Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Seraseranina: (seraserana) mt. . ih. (seraserano): Enti-milaza olona izay lalodalovana matetika eo anoloany: Noseraseranin'Ikoto i Dadabe ka tezitra. Ahitsio
Serena: (sery) p.t.: Tratran'ny sery, voan'ny sery. Ahitsio
Seriny: Seriseriny p.t.: Liana fatratra, tia aoka izany; maimay sy dodona handeha na hanao zavatra; revo dia revo: Seriny er? izy nioty voninkazo hiarahabany an-drainy tonga fety. Ahitsio
Seritse: a.: Anaran-kafa ilazana ny fandiafasika. Ahitsio
Serivisy: (fr, service) a,: Sampan-draharaha misahana antokon'asa iray manokana: Ny servisy mikarakara ny vatsim-pfanarana ao amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazana. Ahitsio
Serizà: (fr. sergent) a,: Ambaratongam-pahamboniana na gradin'ny miaramila an-tanety sy ana habakabaka eo anelanelan'ny Serizà-Sefo amboniny sy ny Kaporaly-Sefo ambaniny; mitovy laharana amin'ny Martre faharoa kilasy faharoa. Ahitsio
Serizà-Sefo: (fr. sergent-chef) a.: Ambaratongam-pahamboniana na gradin'ny miaramila an-tanety sy ana habakabaka eo anelanelan'ny Adijidà izay amboniny sy ny Serizà tsotra ambaniny; mitovy laharana amin'ny Martre faharoa, kilasy voalohanY (fer, Grady). Ahitsio
Serizy: (fr. cerise) a.: Voankazo ohatra ny ankibe ny habeny, mamy tsars maro mpankafy. Ahitsio
Sermona: (fr. sermon) a.: (Fis,. prot.) Toriteny any am-piangonana: Nafonja ilay sermo- a na henoko tamin'ny Alaha- dy izay! t• Levilevy, bedibedy sesilany miverimberina: Ianao koa be sermona! Ahitsio
Sertifika: (fr. certificat) a.: Taratesy fanamarinana. Ahitsio
Servieta: (fr. serviette) a.: Tapa-damba lehibebe atao famaohana rehefa avy misasa tarehy na tanana, na raha avy nandro. Ahitsio
Sery: a.: Aretina mahatsentsintsentsina ny orona, dia mahabe ranon-delo (vaky ny sery) ary saika matetika miafara amin'ny kohaka. - t.i.f.: Serena, seriserena. Ahitsio
Sesehana: na Sesefana (sesika) mt. pdr. (seseho, sesefo): Ampidiran-javatra betsaka izay atsofoka atao mifanizina: Nosesefanao kapoaka angaha ity ondana ity no malemilemy mahafinaritra toy izany? ~ h.o.: Sesehany mofo tontolo andro ny zana-dRamatoa io ka aiza no tsy harory kibo? ? Asiana, lerana: Seseho ny totohondry, leity, io raha mamely an'ialahy a! Ahitsio
Sesehena: (sesika) p.t.: Be dia be, maso dia maso: Sesehena ny olona miheuitra toy izany ianao izany. - t.i.f.: Hasesehena. Ahitsio
Sesi-kena: a,: Hena voatoto aiditra na asisika ao anaty tsinain-kena nesorina ny tao anatiny. Ahitsio
Sesika: a.: Zavatra aiditra ao anaty zavatra hafa (kidoro, ondana) ka atao mifanizina; alentika na atosika hifatratra: Sesi-kidoro. - t.i.f.: Sesehana, sesefana, asesika, voasesika, sinesika, tafasesika / manesika, fanesika, mpanesika / anesehana, fanesehana / misesika, fisesika, mpisesika / isesehana, fisesehana / mahasesika / sesitsesika J mibosesika. - F.-p.: Sesi-by, sesi-kazo: vy na hazo atao hitanana ny sisiny amin'ny rafitra. / Sesidohalika: famelezana na fanerena ny sasany noho ny hafetsena ananana. / Sesikena: hena voatoto asesika ao anaty ladobo (akoho na vorona). J Sesik'ondana; sesikidoro: ny bozaka na zavatra hala atao sesiky ny ondana na ny kidoro fatoriana. / J Sesi-manta: fandentehana zavatra, toy ny fantsika, ka tsy mila rindrany fa atao an' aina fotsiny amin'izao. / Sesi-montotra: fihinanana salsa-fo atao an-kisesy, na ny teny atao miverimberina na dia mbola tsy heno tsara aza ny teo aloha.J Sesi-tany: fandroahana olona hifindra fonenana noho ny heloka vitany. / Manesi-tany: mampiala eo amin'ny tany iray. Ahitsio
Sesilany: a.: Fitohitohizan-javatra tsy an-kiato, tsy an-kijanona. ~ p.t.: Tsy an-kijanona, tsy miato: Loza izay fahoriana sesilany nihatra tamin'io fianakaviana io izay! Mifanindry lany, an-kisesy, mitontohitra. Ahitsio
Sesimiorika: a.: Totohondry misesika avy ambany dia ale-fa miakatra: Voan'ny sesimiorika ny anao lahy ka nitsirara. Ahitsio
Sesitany: a.: Fandroahana honina any ivelan'ny tanindrazana: Natao sesitany tanna maro ireo tia tanindrazana rfiâiagasy. Ahitsio
Sesy: a.: Fizoran-javatra mitohitohy; fifandimbiasan-javatra tsy misy fiatoana. - t.i.f.: Asesy, voasesy, tafasesy / manesy, fanesy, mpanesy / anesena, fanesena f misesy, fisesy, mpisesy J isesena, fisesena / mahasesy 1 misesisesy, fisesisesy, mpisesisesy J isesisesena, fisesisesena / kosesy. a F.-p,: Sesilany: mitohy tsy misy elanelany. / Sesy omby: enti-milaza fanerena ny rehetra hanao raharaha. / Sesy rivotra: tsy an-kiato fa mifampitohy hatrany tsy misy fijanonana. Ahitsio