Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mpiompy: (ompy) a.: Olona manao ho anton-draharaha ny fiompiana, izany hoe ny famelomana sy ny fikarakarana biby mba hohanina na hamidy. Ahitsio
Mpirahalahy: (lahy) a.: Olona samy lehilahy natera-dray sy reny iombonana. Ahitsio
Mpirahavavy: (vavy) a.: Olona samy vehivavy natera-dray sy reny iombonana. Ahitsio
Mpisolo: a.: Sokajin-teny entimisolo olona na zavatra efa voalaza na tsia, ka mitsinjara ho karazany maro: mpisolo olona (izaho, •nay), mpisolo manondro (ireny ny mpianatra), mpisolo manontany (iza no nilaza izany), mpisolo mampifandray (ny olona izay mandinika), mpisolo malala-kevitra (ny sasany tsy mieritreritra). Ahitsio
Mpisolovava: (solo uaua) a,: O-lona vita fianarana momba ny lalàna misolo olona voampanga eny amin'ny fitsarana. Ahitsio
Mpisotro: (sotro) a.: Fatra-pitia misotro toaka na divay. Ahitsio
Mpitandrina: (tandrina) a.: Mpiandraikitra ny fandehan'ny fiangonana amin'ny lafin-javatra rehetra, indrindra nY fanahin'ny kristianina. Ahitsio
Mpitondratena: (tondra tena) a.: Olona mipetraka irery ka miahy ny tenany. Ahitsio
Mpitsabo: (tsabo) a.: Olona mahay manala aretina. ? O-lona mikarakara ny marary. Ahitsio
Mpitsara: (tsara) a.: Mpiasampanjakana manam-pahaizana manokana momba ny lalàna atao mpandinika sy mpilaza izay manana ny rariny sy meloka amin'ny olona roa mifampitory, na amin'ny ady isan-karazany (ady madio, ady heloka). Ahitsio
Mpitsioka: a. (t.tr.): Mpiala sasatra (amin'ny vody hazo). Ahitsio
Mpitsoa-ponenana: a.: Enti-milaza ireo olona voatery nandao ny fonenany ka mankany an-tany hafa noho ny toejavatra mitranga ao: ady, korontana, fitondrana tsy tanty. Ahitsio
Mpivahiny: (vahiny) a.: Olona mandeha any an-tany hafa ivelan'ny tanindrazany. Ahitsio
Mpivarotra: (varotra) a.: Olona manao ny varotra ho antondraharaha, ka mitetika ny hahazo tombony hatrany amin'ny zavatra amidiny. Ahitsio
Mpivavaka: (vavaka) na Mpino (ino) a.: Teny iantsoana ny olona manaraka antokom-pivavahana manokana, toy ny Kristianina. Ahitsio