Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sombina: a.: Ilany kely bitika: Omeo sombiny kely amin' iny mofo iny ity zaza ity fa mahasosotra loatra ny fitomaniany. 1 p.t.: Nobangaina, nakana silany, nahasimahana: Mofo efa sombina io ha tsy tiako, - t.i.f.: Sombinana, asombina ( manombina, fanombina, mpanombina / anombinana, fanombinana ) mahasombina / sombintsombina. - F.p-,: Sombin'aina: entimilaza amim-pitiavana ny zanaka. ¶ M. h.: Menaky ny aina, silaky ny aina, singotry ny aina, vahatry ny aina. ? h.i.: Enti-milaza ny vady tiana koa. Ahitsio
Sombinana: (sombina) mt, ih. (sombino): Akana, analana ilany kely: Sombino ia hena io. • Roritina, sintonina: Nosombinako ny sofin'ilay zazalahy nandainga. Ahitsio
Someby: Somebiseby p. t.: Miseho ho be raharaha, ary manketsy mankeroa; mifamoivoy eo amin'ny toerana iray izay anomanana raharaha na lanonan-dehibe: Somebiseby amin'ny asa ny olona rehetra fa tonga ny lohataona. - t.i.f,: Misomebiseby, fisomebiseby. ¶ M. h.: Miheninkenina. Ahitsio
Somedika: p.t.: Maniry na lia-na, nefa tsy afa-manoatra noho ny fikaviaviana. - t.i.f.: Misomedika, fisomedika. Ahitsio
Somerongerona: p. t.: Maloto misy tsikoko mitakovana. Ahitsio
Sometroka: p.t.: Maintin'ny setroka. • Mikonetaka sy mifendrotra ny tarehy. Ahitsio
Somidika: (s-om-idika) p. t, : Enti-milaza ny ro na ny rano misy menaka mitsinkafona eny amboniny: Somidika ity ro ity ka tsy azo omena ny marary. if t.i.f.: Misomidika, fisomidika. Ahitsio
Somina: a.: Tsihy zairina hitahirizana ny valala nampangotrahina kely, dia nahahY ho maina. Ahitsio
Sominda: a.: Fanapahan-tendam-biby hovonoina — Aretina mivonto izay mandoaka ny traotraoka ka mahafaty haingana. i Somindaina, fanominda, asominda, voasominda / manominda, fanominda / mahasominda. Ahitsio
Somindaina: (sominda) mt. ih. (somindao): Tapahin-tenda (enti-milaza biby vonoina). Ahitsio
Somindrany: ppt. feh.: Satria, noho. Ahitsio
Sominia: (fr. cheminée) a.: Tadinim-basy. Ahitsio
Somisika: a.: Hazo na tsilo tafiditra ao anaty: Misy somisika amin'ny fanondroko ha-via. i• p.t.: Misy hazo na tsilo tafiditra ao anaty hoho: Somisika ny fanondroko ha-via. Ahitsio
Somitika: p.t.: Maloto, solitika. Ahitsio
Somizo: a.: Enti-milaza lamba natao tamin'ny kofehy landihazo tahaka ny soga ilrany, saingy madinika tsars tenona kokoa. Ahitsio
Somodasoda: (t.tr.) p.t.: Mahafenofeno (fofona). Ahitsio
Somokotra: p.t.: Miezaka mafy, revo amin'ny raharaha a-tao: Somokotra er? Rakoto m iasa. - t.i.f• : Misomokotra. Ahitsio
Somolasola: (t, tr.) p.t.: Simbasimba. Ahitsio
Somondrara: p. t.: Enti-milaza zazavavy mihalehibe hita amin'ny fitombon'ny nonony na ny fibontsiny. Ahitsio
Somondry: p. t.: Fohy rantsana. Ahitsio