra ny vody lavabary, Ahitsio
Mamaritsoka: (faritsoka) mt. p. (mamaritsoha): Mikapoka amin'ny rotsakazo, kotopia, karavasy. Ahitsio
Mamarivary: (varivary) mt.p.: Manisy varivary ny tao. Ahitsio
Mamasavasa: (uasauasa) mt p. (mamasauasà): Mamakafaka hatramin'ny antsipiriany ma• dinika. Ahitsio
Mamasipasika: (fasika) p. t. : Marokoroko, maraorao, mandrotsirotsy. Ahitsio
Mamasoka: (vasoka) mt.p. (mamasoha): Manala baraka: Nahoana ianao no namasoka ahy teo anatrehan'ny mpianatra rehetra? Ahitsio
Mamato: (vato) p. t: Manjary mivonto. Ahitsio
Mamatona: (matona) p.t.: Eo afovoany. - F.-p.: Mamaton'alina: misasak'alina. /Mamaton-dranjo: eo antenatena ranjo./Mamatona ambony, mamatona ambany: enti-milaza ny lamba tenomina vita ny tapany amin'ny ambony na ny tapany amin'ny ambany. ( Ampamatonan-dalana: eo amin' ny fisasahan'ny lalana. / Ampamatonan-trano: eo afovoan'ny trano. Ahitsio
Mamatotra: (fatotra) mt.p. (mamatora): Mifehy: Mamatotra entana amin'ny kofehy. ? Mandrohy: Mamatotra adala * Managadra: Mamatotra mpangalatra amin'ny rojo vy. Ahitsio
Mamatovato: (vato) p. t.: Mivonto ka misy mafy sy malemy rehefa tsapaina Ahitsio