Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Robiroby: a.: Ilazana ny fiarahan'ny mpianakavy mifalifaly, miravoravo. * t.i.f.: Robirobina, arobiroby, tafarobiroby / mirobiroby, firobiroby / irobirobiana, firobirobiana / maharobiroby. Ahitsio
Robo: a.: Teny atao mba handokadokafana olona tiana hahazoan-javatra; fitaka amin'ny teny mamy; lainga entina mampirisika hanao ny tsy tokony hatao. * tif: Roboana, arobo, voarobo / mandrobo, fandrobo, mpandrobo / androboana, fandroboana / maharobo. Ahitsio
Roboana: (robo) rat. ih. (ro-boy): Fitahina amin'ny teny mamy, dokadokafana: Noroboan'ny namany izy dia roso tokoa. Ahitsio
Robohana: (roboka) mt. pdr. (robohy): Enti-milaza izay andentehana zavatra: Robohan'ny olona tapa-kazo io rano io dia sotroiny. Ahitsio
Robohina: (roboka) mt. ih. (robohy): Itana tsy mahalentika: Tsy azo robohina io rano io, Ahitsio
Roboka: a.: Fandentehana ao anaty rano: Ataouy tsara roboka ao anaty rano nato ny land y. • p. t.: Voangoly, voataona, voatarika hanao zavatra: Vao nahare ilay vola be ny anao lahy dia roboka. * t.i.f.: Robohina, robohana, aroboka, voaroboka / mandroboka, fandroboka, mpandroboka / androbohana, fandrobohana / miroboka, firoboka, mpiroboka / ?robohana, firobohana / robodroboka. Ahitsio
Robona: a.: Voly tsara faniry ka midoroboka fatratra. * t.i.f. : Mandrobona, fandrobona / manorobona, fanorobona, mpanorobona / mirobona, firobona, mpirobona / robondrobona. Ahitsio
Robontsy: (Ski) a.: Anaran-kazo misy tsilony. Ahitsio
Roborobo: a.: Toetran'ny afo miredareda, mirehitra fatratra. * t.i.f.: Roboroboina, roboroboana, aroborobo, voaroborobo, tafaroborobo / mandroborobo, fandroborobo, mpandroborobo / androboroboana, fandroboroboana / miroborobo, firoborobo, mpiroborobo / iroboroboana, firoboroboana / maharoborobo. Ahitsio
Roboroboana: (roborobo) mt. ih. (roboroboy): Ampirehetina hiredareda fatratra. Ahitsio
Roboroboina: (roborobo) mt. ih. (roboroboy): Falifalina, amporisihina na entanina hifaly. * Ohab.: Roboroboin'ny mpanana ka ny mahantra auy no manao be fahandro: aoka tsy ho voatariky ny olona tsy mitovy amin'ny tena ka manao toa azy na dia mety hanimba ny tena aza. Ahitsio
Rodahina: (rodaka) mt. ih. (rodahy): Lanilanina foana, tobatobaina: Norodahiny ny lova napetraky ny ray amandreniny ka uetiuety foana dia nahantra izy. Ahitsio
Rodaka: p.t.: Mirehitra milelalela amin'ny tsy antony. • Mandanilany befahatany, mirobaroba ny ananana. * t.i.f.: Rodahina, arodaka, voarodaka / mandrodaka, fandrodaka, mpandrodaka / androdahana, fandrodahana / mirodaka, firodaka, mpirodaka / irodahana, firodahana / maharodaka / rodadrodaka. Ahitsio
Rodana: a.: Fanadabohana na fandavoana hiongana amin' ny tany; fianjerana na fikoavana. - t.i.f.: Arodana, voarodana, tafarodana / mandrodana, fandrodana, mpandrodana / androdanana, fandrodanana / mirodana, firodana / irodanana, firodanana / maharodana / rodandrodana. Ahitsio
Rodaroda: p.t.: Manao izay hampirehi-be ny kitay eo am-patana. • h.i.: Mpandanilany tsy mitsapa ny farany. - t.i.f.: Rodarodaina, arodaroda, voarodaroda / mandrodaroda, fandrodaroda, mpandrodaroda / androdarodana, fandrodarodana / mirodaroda, firodaroda, mpirodaroda / irodarodana, firodarodana / maharodaroda. ¶ M.h.: Rodaka, tobatoba, robaroba. Ahitsio
Rodarodaina: (rodaroda) mt. ih. (rodarodao): Lanilanina foana. Ahitsio
Rodo: a.: Tsy fampiasa afa-tsy amin'ilay teny hoe Rodobe: Fiarahan'ny maro manao zavatra iray: Tsy ifandrenesana azon'ny manao rodobe ianareo rehefa mamaly. Ahitsio
Rodona: a.: Feo heno avy amin'ny famindran'olona ma-ro be ; rodorodo, kirodorodo. Ahitsio
Rodonina: (rodona) mt. ih. (rodony): (omby na ondry) Roahina indray miaraka daholo. • (hira) Iarahana mihira daholo: Rodony ny hira "Ry tanindrazanay malala ô!" Ahitsio
Rodorodo: a.: Feo heno avy amin'ny famindran'olona na andiam-biby maro miaraka, na avy amin'ny firimorimonjavatra mandeha haingana. • Hamaikana, hadodonana. ¶ M. h.: Rotoroto, korododo, korobobo, heninkenina. - t.i.f.: Rodorodoina, voarodorodo, tafarodorodo / mandrodorodo, fandrodorodo, mpandrodorodo / androdorodoana, fandrodorodoana / mirodorodo, firodorodo, mpirodorodo / irodorodoana, firodorodoana / maharodorodo. Ahitsio