Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mitsopiaka: (tsopiaka) p. t.: Mipendrampendrana. Ahitsio
Mitsopitsopy: (tsopitsopy) mt. s. na p. t.: Manome hazavana malefaka; manjavozavo, pahimpahina (maso). Ahitsio
Mitsoriaka: (tsoriaka) mitsoriaha): Mikoriana: Mahafinaritra aoka izany ny mijery ny loharano mitsoriaka avy any anaty ala any. ? Miriotra, mimaona: Mitsoriaka eny amin'ny habakabaka ny tselatra. ? Mandady mandeha haingana: Nisy bibilava nitsoriaka teo anaty ahitra tao. ? Mikorisa: Tsy mitsoriaka tsara ity vatasarihana ity. ? Mandositra manao tsoa-pe: Nitsoriaka ohatra ny saka ny adala raha uao nahita ahy. Ahitsio
Mitsorika: na Manorika (tsorika) mt. s. (ity faharoa no fampiasa indrindra): Mikoriana manaraka ny rindrina na ny vatolampy (rano), ny takolaka (ranomaso): Nanorika amin'ny uatolampy ny rano. ? Mitsotsoroka: Manorika ny labozia. Ahitsio
Mitsoroaka: (tsoroaka) mt. s.: Maniry tsimoka na taroka lava mahitsy: Efa mitsoroaka ity hazo iray ity. ? Mitombo mihalava: Mitsoroaka ity zaza ity izany. Ahitsio
Mitsorofoka: (tsorofoka) mt. s. (mitsorofoha): Manitsy miditra tampoka, tsy miera na milaza mialoha. Ahitsio
Mitsoropaka: mt. s.: Jar. Mitsarapaka. Ahitsio
Mitsororika: (tsororika) mt. s. na p. t.: Lava manify mikiraviravy hilatsaka: Mitsororika ny ravin'ny hazoma?aheio. Ahitsio
Mitsororoka: (tsorordka) mt. s.: Miraraka avy any ambony ka midina mahitsy ambany (toy ny ranonorana, ranomaso): Mitsororoka ny ranonorana. Ahitsio
Mitsotaka: (tsotaka) mt. s.: Miditra ao anaty rano na fotaka: Variana Ikoto nijery ny mpihosy sy nandre ny tongotr'izy ireo nitsotaka tao anaty fotaka mandrevo. Ahitsio
Mitsotra: (tsotra) mt. s. (mitsôra): Mandry miampatra, miampatra, mitsingadina, tsy mivonkina: Mitsora ianao fa tery ny fandriana. /Mitsotra ambony ahitra. ? Mivelatra henjana: Tsy ho azo didiana ity lamba ity raha tsy mitsotra. ? Miteny milaza ny mari-na tsy misy afinafenina: Aoka ianao hitsotra rehefa anontaniana. Ahitsio
Mitsotsotsotso: (tsotsotsotso) mt. s. na p.t.: Mamoaka feo toy ny zavatra dorana ka le-mana tampoka: Mitsotsotsotso ny menaka ao anaty lapoaly. Ahitsio
Mitsovaka: (tsovaka) mt. s.: Main-javatra mahamay ka miendaka ny hoditra ary miseho ny nofo: Nitsouaka ny tongony nirarahan'ny ro m ango trak a. Ahitsio
Mivadiditra: (vadiditra) mt. s. (mivadidira): Miolonolona, mifadiditra: Nivadiditra tamin'ny ranjony ny bibilaua. * Misy dian-tsorakazo nikapohana na tady nifatorana: Nivadiditra ny ranjony tamin'ny kapoka nataon-drenikeliny azy. Ahitsio
Mivadika: (vadika) mt. s. (mivadiha): Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ue ireo lamba mihahy ireo? ? Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana. ? Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary. ? Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro! ? Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan'ny ratsy indrindra. • Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha. ¶ M. h. : Mivadi-bolana, mivadi-dela, mivadi-belirano, mivadi-panekena, mivadi-kofaka, mivadi-bantsilana, mivadi-dratsy, mitsoa-pahana, miova fenitra, mitsoaka ny teny natao, mitsoaka orimbato, mivadika imaso toa tandrok'osy, mivadibadika toa lela may, manao tsimbadiboanampotsy, manao tsimbadik'amponga, tsy mena mivadika toa andro ririnina, miroa lela, miodina, malady ofana, mangala-belirano. Ahitsio
Mivady: (vady) mt. s. (mivadia): Miray. ? Miaraka na mivelona toy ny mpivady: Olona mivady ireny fa tsy mianadahy akory. ? Enti-milaza olona iray sy ny vadiny: La-sa any an-tsena ry Rainikoto mivady. ? Miara-droa, lomisy: Nividy kiraro telo miuady izy tamin'ny Krismasy. * Tsara miaraka: Mivady tsara lahy ny palitao sy pataloanao ireny. Ahitsio
Mivaha: (vaha) mt. s. (mivaha): Miboraka: Mivaha ny fehinkiraronao. • Miala na votsotra ny fatorana: Vonjeo haingana fa mivaha ny omby. • Tapaka: Nivaha ny fanekenay. • (f.s.b.) enti-milaza olona misy fahavoazana kely ny lohany, misy kely, nahafahana. Ahitsio
Mivahavaha: (uàha) mt. s.: Tsy tena mivaha, na mivaha matetika. • Enti-milaza lamba efa tonta ka mitsoaka na miala amin'ny toerany ny kofehy. • Trotraka izaitsizy: Mivahauaha be ihany izany taolako izany. Ahitsio
Mivahiny: (vahiny) mt. s. (mivahinia): Mandeha any antany lavitra ny an'ny tena: Nivahiny tany Eoropa aho tamin'ny uolana septambra. Ahitsio
Mivahotra: (uahotra) mt. s. na p. t.: Ngolin'ny hatsiaka. • Azon'ny tahotra. Ahitsio