Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rezarezaina: (rezareza) mt. ih. (rezarezao): Enti-milaza ny valiha kitikitihina amin'ny fomba toa valabalaka. Ahitsio
Rezatina: (rezatra) mt. ih. (rezato): Fantsihana amin'ny fantsika vaventy. Ahitsio
Rezatra: a.: Fofona mivoaka avy ao am-bava, avy amin'ny sakafo nohanina tsy levona. ? Fantsika lehibe. - t.i.f.: Rezatina, arezatra, voarezatra / mandrezatra, fandrezatra, mpandrezatra / andrezatana, fandrezatana / mirezatra, firezatra, mpirezatra I irezadrezatana, firezadrezatana I maharezatra. Ahitsio
Rezoka: Mitovy amin'ny Razoka. Ahitsio
Ria: sy Riaria a.: Fandehanan' ny rano izay mafy firiotra; fanetsiketsehana zavatra ao anaty rano; fandehandehanana ets? er9 amin-kafaliana. - t.i.f.: Riariavina, ariaria, voariaria / mandriaria, fandriaria, mpandriaria / andriariavana, fandriariavana I miriaria, firiaria, mpiriaria / iriariavana, firianiavana I maharfarfa / maria. Ahitsio
Riadriaka: a.: Hafaliana noho ny fiarahana amin'ny hafa. Ahitsio
Riadriatina: (riadriatra) mt, ih. (riadriato): Atao amin-katezerana arahim-pihetsika mitrevatreva; apoapoaka mafy. Ahitsio
Riadriatra: a.: Hatezerana arahim-pihetsika mitefotefoka na mitrevatreva, tsy misy fitsitsiana na dia kely aza; fipoahana mahery setra. 1 Riadriatina, voariadriatra, tafariadriatra / miriadriatra, firiadriatra, mpiriadriatra / iriadriatana, firiadriatana. Ahitsio
Riadriatra: a.: Fomba filalao amin'ny fanorona, mifanohitra amin'ny vela. Ahitsio
Riadriatra: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Riaka: a: Rano avy amin'ny ranonorana mikoriana amin' ny tatatra: Nentin'ny riaka ny satrony ka tsy tratra intsony. • h.o.: Habetsahana. ? h.i.: Rano be;ranomasina: Aniuon'ny riaka no anarana niantsoana fahizay ny tanintsika. - t.i.f.: Mandriaka, fandriaka / miriaka, firiaka / riadriaka / miriadriaka, firiadriaka, mpiriadriaka / mahariadriaka I mariaka sy mariadriaka. - F.-p.: Aniuon'ny riaka: enti-milaza izay tany voahodidin'ny rano toa an'i Madagasikara, ka izany teny izany indrindra no nilazana ny Nosin'ny Malagasy fahizay. / Entin-driaka: paohin'ny rano mandeha amin'ny tatatra. min'ny toerana ambony, izay matetika avy amin'ny fahatapahan'ny lalan'ny renirano, ka tsy misononoka intsony fa midina tampoka manaraka laha-bato mikitoantoana; noho ny rano mianjera mafy, dia misy roatrany be ary mitalakotrokotroka ny riana sasany. - t.i.f.: Rianana / mandriana, fandriana / riandriana / miriandriana. - F.-p.: Riam-bato: enti-milaza ny rano mivarina amin' ny haram-bato. f Saobakaka ambody riana: fitenenana ilazana ny olona tsy milamintsaina fa voakorontana sy mitebiteby lava toy ny saobakaka voakotaban'ny fivarinan'ny rano mianjera ao amin'ny riana eo akaikiny. * Ohab.: Tsy misy uolo manoha randrana, na vato manoha riana: enti-milaza fa tsy misy manohitra izay atao sy heverina fa milamina tanteraka hatrany. Ahitsio
Rianana: (riana) mt. ih. (riano): Asiana mafy: Norianany ny tehamaina ilay zaza niteny ratsy. • Katrohina: Riano o. m in' izao. Ahitsio
Rianaratra: a.: Onjan'aratra mitsoriaka amin'ny tari-barahina. Ahitsio
Riandriana: a.: Vy bontolo, fisapisaka ny tampony, ametrahana ny zavatra hotefena izay kapohina amin'ny maritoa eo amboniny. Ahitsio
Riariavina: (riaria) mt. ih. (riariauo): Hetsiketsehina ao anaty rano. Ahitsio
Riatina: (riatra) mt. ih. (riato): Ampandosirina, aparitaka: Riato ireo zaza ireo fa mahasosotra. • Rovitina ka heno mitsiaka ilay zavatra; tsiahina: "Noriatiny ny akanjony fa naneuateua an'Andriamanitra, hono, izy". Ahitsio
Riatra: mt.: Lasa, lasa nandositra, niparitaka: Vao nipoaka ny basy, dia riatra ny uorona teo ambony hazo. • h. o.: Mirintona, miala an-katezerana. i tif: Riatina, ariatra, voariatra, tafariatra / mandriatra / mampiriatra I ampttiatina / miriatra, fixiatra, mpiriatra / iriatana, firiatana I mahariatra / riadriatra I riadriatina I miriadriatra. Ahitsio
Riba: a.: Fomba amam-panao: Tsy riba vao fa riba tranainy. Ahitsio
Ribà: (fr. ruban) a.: Tsoriadamba manify fanao hafngon'akanjom-behivavy na famatorana volo na famehezana amboaran-javatra mihaja. Ahitsio
Ribariba: a.: Kibo be mirotarota; fandeha mikonesanesa noho ny hatavezana. Miribariba, firibariba / ramiribaka. Ahitsio