Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mivalongana: (valy) mt. s.: Mivongana, mivaingana. • Miantonta. Ahitsio
Mivaly: (valy) mt. s.: Misy valiny: Mbola tsy nivaly ihany ny taratasy nalefako tany amtn'ny Minisitry ny Fampianarana. 4 Misy setriny: Mahareta fa mbola hivaly ihany izao fihafianao izao indray andro any! 4 Hita ao ambadika: Manify ny taratasy ka mivaly ao ambadika ny soratra. Ahitsio
Mivanàka: (vanàka) mt. s. (mivanakà): Mijery toy ny adala, ny vava mitanatana. • Gaga sady taitra tampoka ka mitanatana fotsiny ny vava. Ahitsio
Mivanavana: (vanavana) mt. s.: Misokatra mitanatana be mihitsy. Ahitsio
Mivandambandana: (vandana) p. t. : Mipentimpentina, vangavanga. Ahitsio
Mivanditra: (vanditra) mt. s.: Misy mivohitra mitsoriaka lavalava: Nivanditra tamin'ny kapoka nafitsokao azy ny ranjon'ny zanako. Ahitsio
Mivandraka: (vandraka) mt. s. (mivandràha): Mijery amin' ny maso midiridiry sady misokatra be. Ahitsio
Mivandravandra: (vandrauandra) mt. s. (mivandravandrà): Mijery amin'ny maso midiridiry feno hatezerana: Niuandrauandra er? izy nijery ahy niteny azy. 4 h.o.: Miharihary, miseho tsara: Mivandravandra izao ny ratsy nataonao. Ahitsio
Mivandry: (vandry) mt. p. (mivandria): Mitily, miandry izay hahavoazan'ny vela-pan' drika napetraka. Ahitsio
Mivandy: (vandy) mt. s.: Miahotrahotra alohan'ny hanao zavatra. Ahitsio
Mivanga: (vanga) mt. p.: Mivarotra. Ahitsio
Mivangivangy: (vangy) mt. s.: Mampiseho vangy, mampiseho nify. Ahitsio
Mivangongo: (vangongo) mt. s. (mivangongba): Mitangorona miavoavo amin'ny toerana iray: Jereo ireto tantely miuangongo manodidina ny mpanjakany. Ahitsio
Mivanika: (vanika) mt. s. (mivanikà): Miseho (nify). 4 Marnpiseho nify fa voa ka hany hery ny nify no haseho toa mihomehy foana: Tratra ny anao lahy ka hany heriny nivanika fotsiny. 4 Mampiseho nify noho ny hatezerana. 4 Reraka mafy dia mafy: Nivanika izy niditra ny trano fa lampan'ny hanoanana sy main'ny hetaheta, hono. Ahitsio
Mivanivany: (vanivany) mt. s. (mivanivania): Mihomehy na mitsiky somary maneso kely. Ahitsio
Mivantana: (vantana) mt. p. (mivantàna): Mandeha mahitsy avy hatrany: Mivantàna ao amin-dRakoto rehefa tonga any Toamasina ianao. 4 Mandeha tsy misy mitana: Nivantana tany an-tani-mananasy ny bisikiletako ka naratra ny tongotra aman-tanako. 4 Miteny tsy misy fitsimbitsimbinana rehefa milaza zavatra na dia ilaina aza izany (matetika ny teny verindroa "mivantambantana" no ampiasaina amin'ity hevitra ity): Mivantambantana koa Rangahy iny rehefa miteny. Ahitsio
Mivaona: (vaona) mt. s.: Tsy mandeha mahitsy: Mivaona ity hazo fisaka ity izany. 4 Mandeha any amin'ny tsy izy: Mivaona izany resatsika izan y. Ahitsio
Mivarahontsana: (varahontsana) mt. s.: Malemilemy toy ny olona reraka dia reraka noho ny hakiviana na ny tahotra. Ahitsio
Mivaraka: (varaka) mt. s.: Mitriatra, mitsefaka. Ahitsio
Mivarakahaka: (varaka) mt s.:Miely, mihahaka. Ahitsio