Sakrilezy | : | (fr. sacrilège) a.: Fanazimbana ny zavatra masina (Fiv. kat.).
Ahitsio |
Saky | : | Mitovy amin'ny Saiky. Sakia a.: Anaran-kazo.
Ahitsio |
Salabata | : | (Ski) a.: Bibikely fihinana sahalahala amin'ny jorery, miraikitra amin'ny vato eny amoron-dranomasina.
Ahitsio |
Salady | : | (fr. salade) a.: Karazan' anana vahiny mitovitovy amin'ny laisoa fa kely, asiana menaka sy vinaingitra na ranom-boasary makirana dia hanina manta.
Ahitsio |
Salahy | : | a.: Anaran-kafa ilazana ny fandiafasika.
Ahitsio |
Salaka | : | a.: Lamba lavalava nahodidin'ny lehilahy ny valahany taloha dia nasadikany amin'ny elakela-peny hifandray amin'ilay manodidina ny valahana (raha indray mihodina monja izy dia atao hoe salaka tokan'olona). - t.i.f. : Salakaina, salakana, asalaka / voasalaka, tafasalaka / manasalaka, fanasalaka, mpanasalaka / anasalakàna, fanasalakàna / misalaka, fisalaka, mpisalaka / isalakàna, fisalakàna / mahasalaka. - F.-p.: Salaka am-piraka: ilazana ny salaka izay misy vakana ho haingonkaingony. / Salaka fohy: enti-milaza herimpo amin'ny asa (manao salaka fohy rambo). /Salaka halo: salaka ahodidina fotsiny manodidina ny valahana fa tsy asadika eo an'elakela-pe. / Salaka lambotapaka: salaka anaovana amin'ny famorana ary hatreny ambony lohalika izy io. / Salaka miamboho vody: h.o. entimilaza zavatra tonga aoriana loatra fa tsy amin'ny fotoana ilana azy, mitovy amin'ny hoe: ranomaso tsy miaraka amam-paty. / Ny any an-tsalaka no miala: maty antoka.
Ahitsio |
Salakaina | : | (salaka) mt. ih. (salakao): Asiana salaka: Salakao ilay kely fa hiady (ankamantatra enti-milaza ny fanjaitra, izay tsofohana kofehy, dia entina manjaitral.
Ahitsio |
Salakana | : | (salaka) mt. ih. (salakao): Omena salaka.
Ahitsio |
Salama | : | p. t.: Tsy marary, tsy marofy. - t.i.f. : Mahasalama, hasalamana, fahasalamana. - F.-p.: Salama tsy marofy: tsy marary ary matanjaka. / Salama hogo: enti-milaza ny volo voahogo sy voalamaka tsara. ¶ M.h.: Tsy marofy, finaritra, tsara fanahy, seheno, tsy maninon-tsy maninona, soamadina, bolangina.
Ahitsio |
Salamaloha | : | na Sapelatsa (Btl) p. t.: Enti-milaza tandrok' omby mivelatra mahitsy miakatra.
Ahitsio |
Salamanga | : | a.: Anarana nilazan' ny olona ny voan'ny aretina ramanenjana izay nampandihizina mba ho sitrana.
Ahitsio |
Salamo | : | (angl. psalm) a.: Anaran'ny boky iray ao amin' ny baiboly, izay mirakitra tononkira samihafa fiderana an'Andriamanitra, musa dimampolo amby zato.
Ahitsio |
Salana | : | (fr. chaland) a.: Karazan-dakana lehibe, botry.
Ahitsio |
Salanandrana | : | sy Solandranandrana a.: Famindra na fandeha mianjonanjona tsy mijery ambany. - t.i.f.: Asolanandrana, voasolanandrana, tafasolanandrana J misolanandrana, fisolanandrana, mpisolanandrana / isolanandranana, fisolanandranana I mahasolanandrana.
Ahitsio |
Salandy | : | na Borisalandy na Vorisalandy a.: Tandrok'omby malemy fonosana ka mikiraviravy eo aloha.
Ahitsio |
Salangalanga | : | (Btl) p.t.: Entimilaza tandrok'omby mijoro mahitsy miakatra.
Ahitsio |
Salanisa | : | a.: Isa tokony ho an' ny olona na zavatra tsirairay raha, ohatra, ka zaraina amin' ny isan'izy ireo ny fitambaran'ny isa azony: ohatra, misy fianakâviana 8; mitontaly 60 ny isan'ny zanany: ny salanisan'ny zanak'izy ireo àry dia 7,5 (60:8).
Ahitsio |
Salanitra | : | (angl. silence) t.p.: Teny nataon'ny olona mpitondra ny tenim-panjakana amin'ny vahoaka mba hangina fa hihaino ny kabary.
Ahitsio |
Salasala | : | p.t.: Tsy kely tsy lehibe, antonontonony: Ento a-t? itsy famaky salasala itsy. ¶ M.h.: Sakany, atriatry. ? ft.: Enti-milaza olona miahotrahotra tsy tapa-kevitra amin'izay tokony hatao. - t.i.f. : Salasalaina, asalasala, tafasalasala/ manalasala, fanalasala, mpanalasala/ analasalana, fanalasalana / misalasala, fisalasala, mpisalasala / isalasalana, fisalasalana / mahasalasala / antsalasalany.
Ahitsio |
Salasalaina | : | (salasala) mt. ih. (salasalao): Atao am-piahotrahorana, am-pihambahambana.
Ahitsio |