Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sondenda: p. t.: Ilazana ny olona be tarehy nefa petaka. i Misondenda, fisondenda. Ahitsio
Sondenda: (Mer) na Sandandy (Br) p.t.: Anarana ilazana tandrok'omby misabaka fitsiry ary fohy: Toy ny tandrok'omby sondenda ka ny tondromaso akaiky no tsy afako na Tandrok'omby sondenda ha akaiky mpanondro maso: misy olona mora fantatra raha sendra manao toetra na fomba tsy mahomby. Ahitsio
Sondretaka: a.: Fipetraka miboretaka, tsivetraka. - t.i.f.: Asondretaka, tafasondretaka / misondretaka, fisondretaka, mpisondretaka J isondretahana, fisondretahana / sondretadretaka. Ahitsio
Sondriana: p.t.: Voasintona sy voatana hifantoka amin'ny zavatra iray ny maso sy ny saina ka hadino ny zavatra hafa rehetra noho ny hafinaretana na noho ny fahagagana aminy: Sondriana ers' izy nihaino ilay feon-kira mahalasa uinany. - t.i.f.: Sondrianina, voasondriana, tafasondriana J manasondriana, fanasondriana, mpanasondrfana / anasondrianana, fanasondrianana / mahasondriana / hasondrianana, fahasondrianana, Ahitsio
Sondrianina: (sondriana) mt. ih. (sondriano): Atao izay hahasondriana. Ahitsio
Sondrodrahona: a.: Tafo herana apetaka vonjy maika ambara-pahavitan'ny tena tafo. Ahitsio
Sondrotra: a.: Fitomboana miakatra; fiakarana amin'ny a-vo, sandratra. - t.i.f.: Asondrotra, voasondrotra, tafasondrotra 1 manondrotra, fanondrotra, mpanondrotra / anondrotana, fanondrotana 1 misondrotra, fisondrotra, mpisondrotra / isondrotana, fisondrotana ) mahasondrotra 1 sondrotsondrotra. Ahitsio
Sondrovahanà: na Sondrovahina (sondrovaka) mt. pdr. (sondrouaho): Ampidirana na andentehana zavatra tsy mahitsy tsara fa mivilana. Ahitsio
Sondrovaka: mt. na a.: Mitelina ventin-javatra na rano, ka tsy any amin'ny lalan-kanina no alehany fa any an'orona: Sondrovaka lava izao ity zaza ity rehefa misotro rano. ¶ M.h.: Kpfona. 1 Fiteleman-javatra toy ny voalaza etsy ambony. 1 Fampidirana zavatra, toy ny fantsika, amin'ny hazo, ka tsy mahitsy tsara fa mivilana. 1 h.o.: Fivaonan'ny fitondran-tena, izany hoe tsy fanarahana lala-mahitsy. - t.i.f.: Sondrovahana na sondrovahina, asondrovaka, voasondrovaka, tafasondrovaka J manasondrovaka, fanasondrovaka, mpanasondrovaka 1 anasondrovahana, fanasondrovahana / misondrovaka, fisondrovaka, mpisondrovaka / isondrovahana 1 fisondrovahana / mahasondrovaka. Ahitsio
Sondry: p. t.: Ilazana olona izay fohy ny orony sy ny tarehiny; olona petaka orona sy f-va loha. Ahitsio
Sondry: a.: Sotrokely nampisotroana tangena ny olon., nampinomina taloha. Ahitsio
Sonenika: a.: Fandihizana na filaetsehana tsy maka mahery, tsy mikoropaka fa milamina sy misosa tsara. - t.i.f.: Asonenika, tafasonenika 1 misonenika, fisonenika, mpisonenika J isonenehana, fisonenehana 1 mahasonenika J soneninenika. Ahitsio
Sonetaka: Fihasimban'ny Sondretaka. Ahitsio
Songa:fiakarana, mifanohitra amin'ny mijotso. ohatra : Misonga ny fiainana Ahitsio
Songa: p. t.: Misokatra kely, tsy misokatra tanteraka: Songa molotra Ravehivavy in Y. - t.i.f.: Songana, asonga, voasonga, tafasonga, manonga, fanonga, mpanonga, anongana, fanongana, misonga, fisonga, mpisonga, isongana, fisongana, mahasonga. Ahitsio
Songadina: ft.: Fibanjahanjana, fiboridanana. ~ Fiavahana tsara amin'ny hafa. - t.i.f.: Asongadina, voasongadina, tafasongadina 1 manasongadina, fanasongadina, mpanasongadina 1 misongadina, fisongadina, mpisongadina 1 isongadinana, fisongadinana 1 mahasongadina 1 songadingadina. Ahitsio
Songana: (songa) mt. ih. (songao): Aforitra, aingaina kely ny sisiny; sokafana ny mandrakotra azy amin'ny ilany iray. Ahitsio
Songere: (Ski) a.: Karazan-kazon-dranomasina fanao botry. Ahitsio
Songo: a.: Ilazana ny vary sisa tsy nojinjaina eny an-tsaha n4 ny tany kely tsy voasa eo afovoan'ny betsaka; ny volo navela tsy nohetezana toy ny hafa; ny ala sisa tsy nokapaina navela eo afovoan' ny voakapa. Ahitsio
Songo: a.: Ny voalohan-drononon'omby raha vao teraka izy. Ahitsio