Somampira | : | p.t.: Iangonan'ny ra ka mitera-mena: Somampira ny masony noho ny hatezerana.
Ahitsio |
Somangana | : | a.: Anaran-kazo izay ampiasaina amin'ny fanorana ny hodiny.
Ahitsio |
Somangy | : | a.: Hazo madinidinika mamody, fanao ody tomboka na fery ny vodiny.
Ahitsio |
Somaradimbana | : | p.t.: Tsy mitovy tantana fa avo sy iva, dembademba be ihany. - t.i.f : Misomaradimbana.
Ahitsio |
Somarambato | : | p.t.: (lamba) E-fa ho rovitra ka makarakara, ohatra ny maimay kely (jar. Marambato).
Ahitsio |
Somaranafo | : | p.t.: (lamba) Nolelafin'ny afo ka saika may, efa voakasiky ny afo nefa tsy tena may akory.
Ahitsio |
Somaranantsody | : | p, t.: Mahia hatsatra. ¶ M,h.: Maranantsody.
Ahitsio |
Somararetra | : | p.t.: Osaosa, tsy afaka hanao zavatra haingankaingana noho izy reradreraka.
Ahitsio |
Somariaka | : | p.t.: Faly, ravo, mirana: Somariaka er? ry Bozy fa tonga rainy.
Ahitsio |
Somarisary | : | p. t.: Maizimaizina, somambisamby.
Ahitsio |
Somaritaka | : | p.t.: Mifanjevo maimaika noho ny raharaha mifanosontsosona sy maro; miparitaka tampoka noho ny hatairana: Somaritaka daholo ny mpianatra fa hoe misy mpangala-jaza miafina endrika, hono. - t.i.f.: Misomaritaka.
Ahitsio |
Somarodoka | : | sy Somarototra p, t.: Maimaika manao raharaha, somadodoka, mikorobobo. - t.i.f.: Misomarodoka, misomarototra / fisomarodoka, fisomarototra.
Ahitsio |
Somary | : | p. mt.: Mody, tsy dia tena: Somary nisafosafo saoka izy tamin'izay. ? Manopy: Somary vony. • Saika... kely: Somary adala izay ny rainy. - F,-p,: Atsimo somary atsinanana: atsimo lasa miantsinanana kely.
Ahitsio |
Somatroka | : | p.t.: Vasobasoka, somary mavomavo.
Ahitsio |
Somatrotroka | : | p. t.: Misy votrovotro betsaka amin'ny hoditra, indrindra fa eny amin' ny endrika: Asa na nokekerin'ny biby ny tarehiny fa somatrotroka tampoka. 1 Mitatao rahona, na entina hilazana volon'andro izany, na hilazana ny toetran'ny andro aorian'ny fiavian'ny orana, nefa ny rahona mbola manamaizimaizina ny lanitra. - t.i.f•: Misomatrotroka, fisomatrotroka.
Ahitsio |
Somavosavo | : | p. t.: Manjavozavo ka tsy tazana tsara; (toetr' andro) manjombona ary tsy mihiratra loatra. ¶ M,h,: Somafosafo.
Ahitsio |
Somazoka | : | p.t.: Marisarisa; farofirofy. - t.i.f.: Somazotsazoka.
Ahitsio |
Somazotsazoka | : | p.t.: Mavozovozo, malazolazo.
Ahitsio |
Somba | : | Fihasimban'ny Simba.
Ahitsio |
Sombalahivilana | : | a.: Fisotroantoaka maro karazana indray miaraka.
Ahitsio |