Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ranemba: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Ranendo: a.: Karazan-kazo madinika. (Lolanum aphananthum) Ahitsio
Ranga: (Ski) a.: Karazam-bahy fanao fanafody ho an'ny olona tera-bao. Ahitsio
Ranga: (Ski) a.: Ditin-kazo fotsifotsyeny amin'nyrantsankazo. Ahitsio
Ranga: p. t.: Mitsangana, toy ny sofin'ampondra. 4 Taitra, hendratra: Ranga ny sofindRakoto nahare fa nisy nahazo ilay vola roa hetsy tamin'ny lote ria. ? (tendrombohitra, hazo) Avo, tazandavitra. - t.i.f.: Rangaina, na rangavina, aranga, voaranga, tafaranga, mandranga, fandranga, mpandranga / andrangana, fandrangana / miranga, firanga, mpiranga / irangana, f?rangana, mpirangana / maharanga / rangaranga. Ahitsio
Ranga sofina: ranga maso: enti-manondro ny sofina taitra sy ny maso kaodikaody. / Ranga ny masony: hendratrany fijeriny no-ho ny hatairana tampoka. / Omb? rangaranga: omby lehibe sady lava tandroka. / Mandry tsy rangaranga: ma-tory feno ahiahy sy tebiteby noho ny tahotra zavatra ahiahina. Ahitsio
Rangahy: a.: Anarana omena ny sakoivy rehefa mby hiofo ho monany izy. Ahitsio
Rangahy: a.: Anarana iantsoana lehilahy efa baba taona ho fanajana azy: Lasa ilay Rangahy nipetraka teo ambonin'ny dabilio vato. Ahitsio
Rangaina: Rangavina (ranga) mt. ih. (rangao, rangauy): (Ity faharoa — rangavina — no fahita matetika kokoa) Takarina, tratrarina, ka izay farany avo takatry ny ta-nana atsangana mihoatra ny loha no lazaina amin'izany. ' ? Avo be rangavina: enti-milaza zavatra avo toerana ka atsotra hiakatra ny ta-nana eo am-pijoroana vao mahatakatra ny haavony. Ahitsio
Rangitana: (rangitra) mt. ih. (rangito): Atao izay hampaharanitra azy: Rangito ity antsy ity. Ahitsio
Rangitra: a.: Fandranitana zavatra, fanaovana izay hampaharanitra zavatra. - t.i.f.: Rangitana, arangitra, voarangitra / mandrangitra, fandrangitra, mpandrangitra / andrangitana, fandrangitana / mirangitra, firangitra / irangitana, firangitana I maharangitra I rangidrangitra I marangitra. Ahitsio
Rango: (Ski) a.: Karazan-tononkira miady rima mitanisanisa zavatra. Ahitsio
Rango: p.t.: Lava mahia, lava manify. Ahitsio
Rangolahy: a.: Bay vato fisaka amin'ny fasan-drazana atao varavarana mahazo mivoha sy mikatona eo anoloana; amin'ny fasana anirotra kosa, ilay vato fisaka atao rakopasana: Tsy mba vero na mba rangolahy / no manafina an'io fasana io fa ny nofoko zary manahy / no mandrakotra omaly sy anio. (J.J.R.) Ahitsio
Rangomaina: a.: Taolana fisapisaka telo zoro mamarana ny soroka any an-damosina. Ahitsio
Rangopohy: a.: Fanafohezantsonia fampiasa amin'ny taratasim-panekena na mba hanamarinana fanitsiana teny diso. Ahitsio
Rangorango: p.t.: Enti-milaza olona mihinana tsy miatoato. • a.: Fakana zavatra tsy miera amin'ny tompony. - t.i.f.: Rangorangoina, voarangorango, tafarangorango / mirangorango, firangorango, mpirangorango / irangorangoana / firangorangoana / maharangorango. Ahitsio
Rangorangoina: (rangorango) mt, ih. (rangorangoy): Alaina etsy sy eroa amin-kasahiana. Ahitsio
Rangotina: (rangotra) mt. ih. (rangoty): Ratraina amin'ny hoho: Norangotin'ny saka ny zanako. Ahitsio
Rangotra: a,: Ratra na kiaka avy anrin'ny hoho lava. - t.i.f.: Rangotina, arangotra, tafarangotra, voarangotra / mandrangotra, fandrangotra, mpandrangotra I andrangotana, fandrangotana 1 maharangotra / rangodrangotra. Ahitsio