Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mpanadina: (adina) a.: Olona natokana hampanao fanadinana na hitsapa ny fahaizan' ny mpianatra. Ahitsio
Mpanalalana: (alalana) a.: Mpanelanelana, olona natao ho solontena mitondra teny raha misy zavatra angatahina, na elanelam-panahy hampihavana raha misy zavatra ifanolanan'olona roa tonta. Ahitsio
Mpanalika: (alika) a.: Fatra-panambany olona ka mihevitra azy ho toy ny alika, Ahitsio
Mpanamory: (hamory) a.: Olona mitana ny familiana ny fiarakodia na ny fiaramanidina. Ahitsio
Mpanampy: (ampy) a.: Olona manao izay tsy vitan'ny tena amin'ny asa atao. Ahitsio
Mpanao: (tao) a.: Teny entimilaza mpiasa ankapobeny, ary ampanarahana ny anaran'ny zavatra ataony izy io: Mpanao fanjakana: mpiasampanjakana; mpanao kiraro: mpiasa manao kiraro na manamboatra ny kiraro simba; mpanao elo: mpanamboatra elo; mpanao nify: olona mitsabo nify marary na marnetaka solonify; mpanao polo: olona mikarakara ny volombehivavy. Ahitsio
Mpanao fanjakana: a.: Enti-milaza olona ambony amin'ny raharaham-panjakana. Ahitsio
Mpanarakandro: (araka andro) a.: Mpiandry omby aman'ondry. Ahitsio
Mpanarivo: (arivo) a.: Enti-milaza olona manan-karem-be, mpanefohefo (ny heviny tany an-tendrony dia hoe: ma-nana omby an'arivony maro). Ahitsio
Mpanasajoro: a.: Tsipika mizara zoro ho roa mitovy. Ahitsio
Mpanazatra: (zatra) a.: Olona manomana ny mpanao spaoro amin'ny alalan'ny fanorotoroana sy ny fampiasana matetika, mba ho tonga amin'ny fari-pahatanjahana sy fahakingana kendrena hotratrarina. Ahitsio
Mpandamoka: (lamoka) a.: O-lona kamo, mpidonana-poana. Ahitsio
Mpandokanga: (Br) a.: Mpitendry lokanga. Ahitsio
Mpandotso: (lotso) a.: Enti-milaza izay zavatra mahatonga ny nono ho betsaka. Ahitsio
Mpandova: (lova) a.: Izay rehetra mandova, izany hoe mandimby ara-dalàna ny fizakamanana ny fananan'ny olona iray rehefa maty izy: Fito ny mpandoua an-dRabe. Ahitsio
Mpandrafitra: (rafitra) a.: Mpiasa manao ny rafitra (fanamboarana' hazo hatao trano, varavarana, ngorodona) ho antom-pivelomany. Ahitsio
Mpanefohefo: (hefohefo) a.: O-lona malaza ho mpanankarena. Ahitsio
Mpanefy: (tefy) a.: Mpanamboatra ny metaly rehetra — indrindra ny vy — mba hahatonga azy ireo ho antsy, famaky, angady, ka ny asany amin'izany dia ny mandrendrika sy manome bika azy. • F.-p.: Mpanefy tanimanga: ny mpanao vilany tanimanga, takotra, tavim-boninkazo. / Manao fon'ny mpanefy: enti-manondro ny o10-na saro-po (angamba noho ny mpanefy, rehefa mively ny vy amin'ny tantanana, manao araka izay heriny rehetra). Ahitsio
Mpanelanelana: (elanelana) a.: Olona alaina hitsara ady na hampifanaraka olona roa miady; atao koa hoe elanelampanahy: Mifidy olona ho mpanelanelana. ? Olona alaina mba hampifandray ny te-na amin'olon-kafa raha misy zavatra angatahina amin' ity faharoa;mpanalalana: Ny Razana ve no mpanelanelana antsika amin 'Andriananahary? Ahitsio
Mpanelira: (ely ra) a.: Anarana omena ny lalandra izay manely ny ra avy any amin'ny fo eran'ny tena manontolo, antsoina koa amin'ny anarany frantsay nogasina hoe aritera; raha mpanelira no tapa-ka, dia ra mena midorehitra no mivoaka ary mifantsitsitra mitsitapitapy ny fandehany. Ahitsio