Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rongoana: (rongo) mt. ih. (rongoy): Ravahana (vakana) ny sisiny. Ahitsio
Rongonimbazaha: a.: Karazankazo madinidinika anaovana lamba malefadefaka tsara tarehy. Ahitsio
Rongony: a.: Zavamaniry misy kirany azo tenomina ary fifohan'ny olona sasantsasany ny voany, izay atao koa hoe maosy, na katrinia: Mahalasa adalaladala sy mahabibibiby ny fifohana rongony. Ahitsio
Rongotina: (rongotra) mt. ih, (rongoty): Enti-milaza zavajavatra betsaka entina mima-ka amin'ny tena ka somary manahirankirana: Norongotiny daholo ny akanjony sy ny lam ban y. Ahitsio
Rongotra: a.: Zavamaniry. Ahitsio
Rongotra: a.: Fitondrana zavajavatra maro izay mampananosarotra ny tena; fiarahana amin'ny ankizy betsaka izay misarangodrangotra eny am-pandehanana. - t.i.f.: Rongotina, voarongotra / mirongotra, firongotra, mpirongotra / irongotana, firongotana 1 maharongotra / rongodrongotra. Ahitsio
Ronjana: p.t.: Vizana tsy afamitraka fa vesaran'enta-mavesatra. * t.i.f.: Mandronjana I maharonjana. Ahitsio
Ronjina: a.: Tosika maherihery atao olona mijoro mba hampianjera azy. * t.i.f.: Axonjina, voaronjina, tafaronjina / mandronjina, fandronjina, mpandronjina / andronjenana, fandronjenana / mironjina, fironjina, mpironjina / ronjindronjina. Ahitsio
Ronono: a.: Tsiranorano fotsifotsy amin'ny nonon'olona na ny tohatr'omby ka iveloman'ny zaza sy ny zanak' omby. * t.i.f.: Mandronono. - F.-p.: Hero-dronono: menaka azo avy amin'ny ronono. / Manao ronono an-tavy: enti-milaza ny fanomezantoky handroboana ny sasany; teny mamy manodoka, maharenoka sy mahafaly, saingy tsy azo vitaina sy tanterahina. / Rononomandry: ronono namboarina ary atao am-bifotsy azo tehirizina. / Misotro ronono, apetraka hisotro ronono: ilazana ireo mpiasa (indrindra ny mpiasam-panjakana) nahavita ny fe-potoana ilaina ka tsy miasa intsony, nefamandray vo-la noho ny taona maro niasany. / Ronono uelona: ny ronana noterena tamin'ny omby fa tsy namboarina. / Taidronono mandroatra: entimilaza ireo mora taitaitra ka zavatra tsy toy inona aza dia mampihendratra azy. / Tsitongandronono: aretina mahazo ny sofina izay misy na-na fotsifotsy mivoaka. / Vouo-dronono: ronono namboarina ho vovony. * Ohab.: Tranobongo misy ronono ka sarotra atao malahelo: enti-milaza fa na dia tsotsotra sy mahantrahantra aza ny an'ny tena, dia tiana ihany raha ahitana mamy. / Vary amin-dronono tondrahan-tantely ka tian-ko lalina indrindra: enti-milaza zava-tsoa mitontohitra ka tiana sy ankasitrahana fatratra. Ahitsio
Rononomandry: a.: Ronono namboarina atao am-bifotsy ka azo tehirizina, atao koa hoe ronono amin'ny boaty. Ahitsio
Rontona: a.: Hafainganana, hazakazaka dodona. - t.i.f.: Mandrontona, fandrontona, mpandrontona / androntonana, fandrontonana / mirontona, firontona, mpirontona 1 irontonana, firontonana / maharontona / rontondrontona. Ahitsio
Rontsana: Fihasimban'ny Ronjina. Ahitsio
Rontsina: Fihasimban'ny Rontsona. Ahitsio
Rontsona: a.: Kapoka karavasy na tahamaina. ? Fitendrena na fikitihana ny valiha. * t.i.f.: Rontsonana, voarontsona / mandrontsona, fandrontsona, mpandrontsona / androntsonana, fandrontsonana / maharontsona / rontsondrontsona. Ahitsio
Rontsonana: (rontsona) mt. ih. (rontsony): Kapohina (amin' ny karavasy, tahamaina). ? Tendrena, kitihina (valiha): Rontsony ny ualiha, kaloy ny hira. Ahitsio
Rope: (Ski) a.: Tady mahazaka. Ahitsio
Ropia: (angl. rupee) a.: Venty fototry ny vola any India. Ahitsio
Ropiropina: (ropiropy) mt. ih. (ropiropio): Atao tonga fadiranovana. Ahitsio
Ropiropy: a.: Fahantrana amim-pivelomana, fahoriana, fahadiranovana, filopilopiana. - t.i.f.: Ropiropina, aropiropy / miropiropy, firopiropy, mpiropiropy 1 maharopiro-PY. Ahitsio
Ropy: a.: Takoko, fipetraka m anj okaiky. * f. : Miropy. Ahitsio