Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mamezaka: (fezaka) mt.p. (mamezaha): Mampahanify. Ahitsio
Mamezatra: (vezatra) mt.p. (mamezàra): Mamaha na manokatra zavatra an-keriny amin'ny fan drori tana mafy ny vavany. Ahitsio
Mamezaveza: (vezaveza) mt p.: Manokatra mangotanatana. Ahitsio
Mamezimbezina: (vezina) mt. p.: Mampixondrbna; mampivembèna. Ahitsio
Mamezivezy: (veziuezy) mt.p. (mameziveze): Mampitototôto ats? sy ary: Mamezivezy tokoa ny fitadiavan-karena. • Mahatonga ny sainahiroahana. Ahitsio
Mamezovezo: (vezovezo) mt. a: Mil a ady, mita vaniny. Ahitsio
Mamia: (fia) mt.p. (mamiaza): Mangeja, mangia, mangehy, mamihina mafy: Mafy loatra no namiazako ilay voronkely ka maty tao anaty tanako tao ilay izy. • Mamoritra: Misy mamia voankazo hafa noho ny voaloboka hanaouana divay. • Manery, mamoritra: Aoka tsy hamia mafy loatra ny olom-pehezina ny mpitondra Ahitsio
Mamiaka: Manapiaka (piaka) mt. p, (mamiaha, manapiaha): Manapaka, miaraka amin'ny feo kely heno: Mamiaka, manapiaka rantaankazo. Ahitsio
Mamihina: (fihina) mt.P• (mamihina): Mihazona ao anatin' ny sandry anankiroa; mambomba. * F.-p.: Mamihim-bau a: mihazona ny vava tsy hiteny. /Mamihin-tanana: manakambantanana na manao ny tanana roa eo anoloana ka mifamihina na mifampihazona izy roa. j Mamihin-tena: manakambana ny sandry hiendritanam-bokovoko eo an-tratra ka mamihina azy mafy eo. ¶ M.h.:Mamia, mangia, mangeja, mangehy, mambeda, manotrona, mambomba, manomba, manohona, mibeda, mangaika. Ahitsio
Mamihitra: (frhitra) mt p. : Mamahatra, mifikitra, mamikitra: Raha tsy namihitra ny hazo (na tamin'ny hazo) aho, nianjera tany an-tevana • Misarangotra: Mamihitra amin-dreniny Isambilo kely. • Mitana amim-pikiribibiana: Mamihitra mafy amin'ny heviny Ingahy io. Ahitsio
Mamika: (tsy fampiasa loatra), Manapika (pika) mt.p. (mamiha, manapiha): Mampipitika, mampifantsitsitra, manala: Hainy ny manapika ny vimiainan'ny famantaranandro. • Manakombona (antsy, elo), mamono (jiromirehitra amin'ny herim-baratra): Manapika antsipika, elo. / Iza no hanapika ny jiro amintsika roa lahy? Ahitsio
Mamikavika: (vikavika) mt.p. (mamikavikà): Manao zaitra tsy mbola tena izy fa zojb tra fotsiny; manjojdtra. * F.-p.: Mamikavika dia: mandeha mandroso hatrany, mandeha toa vonombonona. Ahitsio
Mamikely: a: Enti-milaza oroka atao amin'ny zazakely. Ahitsio
Mamikina: (vikina) mt.p. (mamikina): Mihoatra, mandingana, mandfka: Toa tsy afaka mamikina tatatra akory ianao izany lahy. Ahitsio
Mamikitra: (fikitra) mt.p. (mamikira): Mitazona mafy: Mamikitra ny tongo-davarangana (na amin'ny tongo-davarangana). Ahitsio
Mamilafila: Jet. Mampifilafila. Ahitsio
Mamilavila: (vilavila) mt. p. (mamilavilà): Mampiolana, marnpivaona, mampivadika: Ny hafanana no namilavila it? hazo • Mamozafoza, mamorip oritra, mamiravira Ahitsio
Mamilina: (vilina) mt.p. (mamilina): Manao vains, manjaitra ny sisin-damba miforitra amin'ny tenany ihany. Ahitsio
Mamily: (vily) mt.p. (mamilia): Mampandeha amin'ny lalankafa tsy amin'ny hitsiny teo aloha: Mamily bisikileta. • Mampibirioka, mampivfona: Ny fahazaran-dratsy no namily azy ho any amin'ny lalan'ny fahaverezana • Manolaka: Mamily ny hevitry ny teny iray. Ahitsio
Mamimamy: (hamy) p.t: Masirasira. Ahitsio