Litera o

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Otronina: (otrona) mt. ih, (otrony): Fihinina amin'ny sandry roa mifandray tanana: Azonao otronina va io vatan-kazo io? ? Iarahana mba ho fanajana sy fanomezam-boninahitra: Notronin' ny vahoaka ny filohan'ny nosy. ? Hodidinina: Notronin'ny fianakaviany izy tamin'izy hiondrana ho any am-pita. Ahitsio
Oty: a.: Fakana voankazo eny ambony hazo; fanasarahanono zaza. - t.i.f.: Otazana, otoazana, toazana, aoty, voaoty manoty, fanoty, mpanoty 1 anotazana, fanotazana, anotoazana, fanotoazana 1 mioty, fioty, mpioty / iotazana, fiotazana, iotoazana, fiotoazana, itoazana, fitoazana 1 mahoty / otioty 1 maoty. - F.-p,: Zaza tsy maoty: zaza tsy mbola vory saina loatra, zaza tsy mbola nisaranono. Ahitsio
Ova: a.: Fanoloana; fampanjanana ho hafa. - t.i.f.: Ovana, aova, voaova 1 manova, fanova, mpanova 1 anovana, fanovana 1 mifanova / miova, fiova, mpiova / iovana, fiovana / mahova 1 ovaova, miovaova 1 miovova, 'Ovahana (ouaka) mt. (ouahy): Endahana; tsongoina. Ahitsio
Ovaka: (Tsm) a.: Fo na vololon-javamaniry sasantsasany toy ny satrana, kindro, ro-fia.,., izay azo hanina atao laoka. Ahitsio
Ovaka: a.: Hoditra manify miendaka; tsongo mafy mahatonga ny hoditra hiendaka. - t.i.f.:Ovahana, aovaka, voaovaka 1 manovaka, fanovaka I anovahana, fanovahana / miovaka, fiovaka, mpiovaka / mahovaka / ovakovaka. Ahitsio
Ovana: (ova) mt. ih. (ovay, na ooao): Soloana hafa: Tokony hovanao io sary io fa tsy mendrika ny efitra madio. ~ Ampanjarina ho hafa: Ovao ho mofo ireto mata ireto, hoy ny demony tamin'ny Tompo.Ovana a.: Ny mielaka amin' ny hodi-kazo: Ny ouana dia eo anelanelan'ny kotofotsiny sy ny liodiny. ~ lai.: Ny zavatra miala na miendaka amin'ny tenan-javatra iray na mbola miraikitra eo aminy ihany: Ny tako-pery dia azo lazaina fa ouana. - F.-p,: Marary ouana: tsy matanjaka, mitsingoana. J Mifaditra ouana: manala faditra olona iray ka ovana no entina manala azy, tahaka ny ahitra koa indraindray (mifaditra ahitra). JTsy mifaditra marina: tsy mangoraka, tsy miantra olona voa, trapahoriana. / Fadiranovana: enti-milaza olona alana faditra amin'ny ovana, izany hoe olona tra-pahoriana na mampalahelo izaitsizy. Ovy a,: Zavamaniry fihinana ny vodiny, noho izy be tavo- ~lo, tsara, fantatra koa amin' ny anarana hoe ovimbazaha. Ahitsio
Oviala: a.: Karazana vomanga maniry nay an'ala. Ahitsio
Oviana: p. mt..: Entina manontany ny fotoana efa lasa nanaovana asa iray na nitrangan-javatra: Oviana no naira fanadinana ny zokinao? / 0-uiana no nahazo fahaleovantenu i Madagasikara? - t.i.f.: Fahoviana, rahoviana. Ahitsio
Ovohana: (ouoka) mt. ih. (ovohy): Alana, tsoahana, esorina. ? h. o.: Levilevena, tsinina mafy. 0voka a.: Fanalana ny zavatra mifantsika ka atao an'aina; fanesorana ny nify, na ny tandrok'omby alana hisaraka amin'ny kimbalombalony; fanaovana izay hampikoa ny ventin-dranovola; fikosohana ny tsikoko; fanesorana ny hoditra malemy ivelany amin'ny mangahazo, vary akotry. ? h. o.: Faniniana mafy dia mafy, levilevy. - t.i.f.: Aovoka, ovohana, voaovoka, tafaovoka 1 manovoka, fanovoka, mpanovoka 1 anovohana, fanovohana 1 miovoka, fiovoka, mpiovoka 1 iovohana, fiovohana / mahovoka lovokovoka. Ahitsio
Ovotra: a.: Ilay fotsifotsy afovoany indrindra ao anatin' ny hazo, tsoakan-dravinala sy. - da. Ahitsio
Ovotra: (Btm) a.: Atin'ny ravinala, izay fotsy ary fihinana. Ahitsio
Oza: a.: Fanasana (ny tarehy, ny tanana, ny tongotra). ~ Ny loto manaraka ny rano avy nanasana zavajavatra, toy ny tanana, tarehy, lovia: Ahitsio
Ozan-dovia: - t.i.f.: Ozana, aoza, voaoza, tafaoza 1 manoza, fanoza, mpanoza 1 anozana, fanozana 1 mioza, fioza, mpioza / iozana, fiozana 1 mahaoza 1 ozaoza. Ahitsio
Ozana: (oza) mt. ih. (ozay na ozao): Sasana. Ahitsio
Ozana: a.: Mitovy amin'ny Hozana. Ahitsio
Ozatra: a.: Jer. Hozatra. Ahitsio
Ozoina: Fihasimban'ny Zoina. Ahitsio
Ozona: p.: Teny firariana ratsy ny hafa; fianianana iantsoana loza; ompa. - t.i.f.: Ozonina, aozona, voaozona,tafaozonalrnanozona, fanozona, mpanozona 1 anozonana, fanozonana 1 miozona, fiozona, mpiozona / iozonana, fiozonana 1 mahozona 1 ozonozona. ΒΆ M.h.: Ompa, sahato, sariko, tsitsika. Ahitsio
Ozonina: (ozona) rat. ih. (ozony): Rarina ratsy, ompana. Ahitsio