Litera p

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Petahina: (petaka) mt. ih. (petaho): Fisahana amin'ny fa-m oretana. Ahitsio
Petaka: p. t.: Fisaka, tsy mivohitra fa mitovy tantana amin'ny manodidina: Orona petaka. • a.: Fandraiketana zavatra roa na maro mba hikambana tsara: Misy petataratasy eo amin'ny rindrin' ny tranonareo. - t.i.f.: Petahina, petahana, apetaka, voapetaka, pinetaka, tafapetaka / mametaka, fametaka, mpametaka / mipetaka, fipetaka / ametahana, fametahana / ipetahana, fipetahana. • F.-p,: Petaka an-toko na peta-toko: enti-milaza zavatra natao antemaka, tsy dia mafy rafitra fa kongorevo, vita tsizarizary. f Peta-doha: ilazana fantsika izay mitapelaka sy fisaka ny lohany. / Peta-drindrina: (taloha) nilazana ny saridiseza amin'ny trano; (ankehitriny) taratasy apetaka amin'ny rindrina misy filazana ho an'ny be sy ny maro. f Petaka orona: enti-milaza olona izay fisaka mila hitovy tantana amin' ny tarehiny ny haavon'ny orony. f Peta-taikomby: fametahana tainomby amin'ny rindrina. / Peta-taratasy: fametahana temitra na taratasy be velarana amin'ny rindrina. * Ohab.: Tsara tarehy petaka orona ha uoatondro iray no tsy naha-izy azy: zavatra kely matetika dia ampy hanimba zavatra iray izay mety ho tsara amin'ny ankapobeny. Ahitsio
Petra: a.: Fandrarana na fisakanana, - t.i.f.: Perana, voapetra. Ahitsio
Petra-dango: a.: Fomba nanaovana ny lango. (Raha vao nanomboka ho mena reny ny vary eny an-tanimbary, dia niotazan'ny olona ha-tao lango, ka ny sasany nentina hisaorana an'Andriamanitra Andriananahary, ary ny sasany kosa hanaovan'ny ankizy sambasamba). Ahitsio
Petrahana: (petraka) mt. pdr. (petraho): Enti-milaza izay asiana, ametrahana zavatra: Nopetrahan'i Bozy ilay siny mitete ny tsihy ka lena. Ahitsio
Petraka: a.: Fitoerana, toerana misy ny tena; fitombenana fa tsy fitsanganana. - t.i.f.:Petrahana, apetraka, voapetraka, tafapetraka / mametraka, fametraka, mpametraka / ametrahana, fametrahana / mipetraka, fipetraka, mpipetraka j ipetrahana, fipetrahana / mahapetraka / petrapetraka. - Petrak'ahitra: fandrika atao mba hanombotombohana ny hafa (nisy olon-dratsy mpamandrika taloha izay nanao toy izao: nametraka entan-kely teo anjoron-dalana izy, dia nihataka lavidavitra nitily, ka izay naka an'ilay entan-kely dia notombohany ho mpangalatra), / Petra-parafara: ny hazo fisaka tontam-parafara. Ahitsio
Petrika: na Petripetrika a.: Jer. Pitrika na pitti¢itrika. Ahitsio
Petsa: p. t.: Tsy maina fa misy rano ka mando be. - t.i.f.: Petsaina, petsana, apetsa, voapetsa / petsapetsa f petsapetsaina, apetsapetsa, voapetsapetsa / marnetsapetsa, fametsapetsa, mpametsaqetsa / ametsapetsana, fametsapetsana j mahapetsapetsa. Ahitsio
Petsahina: (petsaka) mt. ih. (petsaho): Lemana, mandoina, atao izay hahatonga azy mangeniheny. Ahitsio
Petsaina: Petsana (petsa) mt. ih, (petsao): Atao tonga mando; kotsana. Ahitsio
Petsaka: a.: Leman-drano misy rihidrihitra. - t.i.f.: Petsahina, apetsaka, voapetsaka / mametsaka, manapetsaka, fanapetsaka, mpanapetsaka / anapetsahana, fanapetsahana / petsapetsa. Ahitsio
Petsapetsa: p. t. : Enti-milaza ny tany misy rano ka mangeniheny, mangonahona. - F.-p.: Iray petsapetsa: 1) enti-milaza olona vitsivitsy na maro manana tanimbary iraisana; 2) olona iray foko; 3) olona miray tetika. / Petsapetsa vava: olona tsy mahatam-bava, mania vava, milaza ny nafenina na ny tsy tokony holazaina. Ahitsio
Petsapetsa: (Btl) a.: Honahona nototofana natao tanimbary. Ahitsio
Petsapetsaina: (petsapetsa) mt. ih. (petsapetsao): Vontosana rano, atao feno fotaka. Py a.: Fikimpikfmpin'ny ma- so, baiko atao amin'ny ma- so. 1 fi, f.: Pizina, pinizina, apy, voapy, tafapy / manapy, fa- napy, mpanapy f anapiazana, fanapiazana / mipy, fipy, mpipy / ipizana, fipizana I mahapy / pipy. - F.-p.: Py maso na pimaso: fanomezana baiko amin'ny maso. Ahitsio
Pia: a.: Aretina mpahazo ny mpifana. Ahitsio
Piahina: (piaka) mt. th. (piaho): Tapahina na vakina ka misy feo kely heno amin' izany. Ahitsio
Piaka: p.t. na a.: Tapaka, feo heno mikepoka amin'ny fahatapahan'ny hazo mailla na fifandonan'ny zavatra roa mifampikasika. - t.i.f.: Piahina, voapiaka / manapiaka, mamiaka, famiaka, mpamiaka / amiahana, famiahana f mipiaka, fipiaka, mpipiaka / ipiahana, fipiahana / mahapiaka / piapiaka. - F,-p.: Piaka ampinga: fikapohana ampinga sy fampandihizana azy ho marika fanehoan-kafaliana. / Manao piaka: milalao karatra. / Pia-koho: feon'ny hoho ampifampisakohina amin'ny hoho ha-fa iray. Ahitsio
Piano: (fr. piano) a.: Zavama- neno misy fitendry toy ny arimonia, saingy tsy mba rivotra no mampaneno azy fa ny fikapohana ny fitendrena izay mifandray amin'ny tadim-peo mikarantsana tsirairay avy: Mitendry piano. Ahitsio
Piarapiara: na Fiarafiara a.: Lalaon'ankizy mifampilanja na manao kilanjalanja ka ny tanana mifandika eo anoloana no ilanjan'ny zaza roa ny anankiray fahatelo. Ahitsio
Pihina: (pika) mt. ih, (piho): Kitihina hetsehina: Nopihiny tamin'ny uy kely ilay hidin-trano dia afaka. • Asiana rano mifantsitsitra: Piho rano kely aho fa mafana, • Vonoina (jiro mirehitra amin'ny herimbaratra): Piho amin'izay ny jiro hatoriana. • Akombona: Piho amin' izay ny elo fa efa maloka. Ahitsio