Litera p

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Poritika: a.: Rano na fotaka mifantsitsitra, mipatitaka. ~ p.t.: Kely, pitiny, madinika kely. - t.i.f.: Poritihina, aporitika, voaporitika, tafaporitika / manaporitika, fanaporitika, mpanaporitika / anaporitihana, fanaporitihana / miporitika, fiporitika, mpiporitika / iporitihana, fiporitihana / mahaporitika / porftidritika. Ahitsio
Poritra: p.t.: Tery: Poritra aho fa mikisakisaha. ? h.o.: Sahirana mafy: Poritry ny uolan'olona izy ka namidiny ny ombiny. ? Maika, dodo-na: Poritry ny handeha izy ka teny am-baravarankely no nitsambikina. - t.i.f.: Poretina na poritina, aporitfa, voaporitra / manaporitra / mamoritra, famoritra, mpamoritra / anaporetana, fanâporetana / amoreta- na, famoretana; amoritana, famoritana / mahaporitra 1 poriporitra. Ahitsio
Poritsaka: a.: Fahalatsahan-javatra tsy voatazona fa malama; fikorotsahana na fianjeran-javatra nafenina tany amin'ny tena; fandosirana na fidifiana na fialana an-tsokosoko mba tsy ho lifta. - t.i.f.: Aporitsaka, voaporitsaka 1 manaporitsaka, fanaporitsaka, mpanaporitsaka 1 anaporitsahana, fanaporitsahana / miporitsaka, fiporitsaka, mpiporitsaka / iporitsahana, fiporitsahana 1 mahaporitsaka / poritsadritsaka. Ahitsio
Porizenitra: a.: Fanomezam-boninahitra ataon'ny miaramila amin'ny mpanjaka na ny mpitondra ambony. Ahitsio
Poroatra: a.: Hafenoana mihoapefy. - t.i.f.: Aporoatra, tafaporoatra 1 miporoatra, fiporoatra, mpiporoatra 1 iporoatana, fiporoatana / mahaporoatra / poroadroatra. Ahitsio
Porofo: (angl. proof) a.: Zavatra na hevitra entina mana-marina ny filazana: Tsy manaiky aho raha tsy mahita porofo. ~ h,t.: Fanamarinana: Anisan'ny porofon'ny fisian'Andriamanitra ny ftrindran'ny zavaboary. 1 Andrana: Porofon-tsary. 1 Sorapirinty voalahatra ka mbola halana diso: Manitsy ny diso amin'ny poro fom-pirinty. - t.i.f.: Porofoina, voaporofo 1 manaporofo, fanaporofo, mpanaporofo 1 anaporofoana, fanaporofoana 1 mahaporofo. - Porofo aloka: porofo kitoatoa. I Porofo an titra: porofo tsy marina. I Porofo maivana: Porofo tsy misy lanjany. / Porofo mateuina: porofo marim-pototra, mavesa-danja. I Manala porofo: manitsy ny diso amin'ny porofom-pirinty. Ahitsio
Porofoina: (porofo) mt, ih. (porofoy): Hamarinina: Azonao porofoina va izany filazanao izany? Ahitsio
Pororoatra: a.: Hafenoana misy mihoatra betsaka; fiarahana maro manao rodobe sady aharenesana rodorodo. - t.i.f.: Apororoatra, tafapororoatra 1 manapororoatra, fanapororoatra, mpanapororoatra / anapororoatana, fanapororoatana 1 mipororoatra, fipororoatra, mpipororoatra 1 ipororoatana 1 fipororoatana 1 pororoadroatana. Ahitsio
Pororotra: a.: Pololotra. Ahitsio
Porosolaina: (fr. porcelaine) a.: Bakoly: Vilia porosolaina. Ahitsio
Porotaka: ft.: Enti-milaza ny kibo be matavy mirotaka na mitambotsotra midina. - t.i.f.: Tafaporotaka 1 mamorotaka, famorotaka 1 miporotaka, fiporotaka 1 porotadrotaka. Ahitsio
Porotsaka: a.: Fanomezana avy hatrany; tambotsotra. - t.i.f.: Aporotsaka, porotsahana, voaporotsaka, tafaporotsaka / manaporotsaka, fanaporotsaka, mpanaporotsaka / anaporotsahana, fanaporotsahana / mamorotsaka, famorotsaka, mpamorotsaka 1 amorotsahana, famorotsahana 1 miporotsaka, fiporotsaka, mpiporotsaka 1 iporotsahana, fiporotsahana /mahaporotsaka / porotsadrotsaka. Ahitsio
Porotse: (Ski) a.: Renitsirika. Ahitsio
Portogay: (fr. portugais) a.: Ny firenena monina any amin'ny tanin'i Portogaly: Mifanila tany ny Espaniola sy ny Portogay. 1 p.t.: Mikasika an'i Portogaly, an'i Portogaly na avy any Portogaly: Mahay teny portogay ny firenena maro any Amerika atsimo. Ahitsio
Portorikanina: (fr. Portoricain) a.: Ny firenena monina amin'ny tan y atsinanan'i Haïti: Zanatany ela espaniola ny Portorikanina. 1 p.t.: Momba an'i Porto-Rico, an' i Porto-Rico na avy any Porto-Rico: Mandray uokatra betsaka portorikanina ny E-tazonia, toy ny kafe, siramamy ary uoankazo. Ahitsio
Pory: a.: Karazam-borona. Ahitsio
Posaka: a.: Seho, tranga, filazana na fampiharihariana. - t.i.f.: Aposaka, voaposaka, tafaposaka / mamosaka, famosaka, mpamosaka; manaposaka, fanaposaka, mpanaposaka 1 amosahana, famosahana; anaposahana, fanaposahana 1 miposaka, fiposaka, mpiposaka Iiposahana,fiposahana 1 mifamosaka, mampamosaka, mampifamosaka 1 mahaposaka 1 posaposaka. Ahitsio
Posasakà: p. t.: Mitovy amin' ny Bosasaka. Ahitsio
Posy: na Posiposy (fr. pousse-pousse) a.: Karazana kalesy kodiaran-droa, taritin'olona, izay antsoina hoe borizano, ampiasaina amin'ny fitaterana amin'ny tanàn-dehibe sasantsasany; amin'ny tanàna misy havoana sy lemaka, dia roa ny borizano mitondra ny posy: ny iray mitarika ary ny iray manosika. Ahitsio
Potasy: (fr. potasse) a.: Vongana fotsy mora levona ao anaty rano, fanadiovana ny lamba mainty ary miditra amin' ny fanaovan-tsavony. Ahitsio