Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mafo: a: Aretin'omby tsy mamela mivalo. Ahitsio
Mafona: a: Anaram-bibikely amin'ny vatan'ny tapia. Ahitsio
Mafonja: (farda) p, t.: Mavesatra, madonda. Ahitsio
Mafotaka: (fotaka) p.t: Entimilaza osa, toy ny asa tanimbary be fotaka, izay sady betsaka no mampanahirana. ¶ M.h.: Marihitra. ? h.i.: Entimilaza raharaha mifangaro adin-tsaina mampanahirana: Nafotaka ny adiheuitra tao amin'ny zaikaben'ny mpampianatra Ahitsio
Mafotra: na Mafotrafotra p. t.: Enti-milaza zava-pihinana sady tsy be rano no tsy maina, mavoamboana. Ahitsio
Mafy: p.t.: Tsy malemy, tsy manana toetra mora vaky na mora potika: Mafy it? hazo it?. F• Tsy manana toetra malemilemy mahafinaritra ny tena: Mafy it? seza ib." fa tsy misy ondana hipetrahana 1 Enti-milaza izay ilana hery na ezaka ara-batana na aratsaina: Mafy ny raharahan' ny mpihady arintany. • Enti-milaza izay manery na mandidy izaitsizy: Mafy ny laldna nefa tsy maintsy arahina F! Matanjaka, manan-kerim-batana: Manatôna Rangahy raha mafy • Sarotra le-farina, manindrona, na henjana: Mafy izany teny izany. 1 Sarotra zakaina, mangidy: Mafy ny fahoriana nentin'io iehilahy io. ? Tsy mihontsina, tsy mety ketraka: Mafy io vehivavy io. 6 tif: Mafina, hamafina, hamafesina, hamafisinalmanamafy, fanamafy, mpanamafy 1 anamaflsana, anamafesana, fanamafiana, fanamafesana, fanamafisana 1 mahamafY 1 mafimafy 1 hamafY 1 hamafesana, fahamafesana. - F.-p.: Mafy fonosana: 1) enti-milaza zavatra (vola) voatahiry tsara ao amin'ny toerana azo antoka, sarotra alaina, 2) enti-milaza olona mahihitra, kahidy. / Mafy hatoka: be marenina sarotra atoro. / Mafy kely: tsy mitombo, hetry. / Mafy kibo: mitohana, m ah alam-piv alanana. / Mafy kitro: marenina, donto. / Mafy kitroka: mikiribiby amin'ny heviny, tsy azo ahodina — tsy mamela mahazo. / Mafy la: Mandà, tsy azo atao ahoana amin'ahoana. / Mafy loha: maditra, be kiry, be di-doha. / Mafy poketra: mahihitra, kahidy. f Mafy sofina: tsy mety manaraka ny anatra omena azy. j Mafy tadiny: marenina, tsy mihaino ny teny atao aminy. Mafy tahiry: (mit. hev.: mafy poketra). / Mafy tay: mitohana tsy mivalana — be tohika / Mafy uaua: tsy mety milaza izay tsy tokony holazaina, mahafehy vava. ¶ M.h.: Maozatra, komatry, matanjaka, tomady, avy ai-na, be aina, matomboka,hozatina, vokenana, fonetana. Manamafy, manofana, manatsohara; manantitra, mandalina; mankahery, mampahatanjaka, mampahavitrika Ahitsio
Magaro: a: Anaran-toaka gasy karazany iray. Karazan-karona efa-joro. Ahitsio
Maha: Tovona fanao eo alohan'ny anarana, mpisolo anarana na mpamaritra anarana, ka raha miaraka amin'ireo roa voalohany izy dia soratana misy tsipi-panohizana (-): Ny fanahy no maha-olona, io no maha-izy azy; fa raha miaraka amin'ny mpamaritra anarana kosa izy dia mety tsy hisy raha "mahatonga ho" no heviny: Mahatanora anao izao hety uoio izao, ary misy kosa raha enti-milaza ny maha-izao na izao: Mbola hita ihany ny maha-tanora anao. Ahitsio
Maha-ambany: Enti-milaza ny antony maha-tsinontsinona: Tsy fantatrao ve ny maha-ambany izao toetranao feno lainga sy fitaka izao? Ahitsio
Maha-olona: mt.s.: Manome toetran'olona: Ny fanahy no maha-olona. Ahitsio
Maha-tanora: (tanora) mt.p.: Antony ilazana fa tanora: Mbola hita ihany ny mahatanora anao. Ahitsio
Mahabahana: (bahana) mt.a: A-faka na tia mibahana. Ahitsio
Mahabaiko: (baiko) mts.: Afaka na tia mibaiko, Ahitsio
Mahabaka: (baka) mt. s.: Afaka mibaka. Ahitsio
Mahabanabana: (banabana) nit s.: Afakamibanabana. Ahitsio
Mahabandrina: (bandrina) mt. p.: Afaka na tia mibandrina. Ahitsio
Mahabango: (bango) mt. p.: A-faka na tia mibango. Ahitsio
Mahabanjina: (banjina mt, p.: Afaka na tia mibanjina. Ahitsio
Mahabaraingo: (baraingo) mt s.: Afakamibarafngo. Ahitsio
Mahabarera: (barera) mr.a: A-faka mibarera. Ahitsio