Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ranombavaka: a.: (taloha) Ra-no fanafanana natao tao am-bava dia namafazana ny olona marary na ny olona handeha lavitra — (ankehitriny) Vavaka ombam-paniriana miloaka ny fo. Ahitsio
Ranomena: a.: Fanafody alaina avy amin'ny taola-maina tenehina, ka ampiasaina ho ody aretin-kibo na aretin' andoha. Ahitsio
Ranomody: a.: Ranomitambolimbolina amin'ny renirano ka mety hahafaty ny olona milomano voasangodina ao anatiny. Ahitsio
Ranon-dolana: (rano, lolana) a.: Ranon'ozan-dovia, rano avy amin'ny nanasana lovia, vilany. Ahitsio
Ranona: a.: Teny ifampiantsoan'ny samy vehivavy rehefa miresaka, na ilazany olona tsy tiana hotononina ny anarany na hadinony tsy tonga ao am-bavany: Tsy hitandRanona angaha ilay olona teto anikeheo? — Ranona atsy avaratra no nandrenesako an'izany. Ahitsio
Ranonafero: a.: Rano miforona ao amin'ny aty, izay misy asany amin'ny sakafo hanina. Ahitsio
Ranonando: a.: Rano ateraky ny ando vao maraina eny amin'ny tendron'ny ahitra. Ahitsio
Ranondoha: a.: Rano avy amin'ny vehivavy, izay latsaka alohan'ny zaza ateraka, ka matetika fambara fa efa akaiky ny ahalatsahany. Ahitsio
Ranonerika: a.: Orana manify mifafifafy kely madinika. Ahitsio
Ranonivy: a.: Rano avy amin' ny ivy izay miforona ao anaty vava. Ahitsio
Ranonorana: na Orana a.: Rahona mihantona eny amin' ny rivotra manodidina ny tany izay tonga rano ka milatsaka mitaika ety ambonin'ny tany. Ahitsio
Ranorano: (fit.-p.) a.: Sosoa. Ahitsio
Ranoray: na Ranoiray p.t.: Enti-milaza loko maro mitambatra ka manjary tokana lehibe, bambaray: Irony loko samy hafa atentin'ny habakabaka / milahatra mirindrarindra, milanto mifanapatapaka /; kanjo nony keiikeiy mihanaka ho ranoray. (Haeckel A.) ? Mitovy tantana: Tondraka ny rano manodidina ny tanàna, ka tsy nisy havoana sy lemaka intsony, fa ranoray no fitazana azy. Ahitsio
Ranoresy: a.: Rano farany na kaokany amin'ny fanaovana siramamy. Ahitsio
Ranotrambo: a.: Enti-milaza rano tondraka be vetivety noho ny orana avy tampotampoka ary mihena vetivety ihany koa. Ahitsio
Ranotsilany: a.: Fomban-domano mitsotra mandry (mitsilany) eo ambony rano ary dia misosa amin' izay. Ahitsio
Ranovelona: a.: Metaly ranony ka mihanankanana toy ny menaka ary fampiasa indrindra hanaovana fitaovana fitsapana hafanana. Ahitsio
Ranovisy: (eau de Vichy) a.: Rano miboiboika avy any anaty tany manasitrana aretina sasantsasany toy ny aretin'aty: Eto Madagasikara, dia ao Antsirabe no misy ranovisy. Ahitsio
Ranovoahasina: a.: (teny fanrpiasa amin'ny fivavahana katolika) Rano nohamasinin' ny Pretra ka anaovana famantaran'ny hazofijaliana amin' ny tena raha vao miditra ao an-trano fiangonana ary ampiasaina amin'ny fitsofandrano olona na zavatra isankarazany. Ahitsio
Ranovola: a.: Rano hafanaina ao anaty vilany mbola misy ampango ka atao fisotro eo am-pisakafoana, atao koa hoe ranon'ampango. Ahitsio