Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manabirioka: (birfoka) mt.p.: Mamily any amin'ny tsy faleha. Ahitsio
Manabisioka: (bisioka) mt.p. (manabiaioha): Mampihataka, mamily any amin'izay tsy izy. Ahitsio
Manaboabo: (aboabo) mt.p. (mana boaboa): Manavoavo, manaingainga, manambonimbony: Tsy mety ny manaboabo olona mpamita-bahoaka tahaka ireny. ? Midera fatraira, manome voninahitra lehibe, mankalaza izaitsizy: Nanaboabo ny Filoham pirenena ny vahoaka. •Manondrotra, mampakatra, manovona: Amin'ny taona ambony izahay no hanaboabo ny tranonay. Ahitsio
Manabobobobo: (bobobobo) mt p. (manaboboboboa): Manitrilra (tavoahangy) hakana rano ao anaty rano. 1 Mampaneno mibobobobobo. Ahitsio
Manaboboka: (boboka) mt.p. (manaboboha): Mamonto rano, mampisotro tafahoatra, manao izay hankaleo. Ahitsio
Manaboda: (boda) mt p. (manabodà): Manao izay hahalemy. Ahitsio
Manabodika: (bodika) mt.p. (manabodeha): Mampisafotofoto, manodinkodina zavatra amin'ny teny atao ka tsy fantatra mazava izay la-zains: Loza ny hafetseny nanabodika ny hevitra fa nony nivoaka avy eo, tsy nisy na iray aza nahatsiaro fa voafitaka. Ahitsio
Manabodo: (bodo) mt.p. (manabodoa): Maka ka mitana vadin' olona. Ahitsio
Manabofaka: (bofaka) mt.p.: Manao izay hahatonga mibofaka. Ahitsio
Manabohaka: (bohaka) m t p. (manabohafa): Manabontsina ho ngeza, manasavovona be. Ahitsio
Manabohamaty: (maty) mt.p.: Mitono tena amin'ny loza, manao mosalahy amin'ny fahafatesana. ¶ M.h.: Mitono tena, manao vy very, manao anjolofo, maneha-doza, mankaha-doza, mananty voina, mila voina, mila faty, manao mosalahy. Ahitsio
Manaboka: (boka) mt.p. (manabokà): Manaratsy, manambany, manamavo, maneso, manao z'inona, manambany vidy: Tsy lefitro ny nataondRakoto tamin'ny nanabo- kany ny entam-barotro. Ahitsio
Manabokitra: (bokitra) mt.p. (manabokira) : Mampibohitra, mampibontsina, mampivohitra, mampivohon-tsotro. Ahitsio
Manabolila: (bolila) mt.p.: Mampibolisatra, mampilefa. Ahitsio
Manabonoka: (bonoka) mt.p.: Manarona sy mandrakotra manodidina tanteraka: Nanabonoka ny zanany manavy Ravao. Ahitsio
Manabontana: (bontana) mt.p. (manabontàna): Mamona ny volo ho bontana, manao ny volon'ny hafaho bontana. Ahitsio
Manabontsina: (bontsina) mt. p.: Mampizihitra, manao izay hahafeno rivotra: Mana-bon tsina kodiaram-bisikilety. • h.o.: Mamporisika hanao asa iray, mitarika, mitan-na, mamoky: Tsy misy afatsy Rakoto no nanabontsina ny mpianatra himenomenona. Ahitsio
Manaboraka: (boraka) mt.p.: Mamaha izay mifatotra na mifono: Iza no nanaboraka ity entana it?? Ahitsio
Manaboraraka: (raraka) mt.p. (m ana boraraha): Mandraraka mitosaka sy mitobaka be. Ahitsio
Manaboredika: (boredika) mt. p.: Mampikorontan-tsaina, mahavery hevitra. Ahitsio