Manabirioka | : | (birfoka) mt.p.: Mamily any amin'ny tsy faleha.
Ahitsio |
Manabisioka | : | (bisioka) mt.p. (manabiaioha): Mampihataka, mamily any amin'izay tsy izy.
Ahitsio |
Manaboabo | : | (aboabo) mt.p. (mana boaboa): Manavoavo, manaingainga, manambonimbony: Tsy mety ny manaboabo olona mpamita-bahoaka tahaka ireny. ? Midera fatraira, manome voninahitra lehibe, mankalaza izaitsizy: Nanaboabo ny Filoham pirenena ny vahoaka. •Manondrotra, mampakatra, manovona: Amin'ny taona ambony izahay no hanaboabo ny tranonay.
Ahitsio |
Manabobobobo | : | (bobobobo) mt p. (manaboboboboa): Manitrilra (tavoahangy) hakana rano ao anaty rano. 1 Mampaneno mibobobobobo.
Ahitsio |
Manaboboka | : | (boboka) mt.p. (manaboboha): Mamonto rano, mampisotro tafahoatra, manao izay hankaleo.
Ahitsio |
Manaboda | : | (boda) mt p. (manabodà): Manao izay hahalemy.
Ahitsio |
Manabodika | : | (bodika) mt.p. (manabodeha): Mampisafotofoto, manodinkodina zavatra amin'ny teny atao ka tsy fantatra mazava izay la-zains: Loza ny hafetseny nanabodika ny hevitra fa nony nivoaka avy eo, tsy nisy na iray aza nahatsiaro fa voafitaka.
Ahitsio |
Manabodo | : | (bodo) mt.p. (manabodoa): Maka ka mitana vadin' olona.
Ahitsio |
Manabofaka | : | (bofaka) mt.p.: Manao izay hahatonga mibofaka.
Ahitsio |
Manabohaka | : | (bohaka) m t p. (manabohafa): Manabontsina ho ngeza, manasavovona be.
Ahitsio |
Manabohamaty | : | (maty) mt.p.: Mitono tena amin'ny loza, manao mosalahy amin'ny fahafatesana. ¶ M.h.: Mitono tena, manao vy very, manao anjolofo, maneha-doza, mankaha-doza, mananty voina, mila voina, mila faty, manao mosalahy.
Ahitsio |
Manaboka | : | (boka) mt.p. (manabokà): Manaratsy, manambany, manamavo, maneso, manao z'inona, manambany vidy: Tsy lefitro ny nataondRakoto tamin'ny nanabo- kany ny entam-barotro.
Ahitsio |
Manabokitra | : | (bokitra) mt.p. (manabokira) : Mampibohitra, mampibontsina, mampivohitra, mampivohon-tsotro.
Ahitsio |
Manabolila | : | (bolila) mt.p.: Mampibolisatra, mampilefa.
Ahitsio |
Manabonoka | : | (bonoka) mt.p.: Manarona sy mandrakotra manodidina tanteraka: Nanabonoka ny zanany manavy Ravao.
Ahitsio |
Manabontana | : | (bontana) mt.p. (manabontàna): Mamona ny volo ho bontana, manao ny volon'ny hafaho bontana.
Ahitsio |
Manabontsina | : | (bontsina) mt. p.: Mampizihitra, manao izay hahafeno rivotra: Mana-bon tsina kodiaram-bisikilety. • h.o.: Mamporisika hanao asa iray, mitarika, mitan-na, mamoky: Tsy misy afatsy Rakoto no nanabontsina ny mpianatra himenomenona.
Ahitsio |
Manaboraka | : | (boraka) mt.p.: Mamaha izay mifatotra na mifono: Iza no nanaboraka ity entana it??
Ahitsio |
Manaboraraka | : | (raraka) mt.p. (m ana boraraha): Mandraraka mitosaka sy mitobaka be.
Ahitsio |
Manaboredika | : | (boredika) mt. p.: Mampikorontan-tsaina, mahavery hevitra.
Ahitsio |