Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Managoana: (goana) mt.p. (managoàna): Mamoha mafy miriadriatra: Iza no nanagoana ny varavarana teo? Ahitsio
Managorabaka: (gorabaka) mt p. (managorabaha): Manao lavaka lehibe sy malalaka. • Mandoaka makadiry. Ahitsio
Managoragora: (goragora) mt p. (managoragorà): Mamatotra malemilemy mora vahana. Ahitsio
Managorampa: (gorampa) nit p. (managorampà): Manao vikavika, mamikavika, manjojotra Ahitsio
Managorobaka: (gorobaka) mt p. (managorobaha): Mandoaka tanteraka an-daniny sy an-daniny avy: Nanagorobaka ny rindrina ireo jiolahy. ? Enti-milaza zavatra mandoaka zavatra hafa iray ka tata• voaka maninteraka itj+ faharoa: Nanagorobaka ilay hazo fisaka ny bala Ahitsio
Managorodana: (gorodana) mt p. (managorodàna): Mandra-:aka zavatra manao rodobe. Ahitsio
Managororoana: (gororona) mt p.: Mampidina rano misy feo manao hoe "gorrr". Ahitsio
Manaha: (haha) mt.p. (manahà): Mamaha: Vao tonga rainy dia nanaha ny entany ireo zanany. ? Manala amin' ny fatorana: Ise no hanaha ny ondry rahampitso maraina. ? Manasaratsaraka: Mana-ha kofehy. ? Manafaka, mamotsotra: Mbola tsy nanaha mpigadra ny Filohan'ny Nosy. ? Mandrava: Manaha famantaranandro. Ahitsio
Manaha: (taha) mt.p. (manahà): Manome zavatra hatao taha na onitra. Ahitsio
Manahady: fit.-p.: Enti-milaza ny biby miteraka betsaka amin'ny fotoana fohy, Ahitsio
Manahaka: (hahaka) mt.p. (manahafa): ManelY, manaParitaka: Iza no nanahaka ireto poti-taratasy ireto? ? Mahavery dia, mampihaha-kevitra: Tiany ery' io kilalao io fa manahaka ny sainy, hono. ? Manala baraka, manaratsy:Raha nieritreritra ianao, tsy tokony ho nanahaka ny tokantranontsika Ahitsio
Manahaka: (tahaka) mt.p. (manahafà): Mitovy (endrika, toetra amy...): Manahaka andreniny it? zaza it5 fa tsy manahaka an-drain y. Ahitsio
Manahana: (ahana) mt s. (manahàna): Mijanona, miato. ? Mitsatoka mijanona eo ambaravarana: Midira raha hiditra fa aza manahana eo antokonana eo. - F.-p.: Manahana ny andro na mivava ahana ny andro: mby eo an-tokonana ny andro. ¶ M.h.: Mitsidika ny andro. Ahitsio
Manahaza: fit.-p.: Tsy fampiasa afa-tsy amin'ilay fombampitenenana hoe: "manahaza tena": mahalala ny antonony, mahalala onony, mahay mifaly amy... Ahitsio
Manahirana: (sahirana) mt.p.: Manome raharaha, ahiahy: Manahirana ahy it? toe-Javatra it?, ? Mahasanganehana, mahavaka, mampiroahana: Nanahirana azy ny fanontaniana nataoko tommy. ? Mahasosotra, mahasorena: Manahirana ahy Rangahy iny ka lazao hoe tsy ato aho. Ahitsio
Manahoana: (ahoana) p.t: Be dia be: Olona manahoana no nitsena ny Filohan'ny Nosy e! Ahitsio
Manahoana: (manao ahoana): Teny entina manontany ny fahasalamana ka ampiasaina ho fiarahabana: Manahoana, tompoko ôl ? Entina manontany mandalina, mamototra momba ny toetoetran'ny zavatra iray:Manahoana ny fianarana, r'Ikoto. Ahitsio
Manahona: (ahona) mt.p.: Mampijanona, mampiato, mana-motta: Ny haratsian'ny andro no nanahona ny dianay. Ahitsio
Manahy: (ahy)mt.p. (manahia): Manana eritreritra be ny amin'ny..., tsy mety mitony saina: Aza manahy ny ho avinareo fa ny adidinareo ankehitriny tontosaina Mora ? Matahotra: Manahy aho sao manao tsirambina ny fianaranao ianao ka tsy ho afa-panadinana - F.-p.: Manahy katsaka: manahy nify, tsy maha-kombom-bava fa mamela ny nify hiseho, enti-milaza fahakiviana. / Manahy elatra: entimilaza ny vorona mamelatra ny elany eo am-pitoerana mova tsy ny manahy azy; h. o.: mitanina andro na mitapy andro; ilazana koa ny tsy manan-katao fa malaina sy kamo. Ahitsio
Manahy: (hahy) mt.p. (manahaza): Mamelatra zavatra amin'ny toerana azon'ny masoandro mba ho maina: Manahy vary. Ahitsio