Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sambatra: p.t.: Miadana, tsy manan-java-mahory, tretrika: Raha te ho sambatra ianao, rahatrizay, mianara tsara ary miasà mafy. ? Miadan-tsaina, milamin-tsaina, finaritra: Sambatra izany fianakaviana mifankatia izany. ? Mananjara, tsara vintana, ambinina: Sambatra izy nahazo vady hendry. - t.i.f.: Hasambarana, fahasambarana. Ahitsio
Sambatra: (Ats) a.: Famorana zaza mitambatra amim-pomba lehibe, izay fanao isaky ny fito taona, izany hoe ny zazatahy rehetra teraka ao anatin'ny fito taona dia atambatra hatao hasoavana amin' io andro iray io. Ahitsio
Sambatra: a.: Fahandro katsaka amin'ny babiny, na mangahazo lena atao tetika lava. Ahitsio
sambia (betsileo):antsy , mesa (betsileo), meso (sakalava) Ahitsio
Sambo: a.: Karazana lakana makadiry ohatra ny trano, natao hamakivakiana ny ranomasim-be. Karazan-tsambo: sambo lay, sambo mpiady, sambo setroka na sambo sitimo. Ahitsio
Samboadiana: (samboady) mt. Asaina manao samboady. Ahitsio
Samboady: a.: Tapa-damba lavalava apetraka amin'ny soroka iray ka asadika any ambany helika mifanohitra amin'ilay io. - t.i.f.: Samboadiana, asamboady, voasamboady, tafasamboady / manasamboady, fanasamboady, mpanasamboady / anasamboadiana, fanasamboadiana / misamboady, fisamboady, mpisamboady / isamboadiana, fisamboadiana / mahasamboady / samboadimboady. - F.-p.: Manao samboady zavatra: mametraka io zavatra io eo ambonin'ny soroka iray, dia manasadika azy ao ambany helika mifanohitra amin' io. Ahitsio
Samboara: na Samboaravoara a.: Fihetsehana mahery mitambolimbolina, fitroarana toy ny hita amin'ny rano manonja noho ny herin'ny rivotra. ? h.o.: Fahatezerana lehibe. - t.i.f.: Asamboaravoara, tafasamboaravoara / manasamboaravoara, fanasamboaravoara, mpanasamboaravoara / anasamboaravoarana, fanasamboaravoarana / misamboaravoara, fisamboaravoara, mpisamboaravoara / isamboaravoarana, fisamboaravoarana / mahasamboaravoara. Ahitsio
Sambobelona: a.: Olona azo babo tany an'ady. Ahitsio
Sambomandry: a.: Ny hazo manaraka ny tafontrano izay amantsihana ny lohatrano. Ahitsio
Samborina: (sambotra) mt. ih. (sambory): Enjehina: Nosamboriko ilay uorona fa tsy azoko. ? Raisina: Nosamborin'ny Polisy ilay mpangalatra. ? Indramina (raha vola no tenenina, izany hoe mbola honerana): Ariary zato no nosamboriny tat9 amiko omaly. Ahitsio
Samboritra: ft.: Enti-milaza fisikinana amin'ny lamba; na fisikinana amin'ny lamba efa rovitra na tonta ka zara raha mitafy ilay olona. - t.i.f.: Asamboritra, voasamboritra, tafasamboritra / manasamboritra, fanasamboritra, mpanasamboritra / anasamboritana, fanasamboritana / misamboritra, fisamboritra, mpisamboritra / mahasamboritra / samborimboritra. Ahitsio
Sambosy: a.: Karazan-tsakitsaky izay toy izao no famboatra azy: alaina ny hena voatoto masaka, afangaro amin' ny tongolo, persily..., dia fonosina takelaka lafarina manify dia manify, ary dia endasina. Ahitsio
Sambotra: a.: Fanenjehana sy fakana olona na biby mande-ha mafy. ? Fandraisana, fitazonana ny olon-dratsy nahavita heloka. • Babo azo amin'ny ady: Nisy hatramin' ny dimampolo ny sambotra azo. ? Findramana vola na zavatra mbola haverina na honerana. - t.i.f.: Samborina, asambotra, voasambotra/ manambotra, fanambotra, mpanambotra 1 anamborana, fanamborana / misambotra, fisambotra, mpisambotra / isamborana, fisamborana / mahasambotra / sambotsambotra. - F.-p.: Sambo-belona: ilazana ireo olona voababo an'ady. / Sambo-miondrika: entimilaza ny olona mpisambobola ka mamerina latsaka noho izay nosamboriny. / Sambo-taho: fisamborana olona vonjy maika hanao raharaha na fanompoana. / Sambo-tanana: famaboana amin'ny herin-tsandry fotsiny.. * Ohab.: Sambo-balala mai-na andro ka raha tsy azoko anio, azoko rahampitso: enti-milaza fa azo atao amin' ny andro hafa izay manahirana anio, fa manova zavatra ny fotoana. Ahitsio
Samby: (Ski) a.: Anaram-borondranomasina misitrika rehefa misambotra hazandrano. Ahitsio
Samby: Jar. Samy. Ahitsio
Samby: (fit.-p.) p.ml.: Samy. Sambitsara (fit.-p.) a.: Veloma. Ahitsio
Samihafa: p. t. : Isan-karazany: Voaravaka voninkazo samihafa ny Lapan'ny tanàna fa fety ny andro (tsy tokony hafangaro amin'ny "samy hafa" izay "tsy mitovy" no heviny, jar. Samy). Ahitsio
Samily: (angl. assembly) a.: Fiantsoana ny miaramila mba hiangona amin'ny toerana iray, amin'ny alalan'ny bingona na ny amponga. Ahitsio
Samisamy: a.: Anaram-bakana. Ahitsio