Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mahabe: (be) mt. p.: Mahatonga ho betsaka: Mahabe moka ny kirihitra manodidina ny trano. Ahitsio
Mahabeda: (beda) mt.p.: Afaka na tia mibeda. Ahitsio
Mahabetsaka: (betsaka) mt. p.: Mahatonga ho betsaka: Ity farihy ity no mahabetsaka ny moka aty aminareo. Ahitsio
Mahabibo: (Ski) a: Karazankazo izay ny voany fanao amin'ny tombokavatsy mba hahamainty azy, Ahitsio
Mahabonoka: (bonoka) mt.s.: Afaka na tia mibonoka. Ahitsio
Mahadala: (adala) mt. s.: Mahatonga adala, mampivozavoza, mampitahontahona: Mahadala ny toaka sy ny rongony, ka izany no nandraran'Andrianampoinimerina azy ireo. Ahitsio
Mahadangana: (dangana) mt.s.: Manondrotra na mahatonga hisondrotra. Ahitsio
Mahadikidiky: (dikidiky) p.i.: Mahasosotra, mahatofoka: Mahadikidiky ny fitondrantena ratsy ataony. ? Mahamenatra: Aoka ihany fa mahadikidiky amin-drainao. Ahitsio
Mahadikitra: (dikitra) mt.s.: Mahasosotra, manao izay hahatezitra, izay tsy hahafaly. Ahitsio
Mahadiky: (diky) mts,: Mahasosotra noho ny loto na ny zavatra maharikoriko ao anatiny: Mahadiky it? tranompako ity, fa misy rano maintimainty mitsininika auy ao. Ahitsio
Mahadilo: Mankadilo, Mampadilo (dito) mt.p.: Mahatonga hadilo: Mahadilo ny nify ny uoasarimakirana. Ahitsio
Mahadiso: (diso) miss.: Mahatongaho diso, Ahitsio
Mahadoroka: (doroka) mt.s.: Mahamamo, mankaleo: Mahadoroka ny fofon'io zavatra io. Ahitsio
Mahady: (ady) mt.s.: Afakana tia miady: Tsy mahady aminao aho fa mitandro ny voninahitro. Ahitsio
Mahafaly: a: Anaram-poko kely monina amin'ny tany be sokay sy fasika, anelanelan' ny ony Onilahy sy Menarandra, amin'ny faritra atsimo andrefan'ny Nosy, fantatra indrindra amin'ireo fasany voaravaky ny aloalo (jer. io teny io), tanàn-dehibe: Betioky, Ampanihy. Ahitsio
Mahafaly: (faly) Mahatonga ho faly, tsara: Vaovao mahafaly. Ahitsio
Mahafanina: (fanina) mt.s.: Mahatonga ho fanina: Mahafanina ny fofon'afon'arina ¶ M.h.: Mahajambena, mahabadenina. Ahitsio
Mahafantatra: (fantatra) mt. p.: Mahay: Mahagaga fa tsy mahafantatra izay lazain'ny olona azy intsony izy. ? Mahalala: Tsy mahafantatra anao aho. ? Mahazo: Mahafantatra ny baiko omena azy ny alikanay. Ahitsio
Mahafaty: (faty) mt.p.: Afaka hamono: Tsy mahafaty akoho akory, hono, Ramatoa io. * Mahatonga ho faty: Tsy hahafaty azy akory io aretina io. / Poizina mahafaty. ? F.-p.: Fahotana mahafaty: mahavery ny aim-pahasoavana (Fiv. kat.). ? Maharesy: Ny mpilalaonay Ampamarinana no nahafaty tamin'ny baolina. ? Mahazo: Tsy tsara ny tsena androany fa tsy nahafaty roanjdto akory aho, * Mamely mafy, tsy ahazoana aina, mahatrotraka: Mahafaty izany hatsiaka izany. ? Mamono, manala, mikosoka, mampanadino: Ny andro sy ny volana nifandimby no nahafaty ny soratra teto. / Tay misy hahafaty ny fahatsiarovako an 'i Neny. Ahitsio
Mahafina: (afina) mt.p.: Afaka manafina: Tsy mahafina anao aho. Ahitsio