Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mongy: a.: Karazan-kazo. Ahitsio
Monimony: a.: Karazan-kazo fanao zaram-piasana. Ahitsio
Monina: (onina) mt. s. (monena): Mitoetra, mitomoetra, mipetraka: Monina any Antsirabe izy. ? Mijanona ela, mijanona maharitra: Tandremo sao monina any an-tsena any ise. ? Tsy mandeha fa mihandrona (rano): Misy rano monina ao an-tokotaniny ka izany no maha be moka ao am in y. ¶ M.h.: Mipetraka, milasy, mitoetra, mitomoetra, miorin-dasy, maka toerana, manorim-ponenana, mamitsaka, miampirina, mialokaloka. Ahitsio
Monja: p. t.: Ihany, saingy tsy fiteny afa-tsy raha misy filazana isan-javatra na isan'olona: Mpianatra telo rnonja no tonga androany (fa tsy fiteny ny hoe "Ikoto monja no tonga"). / Trondro dimy monja no azoko nandritra ny andro. Ahitsio
Monjitra: na Monjotra a.: Tsy fahafaliana ka mionjononjona ary toa mitefoka koa; sosotra ka tsy miteny firy. * t.i.f.: Amonjotra / mimonjotra, fimonjotra, mpifnonjotra / imonjorana, fimonjorana / mahamonjotra / monjomonjotra. Ahitsio
Monjomonjo: a.: Feo ngonongononina noho ny tsy fahafaliana na hatezerana. - t.i.f.: Amonjomonjo, monjomonjoina, tafamonjomonjo / mimonjomonjo, fimonjomonjo, mpimonjomonjo / imonjomonjoana, fimonjomonjoana / mahamonjomonjo. Ahitsio
Monjomonjoina: (monjomonjo) mt. ih. (monjomonjoy): Atao ami-monjomonjo. Ahitsio
Monomonona: a.: Feo tahaka ny an'ampela ampandihizina na ny fangaraka manidina mi-tory alahelo na hasosorana tsy tafavoaka. (jar. Samonina) Ahitsio
Monta: a.: Voatavo madinika tsy mba fihinana fa mangidy. * p. t.: Mangidy mafaika, na handatra. ? h. i.: Mavesa-danja, mafonja. Ahitsio
Montafara: a.: Anaran-javamaniry, mangidy. Ahitsio
Montana: p. t.: Entina hiantsoana, raha miteny, olona ratsy fanahy, tsy manjary. Ilay montana: ilay ratsy fanahy, ilay tsy vanona. ¶ M.h.: Ilay montana, ilay fady, ilay tonaka, ilay trotraka, ilay mangesa, ilay fadifoara, ilay aza mahita, ilay tohara, ilay toharazailoza, ilay boboha tangena, ilay mihoza, ilay mihozamihoza. Ahitsio
Montorina: (montotra) mt. ih. (mon to ry) : Atao tonga mandondona; atao izay hampahatezitra. Ahitsio
Montotra: p. t.: Mandondona, avo kely noho ny manodidina. ? hi.: Miseho tezitra amin'ny tarehy toa mivindimbindina be ihany: Asa fa montotra indray Rasoa androany. - t.i.f.: Amontotra, montorina / mimontotra, fimontotra, mpimontotra / imontorana, fimontorana / mahamontotra / montomontotra / hamontorana, hamontotra / fahamontotra, fahamontorana / an-kamontotra. - F.-p.: Manetry montotra: mampietry izay avo mandondona. ? h. i. : manao izay hahavoa ny ambony na ny mpanankarena mba hihinanana ny fananany na hampidaraboka azy. ¶ M. h.: Mandondona, mandomba, mandroso. Ahitsio
Montsala: a.: Ilay taolana eo ambonin'ny maojan'ny omby. Ahitsio
Montsana: p. t.: Mongo, torotoro, vaky, potipotika: Nianjera tamin'ny uato ilay vilany tany uao novidina ka mon tsana. - t.i.f.: Montsanina, voamontsana / manamontsana, fanamontsana, mpanamontsana / anamontsanana, fanamontsanana / mahamontsana I montsamontsana. Ahitsio
Montsanina: (montsana) mt. ih. (montsano) : Mongomongoina, torotoroina. Ahitsio
Montsina: na Montsona a.: Va-va feno hanina; entina milaza ireo bontsimbontsina na mandrotsirotsy amin'ny hoditra. ? h.o.: Fijomoka. - t.i.f.: Montsonina / mimontsona, fimontsona, mpimontsona / imontsonana, fimontsonana / mamontsina / mamontsona. Ahitsio
Montsonina: (montsona) mt. ih. (mon tsony): (vava)Fenoina hanina: Aza montsonina tahaka izao ny vauanao. Ahitsio
Montsy: (t;tr,): Voky. Ahitsio
Montsy: Mitovy amin'ny Mantsy. Ahitsio