Litera o

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ofo: a.: Fiovan'ny hoditra na fihintsanan'ny volon'ny vorona; fahalasanan'ny rano ny lokon-damba na fiovan'ny loko nony voan'ny hainandro. - t.i.f.: Miofo, fiofo, mpiofo / iofoana, fiofoana / manrpiofo 1 mahaofo. Ahitsio
Ofo: a: Teny enti-milaza ny fahefana na hasin'ny fanafody na ny sampy. Ahitsio
Ofony: a: Ilay hofakofaka na hoditra miendaka ka miala rehefamiofo ny biby mfofo. Ahitsio
Ofy: a.: Vaofy, fanalana hoditra voankazo, hoditra vodinjavamaniry toy ny mangahazo. - t.i.f.: Voaofy / miofy,fiofy, mpiofy / iofiana, fiofiana / mahaofy / ofiofy. Ahitsio
Ohabolana: (ohatra-volana) a.: Teny atao an'ohatra hilazana hevitra: oh. Vil)), nanitrika ka bongo mason'ny nahiny, izay ilazana an'ohatra ny olona voan'ny nataony ihany. (jer. Fitenenana). Ahitsio
Ohaka: a.: Endaka, fanendahana ny miraikitra. - t.i.f,: Miohaka, fiohaka, mpiohaka 1 iohafana, fiohafana / mampiohaka, fampiohaka, mpampiohaka 1 ampiohafana, fampiohafana / ohakohaka. Ahitsio
Oharina: (ohatra) mt. ih. (ohary): Ampitahaina: Tsy mety aho fa oharinao amin'ny ondry ny zanako. ? Refesina: Ohary amin'ity kofehy ity ny lohanao hiuidianako satroka ho anao. Ahitsio
Ohatra: a.: Fakan-tahaka: Ireto soratra ireto no omeo hataon'ny mpianatra ohatra rehefa manoratra izy. / Manomeza oha-pitondran-tena tsara ianareo mpitondra. ~ Sary vita amin'ny taratasy izay akana tahaka antin'ny didin'akanjo hatao: Ento any amin'ny mpanjaitra ity, fa ity no ohatr'ilay akanjo hodidiana ho any. 1 Filazana an-tsary, fanoharana: Sary an'ohatra no anaouana ny olona saro-tahotra hoe "rano an-dravina". ? Zavatra foronina mba hanazavana na hanamarinana fitsipika na hevi-teny iray: Manomeza ohatra iray momba ny fisintonan'ny tany ny zavatra rehetra halauitina azy. • Andrana: Nataoko an'ohatra fotsiny iny kabary iny fa tsy iny akory no tena izy. - t.i.f.: Oharina, aohatra, tafaohatra, voaohatra 1 manohatra, fanohatra, mpanohatra / anoharana, fanoharana / mahaohatra / ohatrohatra. - F.-p.: Oha-dia: fandrefesana amin'ny dian-tongotra. 1 Manoha-dia: 1) mandrefy amin'ny dian-tongotra — 2) mitady hitovy na hifaninana amin'ny ambony. I Oha-jaza: fombafomba arahina amin'ny fanaovana hasoavana raha maromaro ny zaza tsongoina: alahatra arakaraka ny halavany izy ireo ka volotara no andrefesana azy; tapahina izay mihoatrany lohan' ny tsirairay avy ka izany no amantarana izay lava sy fohy amin'izy ireo. J Oha-teny: fampisehoana teny mirindra sy tsara lahatra. / Tapitra ohatra: lavorary ka tsy misy sahala aminy amin'ny hatsarana. Ahitsio
Ohatra: ny ppk.: Enti-milaza ny fitoviana ara-pampitahana, ara-tsary: Miolikolika ohatra ny bibilaua ity renirano ity. / Ohatra an-dRaibeny ity zaza ity. (Misy manoratra ity teny ity "hoatra"; raha ny marina, dia teny iray ihany ity ppk. sy ny anarana ohatra fa ny tsindrimpeo fotsiny no samy hafa toerana, mitovy tsy misy valaka amin' ny tahaka sy tahàka; araka izany, dia tsy tokony ho namoronana teny iray vaovao hafa hatao ppk. fa ny anarana ohatra ihany dia ampy). ¶ M. h. Ohàtra: Tahàka, mitovy, mova tsy, ary koa ireo mitovitovy hevitra aminy; sahala amy, toy ny, toa. Ahitsio
Ohatrinona: p. mt.: Enti-manontany ny vidin-javatra: 0-hatrinona no uidin'iny manga iray kilao iny? Ahitsio
Oho: (Ski) a.: Karazam-botry manao ny tranony eny aniln' ny hazo. Ahitsio
Ohona: a.: Mitovy amin'ny Hohona. 0 - I - E a.: Hira na antsoantsom-pifaliana ataon'ny ankizy rehefa manao harendrina amin'ny Fandroana. Ahitsio
Ohy: a.: Mitovy amin'ny hohy. Ahitsio
Oirina: (oitra) mt. ih. (oiro): Aingaina mba hipoitra: Noiriny amin'ny bora uy ilay vato uao afaka. Ahitsio
Oitra: a.: Fanaingana zavatra mba hipoitra, ezaka hipoitra, fanaovana izay hitrakana. i t.i.f.: oirina, aoitra, tafaoitra 1 manoitra, fanoitra, mpanoitra 1 anoirana 1 mioitra, fioitra, mpioitra 1 infra-na, fioirana / mahaoitra / oitroitra. Ahitsio
Okitra: a.: Ezaka mafy, fikelezana aina. - t.i.f.: Miokitra, fiokitra, mpiokitra 1 iokfrana, fiokirana / okitrokitra. 0ko a.: Komy, firaisan-kevitra hanao teti-dratsy. - t.i.f,: Mioko, fioko, mpioko 1 iokoana, fiokoana. Ahitsio
Oksizena: (fr. oxygène) a.: Karazana gazy hita betsaka indrindra eo amin'ny zavaboary, izay mandoro ka mitera-ka hafanana; ny oksizena dia ilain'ny zavamananaina amin'ny fiainany fa mandoro ny loto ao amin'ny rany (ampahadimin'ny rivotra amin'ny atmosfera ny oksizena). Ahitsio
Oktobra: (fr. octobre) a.: Anaran'ny volana fahafolo airain' ny taona, misy andro 31. Ahitsio
Ola: ft.: Jar. Maola. Ahitsio
Olaka: a.: Fiviliana, fisafelehana, fandehanana tsy manaraka ny mahitsy. - t.i.f.: Aolaka, voaolaka, tafaolaka / manolaka, mpanolaka / anolahana, fanolahana / miolaka, fiolaka, mpiolaka / iolahana, fiolahana f mahaolaka / olakolaka. Ahitsio