Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sarikoina: (sariko) mt. ih. (sarikoy): Ozonina, na ompa= na ratsy. Ahitsio
Sarimbavy: a.: Lehilahy manao fihetsika amam-piteny toy ny vehivavy. Ahitsio
Sarimbo: a.: Lamba tenom-betsileo vita amin'ny landy sy hafotra na amin'ny landihazo sy hafotra misy sorany mitsipitsipika — Akanjo toy ny sikina anaovan'ny vehivavy betsimisaraka. Ahitsio
Sarimiaina:sary+miaina. tiana ampidirina ao anatin'ny rakibolana malagasy handikana ny teny frantsay hoe: film Ahitsio
Sarimihetsika:sary+mihetsika: teny tiana ampidirina ao anatin'ny raki-bolana malagasy entina andikana ny teny frantsay hoe: dessin animé Ahitsio
Sarimorimo: Jer. Rimorimo. Ahitsio
Sarimpapango: a.: Taratasy voarary amin'ny hazo maivana izay rohizana amin'ny kofehy, ka sintonina mihazakazaka ilay kofehy, dia misondrotra tsikelikely ilay sarimpapango ary misononoka eny amin'ny rivotra eny. ¶ M.h.: Papangohazo. Ahitsio
Sarina: (sary) mt, ih. (sario): Tsapaina, arahi-maso. • Jerena, vangivangiana (vovo). Ahitsio
Sarinady: a: Fanazaran-tena an3in'ny ady ataon'ny miaramila, izay mifanao an-kolafiny mody miady. Ahitsio
Sarindokotra: a.: Vorona zanaky ny dokotra sy ny ganagana; vaventy ary tsara hena ny sarindokotra. ¶ M.h.: Kirivorona. Ahitsio
Sarinety: (fr. serinette) a.: Zavamaneno fahanana dia mamoaka feo-mozika rehefa mivaha ny fahany. Ahitsio
Sarintona: Jer. Rintona. Ahitsio
Sariolona: a.: Sary vongana mampiseho bika sy tarehin' olona. Ahitsio
Sarirahina: (sariraka) mt. ih. (sariraho): Saritahina, fotofotoina. Ahitsio
Sariraka: a.: Fisavoritahana, fisafotofotoana. - t.i.f.: Asariraka, sarirahina, voasariraka, tafasariraka / manasariraka, fanasariraka, mpanasariraka / anasarirahana, fanasarirahana / mahasariraka ( sariradriraka. Ahitsio
Sarisarimbomanga: a.: Zavamaniry toy ny ravim-bomanga ny raviny ary misy voniny miloko mahafinaritra. Ahitsio
Saritahina: (saritaka) mt. ih. (saritaho): Korontanina, a-tao ambony ambany: Nosaritahin'ny ankizy ny entana rehetra tato an-trano. • Fotofotoina tsy hita laniny: Nosaritahin'Ibalita ny kofehy. • Roridriritfna, ampijalina: Aza saritahinao toy izao izy. Ahitsio
Saritaka: a.: Fikorontanana sy fisafotofotoana, fikororoana. • Fifaningotsingoran-tady tsy hita laniny. • Firomborombon-kofehy na volo tsy mihogo sady tsy mirandrana. ? Ny tsaikan-dandy aorian'ny fanantsodiavana. - t.i.f.: Saritahina, asaritaka, voasaritaka, tafasaritaka 1 manasaritaka, fanasaritaka, mpanasaritaka / anasaritahana, fanasaritahana / mifanaritaka / misaritaka, fisaritaka, mpisaritaka / isaritahana, fisaritahana / mahasaritaka / saritadritaka. - F,-p.: Ketsa saritaka: ketsa ambolena tsy milahatra, toa mikorontandrotana, eo amin'ny tanimbary (mifanohitra: ketsa tora-tady). / Tohy saritaka: fomban-drafitra biriky tsy mifanitsy tonona. Ahitsio
Sarivato: a.: Vilany na siny vita amin'ny rarivato. • Sikotra na sarisary natao tamin' ny vato. Ahitsio
Sarivazo: a.: Anaram-boronkely fianakaviam-ben'ny boloky izay maitso mahafinaritra ny volony. Ahitsio