Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Salorana: (salotra) mt. ih. (salory): Anantonana (zavatra, toy ny lamba): Salory fehitenda ny uozonao raha mangatsiaka. Ahitsio
Salosina: a.: Fahalalana, fisainana (tsy miasa raha tsy miaraka amin'ny teny hoe "marivo"): Mariuo salosina: kely fisainana, tsy ampy fiheverana sy fahalalana. Ahitsio
Salosonina: p. t.: Ta handoa, misondrotsondrotra ny ambavafo (jer. Salebolebo). Ahitsio
Salotra: a.: Akanjo toy ny palitao fa fohy tena sy tsy misy tanana ary tsindriana ny palitao. ? ft.: Enti-milaza fomba fitafy lamba izay apetraka fotsiny eo ambony soroka roa. - t.i.f.: Salorana, asalotra, voasalotra, tafasalotra / manasalotra, fanasalotra, mpanasalotra / anasalorana, fanasalorana / misalotra, fisalotra, mpisalotra / isalorana, fisalorana / mahasalotra / salotsalotra. Ahitsio
Salotra: a.: Fomba firandran' ny renin-jaza amin'ny andro amorana ny zanany; r andram-b olo ataon'ny reny amin'ny fandidiam-poitra ny zanany. Ahitsio
Salovana: a.: Fankanesana eo anoloan'ny hafa ka manembantsembana azy. ? Fitenenana avy hatrany alohan'ny hafa ka tsy ahazoan'izato milaza ny heviny. ? Ny eo anoloana amin'ny tarehy:Salouan-taua. - t.i.f.: Salovanina, asalovana, voasalovana, tafasalovana /misalovana, fisalovana, mpisalovana / isalovanana, fisalovanana/ mahasalovana/ salovandovana. - F.-p.: An-tsalouana: eo anoloana manembantsembana ny hafa; mitsabaka amin'ny raharahan'ny hafa. Ahitsio
Salovana: a.: Lamba atao arondoto eo anoloana. Ahitsio
Salovanina: (salovana) ma ih. Malouany): Sembantsembanina amin'ny fankanesana eo anoloana: Aza salouaninao ny zokiolona. Ahitsio
Saly: Salisaly a.: Fametrahana zavatra (hazandrano, ohatra) eo ambonin'ny fatana, hitonoana na hanamainana azy amin'ny alalan'ny setroka. - t.i.f.: Asaly, voasaly, tafasaly / manasaly, fanasaly, mpanasaly / anasaliana, fanasaliana 1 misaly, fisaly, mpisaly / isaliana, fisaliana / mahasaly. Ahitsio
Saly: (fr. châle) a.: Tapa-damba lehibebe, volonondry na lasoa, andrakofan'ny vehivavy ny sorony roa ka mihaona eo anoloana. Ahitsio
Sama: p. t.: Misokatra be, samaka, ary tsy fiteny afa-tsy amin'ny vava tokana ihany: Sama uava. Ahitsio
Sama: a.: Karazam-borona sa-hala amin'ny vano. (Phoenicopterus antiquarum) Ahitsio
Samahina: (samaka) mt. ih. (samaho): Vakina, verahina hisaraka roa: Nosamahin'ny ankizy ny fen'ilay sahona. Ahitsio
Samaka: m. t.: Tataka ka misaraka roa: Samaka ilay hazo nifandroritan'ny ankizy. - t.i.f.: Samahina, asamaka, voasamaka, tafasamaka / manasamaka, fanasamaka, mpanasamaka / anasamahana, fanasamahana / misamaka, fisamaka, mpisamaka / isamahana, fisamahana / mahasamaka / samatsamaka. Ahitsio
Samalama: a.: Anaram-bakana vonivony. Ahitsio
Samamena: a.: Anaran-karatra filalaovana misy sarina fo. Ahitsio
Sambalahivilana: a.: Jer. Sombalahivilana. Ahitsio
Sambany: p.mt.: Enti-milaza fanaovan-javatra vao indray mandeha monja: Sambany nividy karatra tombola aho dia nahazo. Ahitsio
Sambasamba: a.: Teny atao ho fisaorana an'Andriamanitra, raha misantatra zavatra na mihinana sakafo tsy mbola nohanina. ? Fanandramana voalohany. ? Teny firariana raha tratran'ny taona vaovao; tenim-pirariana sy firavoana amin'ny fandroana: Sambasamba Andriamanitra Andriananahary. * t.i.f.: Sambasambaina, asambasamba, voasambasamba / misambasamba / isambasambana, fisambasambana / mahasambasamba. Ahitsio
Sambasambaina: (sambasamba) mt. ih. (sambasambao): Irariana ny fitahian'Andriamanitra: Nosambasambain'i Dadabe izahay rehetra. Ahitsio