Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Roimainty: a.: Voarointsaka dia. Ahitsio
Roimemy: na Romemy a.: Karazana roy izay mafy aoka izany ny hazony (Mimosa la-t isp in osa). Ahitsio
Rojo: a.: Masom-by na varahina na volafotsy na volamena mitohitohy ka zary fehy, hitanana mpangalatra na hiambozonan-javatra na hatao haingo: Tapaka ny rojompamantaranandroko. / Rojo vy. / Rojo vola. - F.-p.: Rojo taolan'amalona: rojo karazany hafa kely fa ny fitohitohizan'ny masom-by aminy dia toy ny taolan-dam osin' amalona. Ahitsio
Rojo: a.: Karazam-bary lava madio ny voany: Vary rojo fotsy; rojo mena. Ahitsio
Roka: a.: Zezika, zezika miavosa kely na fotaka manampina ny vava lavaky ny foza. - F.-p.: Homan-droka: efa antitra dia antitra (ka miverina amin'ny fahazazana mitsimpona mihinana izay rehetra hitany na dia fakofako aza). Ahitsio
Rokina: (roky) mt. ih. (rokio): Tenenina na tononina tsy mahitsy tsara: Aza rokinao ny fitenenana fa tsy any ambaniuohitra akory isika. Ahitsio
Rokoroko: a.: Fivontovontosana kely majinika be dia be ao amin'ny vohon-javatra iray, hasaosao, haraorao. * t.i.f.: Arokoroko, rokorokoina / mirokoroko, firokoroko, mpirokoroko / marokoroko / faharokoroko, harokorokoana, faharokorokoana. Ahitsio
Rokorokoina: Arokoroko (rokoroko) mt. ih. (rokorokoy): Atao maraorao, mandrotsirotsy. Ahitsio
Roky: a.: Fiteny na fanononan-teny tsy mahitsy. • Fodiana adala mba hanambakana. - t.i.f. : Rok?na, aroky, voaroky / mandroky, fandroky, mpandroky / androkiana, fandrokiana / miroky, firoky, mpfroky / irokiana, firokiana / rokiroky. Ahitsio
Romaroma: Mitovy amin'ny Rem arem a. Ahitsio
Romba: a.: Anaran-javamaniry mantra. Ahitsio
Rombahina: (rombaka) mt, ih. (rombaho na rombahy): A-laina tampoka sy an-kery: Norombahiny ny uatomamy teny an-tanan-jandriny, • h. i.: Tapahina (tenin'olona): Aza rombahina ny teny fa mbola tsy anao ny fitenenana. Ahitsio
Rombaka: a.: Fakana tampoka ny zavatra eny amin'ny hafa; fahamaimaizana hiteny ka mitsatsaingoka hilaza. * t. t. f. : Rombahina, voarombaka, tafarombaka / mandrombaka, fandrombaka, mpandrombaka / andrombahana, fandrombahana / mirombaka, firombaka, irombohana, firombohana / mifarombaka, mifandrombaka / maharombaka 1 rombadrombaka 1 firombaka. Ahitsio
Rombina: a.: Misy banga na silaka eo amin'ny molo-javatra iray: Rombina ity uilia ity fa soloy. * t. t. f.: Rom binana, voarombina / mandrombina, fandrombina, mpandrombina / andrombinana, fandrombinana / maharombina 1 rombindrombina. Ahitsio
Rombinana: (rombina) mt. ih. (rombino): Silahina asiana banga kely eo amin'ny molony. Ahitsio
Romborombo: a.: Rambondrambony na kitsambony amin'ny zavatra tsy voafarana tsara; ambiny mitaritarika na mitarozadrozaka amin'ny taratasy tsy voadidy tsara: Makà hety hanapahana ny romborombony amin' ity lamba ity. * tif: Romboromboina na romboromboana, aromborombo / mandromborombo, fandromborombo, mpandromborombo / andromboromboana, fandroboromboana / miromborombo, firomborombo, mpiromborombo / iromboromboana, firomboromboana. Ahitsio
Romboromboina: na Romboromboana (romborombo) mt. ih. (romboromboy): A-siana romborombo amin'ny sisiny. Ahitsio
Rombotana: (rombotra) mt. ih. (romboty): Rombinana, rovitina. Ahitsio
Rombotra: p.t. sy a.: Rovitra, rombina na silaka; faharovitana na faharombinana noho ny fisintonana an-keriny: Misy rombotra ny akanjonao. - t.i.f.: Rombotana, voarombotra / mandrombotra, fandrombotra, mpandrombotra / andrombotana, fandrombotana / mirombotra, firombotra, mpirombotra / irombotana, firombotana / maharombotra / rombodrombotra. Ahitsio
Romemy: Mitovy amin'ny Roimemy. Ahitsio