Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Soratana: (soratra) m. t. ih. (soraty): Atao an-tsoratra: Soraty izao hafatro izao. / Soratany isan'andro ny laniny. ? Ampandrenesina amin'ny taratasy: Hosoratako aminy io uaouao io. ? Foronina: Tamin'ny taona inona no nosoratan-dRabearivelo ny tononkalo hoe "Fasana faharoa?" Ahitsio
Soratononina: a.: Fanazarana na fampiasana any an-tsekoly, hianarana ny fanoratana ny teny araka ny fanao na ny fitsipi-panoratana. Ahitsio
Soratra: a.: Dihy miara-be fanao taloha raha misy hasoavana malaza. Ahitsio
Soratra: a.: Marimarika isan-karazany azo vakina: Saro-bakina ny soratr'ity zaza ity. ? Filazana an-tsoratra: Misy soratra milaza hoe tsy azo aleha ao. - t.i.f.: Soratana, asoratra, voasoratra, sinoratra / manoratra, fanoratra, mpanoratra / anoratana, fanoratana / misoratra, fisoratra, mpisoratra / isoratana, fisoratana / mahasoratra / soratsoratra. - F.-p.: Ampy misoratra: ilazana ny zaza antonona amin'ny taona hanao ny dihy soratra amin'ny fotoanan'ny famorana. / Sorabola: ny sary amin'ny vola vy. / Sora-boninahitra: ny galonan'ny miaramila; laharam-boninahitra. / Sora-panorona: ny tsipika mifanapatapaka amin'ny lalao fanorona. / Sora-kena: ny faritra samihafa amin'ny hena tokony ho an'ny tsirairay arakaraka ny laharam-boninahiny. / Sora-pihavanana: ny kototanim-pihavanana, na ny fifamatorana maha-mpihavana eo amin'ny fianakaviana. /Sora-tanana:soratra nataon' ny tanana. / Sora-panambadiana na soratra fotsiny: ny fanoratana ny fanambadiana eo anoloan'ny solontenampanjakana. / Sora-tononina: teny tononin'ny hafa ka soratan'ny hafa. / Soratrandra na sorapohy: (jer. io teny io). / Soratr'aretina: ny toetra mampiavaka aretina iray amin'ny hafa. Ahitsio
Soratra Masina: a.: Tenin'Andriamanitra voasoratra, izany hoe olona ihany no nanoratra azy fa Andriamanitra no nanoro sy nampanoratra. Ahitsio
Sorena: (sory) p. t.: Azon'alahelohelo miaraka amin'ny fahadisadisana: Sorena foana izy hatramin'ny nahalasanan'ny zokiny. Ahitsio
Sorera: na Sorery p. t.: Osa sy marezodrezoka, mitavozavoza. - t.i.f. : Misorery / sorerirery. - F.-p.: Mandavo sorery: mody manao mba hanatanterahana izay hevitry ny te-na ;mamono botretra. Ahitsio
Soretra: Soredretra p. t.: Ketraketraka, kivikivy, malahelo. * t.i.f.: Misoretra, fisoretra. Ahitsio
Soriba: ( t. tr.) a.: Fantara. Ahitsio
Sorindrana: a.: Karazan-kazo mitovitovy amin'ny bosoa (liège) ka azo anaovana tsentsin-tavoahangy koa, saingy tsy mba ny hodiny no alaina amin'izany, fa ny tenany mihitsy izay maivana sy malemilemy; ny sorindrana no nitaina raha nahandro ny sakafon'ny mpanjaka tamin' ny Fandroana. Ahitsio
Sorisorena: p. t.: Madisadisa, sosotsosotra: Sorisorena be ihany aho ka andeha hivoaka kely aloha. ? Malonilony fa misy tsy mahafaly: Sorisorena izy tamin'ny bedibedy nataonao. Ahitsio
Sorisory: a.: Fahadisadisana avy amin'ny tsy fananan-javatra hatao, na fahasosotsosorana. Ahitsio
Soritana: (soritra) mt. ih. (sortto): Asiana tsipika mampisaraka: Sorito ny voloko. ? Marihina: Sorito izay anao amin'ireo zavatra ireo. ? h. o.: Tsara hosoritana fa tsy miantoka ny very izahay. Ahitsio
Soritra: a.: Tsipika natao fetra na fanavahana zavatra. - t.i.f• : Soritana, asoritra, voasoritra, sinoritra / manoritra, fanoritra, mpanoritra f anoritana, fanoritana I misoritra, fisoritra, mpisoritra I isoritana, fisoritana / mahasoritra / soritsorltra. - F.-p.: Sori-bilana: soritra manavaka na manasaraka ny volo, tsy eo afovoany fa amin'ny ilany havia na hava-nana (ny soritra eo afovoany kosa dia atao hoe vaky tampona). / Sori-bolo: ny soritra manasaraka ny randrana atao amin'ny volo. / Sori-dohany: enti-milaza ny anjara lovan' ny tsirairay. / Soritr'asa: lavaka mitandavana atao amin' ny angady tsotra na amin'ny angadinomby amin'ny tany volena. Ahitsio
Soroboae: (Ski) a.: Karazan' antsantsa maranitra orona. Ahitsio
Sorodany: a.: Miaramila. Ahitsio
Sorohina: (soroka) mt, ih. (sorohy): (tany na ahitra) Alana amin'ny angady, izay asosa fotsiny hisafosafo ny tany ny vohony: Sorohy kely ireto ahitra ireto fa mandoto tokotany. ? Ialana mialoha: Tokony hosorohina ny loza amin'ny fitandremana fatratra. Ahitsio
Sorohitra: a.: Voronkely vasobaso-bolo fahita eny an-tsaha rehetra eny, saingy tsy mianika eny ambony hazo (halavany eo amin'ny 15-20 sm). Mazàna ny sorohitra no mitsindrotsindroka eny amin'ny arabe eny manidintsidina eo alohan'ny mpandeha ohatra ny mitaridalana azy. * Ohab.: Atodin-tsorohitra amoron-dalana; tsy nariako fa narian-dreniny: enti-milaza tsy fananana andraikitra amin'izay tsy nataon'ny te-na. / Sorohitra mitaingina -ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany: enti-milaza ireo tsy mahita hohararaotina hampijaliana afatsy izay kely sy malemy toa azy. ¶ M.h.: Aza manao sahombora mitaingina ambonin'ny ravina, ka mifanindry samy malemy. Ahitsio
Soroka: a.: Fitambaran'ny taolana roa — rangomaina sy taolam-panavy — izay mampifandray ny sandry amin'ny tenabe. - t.i.f.: Antsorohina/manantsoroka, fanantsoroka, mpanantsoroka / anantsorohana, fanantsorohana / miantsoroka, fiantsoroka, mpiantsoroka / iantsorohana, fiantsoroh ana. Ahitsio
Soroka: (Btm) a.: Sotro ravina. Ahitsio