Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manadidy: (adidy) mt.p.: Ma-nome tsiny, maniny: Tsy afaka hanadidy ahy ianao sa-tria tsy nahalala velively izany aho. Ahitsio
Manadihady: (hady) mt. p. (manadihadia): Mamakafaka fatratra hahitana izay fotony: Izahay no nanadihady ilay raharaha - Ahitsio
Manadimy: (dimy) mt.p. (manadimia): Mizaradimy. Ahitsio
Manadina: (adina) mt.p. (manadina): Manontany, mana-vina, manantsafa:Auy manadina ny fahasalaman'ny ankizy; tompako. • Mamototra, misokitra, mandona, ma-ka am-bavany, manao famotorana, manabohy, manafanina: Adiny telo no nanadina azy ny kaomisera • Mi-tsars fahaizana, mampanala fanadinana: Mpampianatra iza no nanadina anareo? Ahitsio
Manadino: (hadino) mt.p. (manadinoa): Tsy mahatsiaro: Rehefa faly, mora ny manadino ny lasa. Ahitsio
Manadiva: (diva) mt p.: Manao (zavatra) mba ho kely sisa; miomanomana mba ho vonona ara-potoana. Ahitsio
Manadodadoda: (doda) mt p.: Mandanfndany foana, mirobaroba. Ahitsio
Manadodadoda: (dodo) mt.p. (manadodadodà): Mampirehitra misy lelafo be, mampidedadeda. Ahitsio
Manadodibika: (dodibika) mt. p. (manadodibiha): Manangona, mampiavosa, mampivangongo. Ahitsio
Manadofaka: (dofaka) mt p. (manadofaha): Mana troka, mampitora-jofo setroka na vovoka. Ahitsio
Manadoladola: (dota) mt.p. (manadoladolà): Mampiraika, mampirona miankavia miankavanana: Manadoladola Io-ha mandrakariva io zaza io rehefa mande ha. Ahitsio
Manadombo: (dombo) mt.p. (manadomboa): Mahatonga ho dombo, tsy maranitra:Ny vato no nanadombo ny antsy. • Mahadonto: Ny hakamoana no nanadombo ny sain y. • Mahatonga ho tsy tiam-bahoaka, mangidy hoditra: Ny fihinanam-bahoaka no nanadombo io mpitondra io. Ahitsio
Manadongaingy: (dongaingy) mt.p. (manadongainge): Mainpitondra entana ka mahatonga ny loha toa hisitrika ao an-dam osina. Ahitsio
Manadonto: (donto) mt.p. (manadontoa): Mahatonga harenina: Nanadonto azy ilay fahapotrahany. ? Manadombo: Nidofitra tamin'ny vato no nanadonto it? angady ity. ? Mahatonga tsy haranitra: Ny kapoka izaitsizy nafitsokao azy taloha no nanadonto ny sain y. Ahitsio
Manady: (tady) mt.p. (mana-dia): Manao tady: Manady no raharahan-dRangahy io. Ahitsio
Manafaingana: (faingana) mt p. (manafaingàna): Manao izay hahavitana faingana: Manafaingana ny dia. Ahitsio
Manàfana: (afana) mt.p.: Mamafy rano masina mba hanala loto na hanalavitra loza. Ahitsio
Manafantsitsitra: (fantsitsitra) mt. p. (manafantsitsira): Manao izay hifantsitsirana. Ahitsio
Manafatra: (hafatra) mt.p. (manafara): Manome zavatra hampanaovina olona: Nanafatra ahy Rabe mba hitondra it? taratasy it? aty aminao. • Mampaka, manao izay hahatongavana, mividy any lavitra: Nanafatra boky, nanafatra mpampianatra any Antananarivo izahay. ? Mamporisika, manoro hevitra:Nanafatra ny mponina ny filohan'ny Nosy mba hiasa daholo. Ahitsio
Manafbka: (foka) nit, p. (manafokà): Mamazivazy, 'mananihany: Notenenin-drainy Ikoto sy ny namany nanafôka an'ilay Rangahy sola be. • Manaratsy, manivaiva: Aza manafdka ny entam-barotr' olona. Ahitsio