Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Monaina: p.t.: Leondeony, tsy tia herika: Monaina hazandrano ny anao lahy. ? h.i.: Valaka noho ny raharaha ka toa leony tsy te hiverina intsony nony afaka tao: Monaina mihitsy aho tamin'ilay asa nampanaouin-dRangahy in y. - t.i.f.: Monainana 1 imonainana, fimonainana 1 mahamonaina 1 hamonainana 1 monamonaina 1 mahamonamonaina / hamonaimonainana. ¶ M.h.: Leony, boboka, tofoka, tohina, tola. Ahitsio
Monainana: (monaina) p. t.: Sady kapohina amin-katezerana no levilevena mafy. Ahitsio
Monamonaina: p.t.: Mahatsiaro ho misalebolebo, ta handoa. * Leony, tsy tia herika Ahitsio
Monamonany: p. t.: Dongadonga sady botrabotra. Ahitsio
Monany: a.: Bibikely niofo avy amin'ny sakoivy ka mbola hiofo indray ho voangory. Ahitsio
Mondaka: Mitovy amin'ny Nondaka. Ahitsio
Mondra: p. t.: Malemy, entina hilazana ny tany efa novolena ela ka lany tsiro: Tany mondra ity ka tsy hahauokatra. - t.i.f.: f.: Mondraina / manamondra, fanamondra / anamondrana, fanamondrana / mahamondra / mondramondra. Ahitsio
Mondraina: (mondra) mt. ih. (mondrao): Lanina tsiro: Efa nomondrainao ity tany ity uao namidinao tamiko. Ahitsio
Mondrina: (mondry) mt. ih. (mondrio): Borina ny rantsantanany. Ahitsio
Mondro: p. t.: Enti-milaza zavatra efa ela niasana ka tsy lava na lehibe intsony, fa fohy na bory kely sisa: Angady mondro. * t.i.f.: Mondroina. - F-p.: Mondron'antsy: antsy efa ela niasana. / Mondron-kery: ny sisa tafajanona amin'ny hery. / Lany mondron-kery: lany hatramin'ny hery kely sisa nananana. * Ohab.: Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy: enti-milaza zavatra roa mitovy vidy. Ahitsio
Mondroina: (mondro) mt. ih. (mondroy): Domboina: Iza no nilaza taminao hoe mondroy io angady io? Ahitsio
Mondry: p.t.: Tsy misy rantsana intsony fa levon'ny aretina, toy ny habokana: Olona mondry no arnpandraisinao zauatra ka hahay? - t.i.f.: Mondrina / manamondry, fanamondry, mpanamondry / anamondriana, fanamondriana / mahamondry. Ahitsio
Monga: p. t.: Tapa-tandroka, maty zoro, mondro. * t.i.f.: Mongaina / manamonga, fanamonga, mpanamonga / anamongana, fanamongana / mahamonga. Ahitsio
Monga: (Btl) a.: Enti-milaza irony tandrok'omby sampona ka zara raha misy ny ilany. Ahitsio
Mongaina: (monga) p. t.: Tapahina ny tandrony, ny tanany, ny tongony. Ahitsio
Mongena: p. t.: Tsy miteny firy, vitsy teny. * F.-p.: Monge-mahalatsaka: olona vitsivitsy teny, nefa ny teny avoakany manaikitra ery. ¶. M. h.: Jomoka, mijomoka, jadina, mijadina, jinina, mijinijiny, jahidy, mijahidy. Ahitsio
Mongo: p. t.: Potika toy ny vovoka, torotoro, montsamontsana. * t.i.f.: f.: Amongo, mongoina, voamongo / manamongo, fanamongo, mpanamongo / anamongoana, fanamongoana / mahamongo / mongomongo / hamongo, fahamongo / hamongoana / fahamongoana. * F.-p.: Mongo loha: mana-na volo mihoronkorona sy mitokotoko madinika. Ahitsio
Mongo: a.: Karazan-kazo. Ahitsio
Mongo: a. (t.tr.): Nongona, montotra. Ahitsio
Mongoina: (ongoina) mt. ih. (mongoina): Torotoroina, montsamontsanina. Ahitsio