Litera n

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Nondaka: p.t.: Jar. Mondaka na modaka;malemy. - t.i.f.: Minondaka, finondaka, nondanondaka. Ahitsio
Nongo: p.t.: Teny enti-milaza rehefa mety ho molo-javatra mivohitra ka mivoaka any ivelany. 1 Vilany tanimanga misy faritra boribory manodidina ny vavany toy ny voalaza etsy ambony, ary kely vava fa be kibo, fahandroana laoka na haninkotrana. - F.-p.: Nongom-body: ilay faritra mandomba na mandroso amin'ny fitombenana. j Nongom-pe: ilay tampon' ny fe toa mivohitra iny. / Nongon-drambo: ilay faritra miendri-dongona kely eo amin'ny foto-drambon'ny omby. Ahitsio
Nongonongona: a.: Tany na zavatra navosa; tany na baingan-tany atao avoavo toa dongona kely hambolem-boangahazo. Ahitsio
Nongotapaka: a.: Vilany be va-va ivaiva. Ahitsio
Nono: a.: Organa hita eo amin'ny tratran'ny olombelona sy ny biby miteraka, izay iavian'ny ronono amelomany ny zanany raha mbola kely. - t.i.f.: Nonoina, anono, voanono / minono, finono, mpinono I inonoana, finonoana / mahanono / mampinono / ampinonoina / ampinonoana, fampinonoana. - F.-p.: Lohanono: ny tendron'ny nono. / Vatonono: ny faritra mafonafy izay azo lazaina ho vataben'ny nono. / Paza nono: fohy nono. J Lefi-nono: fomban-jaitran'akanjon'ny vehivavy. / Mampandotso nono: manao izay handehanan'ny ronono betsaka amin'ny nono. / Be minono: ilazana ny zaza efa lehibe ne-fa tsy sarahina, ary anambarana koa ny olona miankindava amin'ny hafa, tsy mahavelon-tena raha tsy ampiana. / Mpinono lehibe: ilazana ny zaza efa lehibe ka mbola te ho zaza ihany. /No-no miely: flvontosan'ny nonon'ny vehivavy mampinono ary tsy azo omena ny zazakely. * Ohab.: Tsy misy mamy ohatra ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika (jer. Zanaka). Ahitsio
Nonoina: (nono) mt. ih. (nonoy) : Tsentsefina na trohina mba hisintonana ny ronono. Ahitsio
Nonoka: a.: Karazan-kazo iray tarika amin'ny aviavy, izay ampangotrahina ny raviny hanaovana ody fanehitra na hampiasaina amin'ny fampiterahana. Ahitsio
Nonsiatira: (fr. nonciature) a: Fonenan'ny masoivohon'ny Papa eo amin'ny firenena iray. (Fiv. kat.). Ahitsio
Nonsy: (fr. nonce) a: Masoivohon'ny Papa Ray Masina eo amin'ny Firenena iray (matetika dia ampiana hoe apostolika io teny io: Nonsy apostolika) (Fiv. kat.). Ahitsio
Nony: ppt. feh.: Rehefa (raha milaza ny lasa ny matoanteny manaraka azy): Nony niamboho Ranavalona reniny, dia nitsoka ny riuo-pahafahana. • Isaky ny (raha milaza ny ankehitriny ny matoanteny manaraka azy): Nony midona ny orana, uelon-tsento i Sahondra mahatsiaro andreniny. ? Tamin'ny (raha milaza ny ho avy ny matoanteny manaraka azy ao anatin'ny tantara): Nony handeha indrindra izahay no avy ny orana. Ahitsio
Norafetany: tampoka ny zandriko ka fanina. Ahitsio
Noro: a.: Hafaliana, hasambarana. ~ p. t.: Tsara tarehy. 1 t.i f.: Manoro. Ahitsio
Norvezianina: (fr. norvégien) a.: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Norvezy. ~ p.t.: Momba an'i Norvezy, an'i Norvezy na avy any Norvezy: Anisan'ny nitory ny filazantsara teto ny misionera norvezianina. Ahitsio
Nosy: a.: Tany voahodidin'ny rano, anivon'ny riaka: I Madagasikara no nosy fahatelo amin'ny habeny eran'izao tontolo izao. Ahitsio
Novambra: (fr. novembre) a.: Anaran'ny volana fahiraika ambin'ny folo amin'ny taona, misy andro 30. Azo soratana ihany koa hoe "Naovambira" Ahitsio
Novisia: (fr. noviciat) a.: Fanomanana ho relijiozy ao amin' ny Fikambanana iray, amin' ny alalan'ny asa, fianarana.,. fa indrindra famolahan-tena, mandritra ny herintaona na roa taona arakaraka ny lalànan'ny fikambanana avy (Fiv. kat.). Ahitsio
Ntaolo: a.: Ny olona taloha, ny razana: Hita ao amin'ny ohabolana ny fahendren'ny ntaolo. Ahitsio
Ntsaka: ft.: Fakana rano any am-pantsakana. I t. t. f.: Antsakaina, voantsaka, tafantsaka I mantsaka, fantsaka, mpantsaka ) antsakana, fantsakana ) mahantsaka. Ahitsio
Ntsika: na -Tsika s.o.: Mpisolo anarana misolo olona fanao tovana entin'ny olona maro milaza zavatra iombonany amin'ny olona iresahany: Ity no tranontsika, anaka, ka mandrosoa. / Hatao ahoana ireto zanatsika, Rasoa? Ahitsio
Ny: Mpanoritra anarana: 1) enti-manondro zavatra na olona lazaina ankapobe: 1-laina ny vola. / Mendri-tsazy ny mpianatra kamo. 2) Enti-manondro zavatra na olona voafaritra: Omeo ahy ny vola, fa ento ho anao ny lamba. 3) Azo atao indraindray eo alohan'ny anarana sasantsasany iantsoana olona: Aoka re, ny Andriana, mba handeha izy. 4) Azo atao eo alohan'ny teny hala noho ny anarana izay ampiasa+na ho toy ny anarana: Manaova ny marina, Manaja ny ianao fa maniratsira kosa ny ialahy. Sarotra ny mitondra olona. Manembona ny any izy dia malahelo. -Ny s. o.: Mpisolo anarana mi-solo olona fanao tovana entina misolo ny olona tenenina: Fantatro Rakoto, ne-fa tsy mboiahitako ny tranon y. / Tsy azony izany. Ahitsio