Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rova: a.: Tsatokazo vaventy marani-doha namefy ny lapan'Andriana taloha. ? Lapa na fonenan'ny mpanjaka: Niditra tao an-droua ny vahoaka nanatitra ny hasin'ny mpanjaka nony tonga ny fandroana. - t.i.f.: Rovana, arova, voarova / mandrova, fandrova, mpandrova / androvana, fandrovana / mirova, firova, mpirova / irovana, firovana / maharova / rovarova. - F.-p.: Ambody roua: toerana nitsarana ny ady izay tsy vita tany amin'ny sakaizambohitra sy ny fokonolona./Anaty roua: ny faritra ao anatin'ny rovan'ny mpanjaka na ny solony tany ivelan'Antananarivo, toy ny komandy, governora, izay nanaovana rova hitoerany. / Miaka-droua: ny ady ifandirana tsy vitan'ny fokonolona sy ny sakaizambohitra no nantsoina tamin'izany, ka mandrakariva raharaha na ady lehibe toy ny mikasika ny fikomiana. / Manani-droua: ilazana ny mpangalatra na ny mpikomy ka miditra ny rova hamono ny mpanjaka — ny diso fitondran-tena naka ny vadin'ny mpanjaka koa dia notondroina ho manani-drova fa tena heloka lehibe izany. / Tsy midi-droua: enti-milaza ireo zavatra na olona norarana tsy hididrova; maro tokoa ireo toy ny zava-maranitra (fiadiana) ny olo-meloka,nyhena ratsy, ny toaka sy ny rongony tamin'ny andron'Andrianampoinimerina... Ahitsio
Rovana: (rova) mt. ih. (rovao): Hodidinina rova na fefy. Ahitsio
Rovirovina: (rovy) mt. ih. (rovirouio): Roridroritina, potipotehina. Ahitsio
Rovirovy: ft.: Fanapotipotehana zavatra na lamba. - t.i.f.: Rovirovina / mandrovirovy. Ahitsio
Rovitina: (rovitra) mt. ih. (rouito): Atao rovitra, triarina, tatahana, rotehina: Norouitin'i Naivo ny kahieny. Ahitsio
Rovitra: (rouita) a.: Sombinjavatra rotika: Notehiriziny ny rovitry ny saina, ? p.t.: Nisy sombin'ny tenany triatra ka niala, tataka, rotika: Rovitra ny lambako. Rovita alohan'ny aina, ? h,i,: 1) Simba, tapaka: Rovitra ny fihavanana. 2) Voasamatsamaka, misaritaka: Ho rouitra ny fanjakana raha mitohy izao tsy fifankahazoan'ny mpitondra izao. - t.i.f.: Rovitina, voarovitra / mandrovitra, fandrovitra, mpandrovitra / androvitana, fandrovitana. - Roui-damba ririnina (jer. Ririnina). ¶ M. h. : Triatra, riatra, mitsiaka, mitsiatsiaka, mitriatra, mitsefaka, misalasalaka, tata-ka, tata-bitrana, kotika, rota, rotika, mivorikitsay, tsy misy hitomboham-pilo. Ahitsio
Roy: Kianteny entina manolo ny anaran'olona tsy tiana hotononina, ary matetika mifamaly amin'ny hoe "lahy". Ahitsio
Roy: a.: Karazan-kazo kely madinidinika misy tsilotsilony ary fihinam-boa: Ny uoan' ny roy no atao hoe uoaroy. (Maro karazana ny roy: roibe, roibelahy, roibevavy, roifantaka, roimainty, roimemy; samy jereo amin'ny toerana tokony hisy azy avy ireo). Ahitsio
Rozaka: ft.: Toetran'ny zavatra lava miramborambo ka mikiraviravy. ? Fotoana lava loatra amin'ny fanaovan-draharaha. - t.i.f.: Arozaka / mirozaka, firozaka, mpirozaka / mitarozaka / mivarozaka. Ahitsio
Rozana: a.: Fifanoherana. Ahitsio
Rozana: ft.: Fitavozavozana eo amin'ny adihevitra, tsy fifanarahana. - t.i.f.: Mandrozana, fandrozana, mpandrozana / androzanana, fandrozanana / mifandrozana 1 maharozana / rozadrozana. Ahitsio
Rozaroza: a: Toetran'ny zavatra lava sy miramborambo, mikiraviravy (mitovy hevitra sy fitanisana amin'ny Rozaka). - t.i.f.: Arozaroza, tafarozaroza / mandrozaroza, fandrozaroza, mpandrozaroza / mirozaroza, firozaroza, mpirozaroza / irozarozana, firozarozana / maharozaroza / mitarozaroza. Ahitsio
Rozatina: (rozatra) mt. ih. (rozaty): Roridroritina, sintontsintonina: Mafy ny mahazo an'itsy uehivauy itsy fa rozatin-janany foana ny flocon y. ? h.i.: Averimberina lazaina tsisy farany mba hamelezana olona. Ahitsio
Rozatra: ft.: Roridroritra lava tsy misy fitsaharana (toy ny zazakely mandroridroritra ny nonon-dreniny); fanararaotana teny na hadisoana kely nataon'olona mba hitanarahana azy mandavan-taona, vazizotra. - t.i.f.: Rozatina, voarozatra / mandrozatra, fandrozatra, mpandrozatra / androzatana, fandrozatana / mirozatra, firozatra / maharozatra / rozadrozatra. Ahitsio
Rozirozy: a.: Havizanana, hasasarana. - t.i.f.: Mirozirozy. Ahitsio
Ry: Kianteny kely: a) atao eo alohan'ny anaran'olona antsoina: Ry Koto o! ento aty ny solomasoko; b) atao eo alohan'ny anaran'olona itenenana am-pitiavana: Ry hava-na, aoka isika hifankatia fa ny maty aza, hono, te ho maro; d) atao eo alohan'ny Riana a.: Rano mianjera avy a-an aran ' olona an gatahan-javatra amim-pitalahoana: Ry Tompo ô, mamindrà fo aminay! Ahitsio
Ry: Jer, Ray. Ahitsio
Ry: p.a.: Izay amplasaina raha olona maro no tondroina: Efa tonga oe ry Rakoto mianakauy? / Tsy fantatro ny nalehan-dry zalahy. Ahitsio