Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tontana: na Tontafana (tonta) mt pdr. sy ih. (tontay, tontafy): Zerana: Notontany na notontafany vato aho. 1 Velezina: Tontay kanonta io alika io. • Asiana: Notontafan'ny fofoka aho ka nandamaka tao am-pandriana. Ahitsio
Tontohitra: sy Totohitra p.t.: Mitohitohy hatrany. - t.i.f.: Atontohitra, voatontohitra, tafatontohitra / manatontohitra, fanatontohitaa, mpanatontohitra / anatontohirana, fanatontohirana J mitontohitra, fitontohitra / mahatontohitra. Ahitsio
Tontolo: p.t.: Tsy mivaky, tsy nahafahana: Indray andro tontolo. 1 Rehetra tsy misy avaka: Midera an'Andriamanitra ny tany tontolo raha vao maraina. - t.i.f.: Manontolo. - F.-p.: Izao tontolo izao: ny fitambaran'ny zavatra rehetra misy. Ahitsio
TONTOLO IAINANA:ireo rehetra manodidina na miana na tsia Ahitsio
Tontona: a.: Fanjerana zavatra mba hitofotra; fanaovana fzay hampihintsana ny ao anatin'ny zavatra iray amin' ny fandonana azy; enti-milaza fiantontan-javatra eo am-pianjerana na fahatongavan-javatra manahirana indray miaraka. ~ tif:: Tontonana, atontona, voatontona / manatontona; manontona, fanontona, mpanontona / anontonana, fanontonana / mifanontona / mitontona, fitontona / itontonana, fitontonana / miantontona/ mahatontona / tontontontona. Ahitsio
Tontonana: (tontona) mt. pdr. (ton tony): Asiana, darofana: Notontonany teny maharary aho ka lasa tsy tamana. 1 Ampiana: Notontonany ariary foin ny volako nividianako ity boky ity. Ahitsio
Tontosa: p.t.: Vita tsara daholo: Tontosa ny zauatra rehetra. 1 Lavorary, tomombana: Lahasa tontosa izany! - t.i.f.: Tontosaina, atontosa / manatontosa, fanatontosa, mpanatontosa / anatontosana, fanatontosana / mahatontosa / ahatontosana, fahatontosana / tontosatosa. Ahitsio
Tontosaina: (tontosa) mt. ih. (tontosao): Vitaina tsara daholo: Notontosainy ny tetiny dia lasa izy. 1 Lavorarina. Ahitsio
Tony: p. t.: Maotona tsy misy rivotra: Andro tony. 1 Man-dry, tsy mihetsi-mahery: Ranomasina tony. 1 h.o.: Milamina, miadana rehefa avy nijaly na nitebitéby: Efa tony ny sainy hatramin'ny nandrenesany fa tsy anisan' ny niharan-doza ny zanany. - t.i.f.: Tonena, atony, voatony, tafatony / manony, fanony, mpanony / anonena, fanonena / mitony, fitony / mampitony / mahatony / tonitony / tonitonena, voatonitony f manonitony. Ahitsio
Topa: a.: Jer. Topatopa. Ahitsio
Topatopa: a.: Enti-milaza ny fihetsiketsiky ny rano mova tsy ny mitobatobaka na mikapokapoka, indrindra rehefa midona amin'ny sisin' ny morona. - t.i.f.: Atopatopa, voatopatopa / manatopatopa, fanatopatopa, mpanatopatopa / anatopatopana, fanatopatopana / manopatopa / mitopatopa, fitopatopa, mpitopatopa / itopatopana, fitopatopana / mahatopatopa. Ahitsio
Topazana: (topy) mt, pdr, (topazo): Jerena kely miserana (arahin' ny teny "maso" mandrakariva izy io rehefa ampiasaina): Ohatra ny ranomasina midadasika no fijery io tany lemaka io rehefa topaza-maso. 1 Tsipazana, andefasana (rano, lefona): Notopazany rano tamin'ny tavy ny zanako nandalo teo antokotaniny. Ahitsio
Topy: a.: Fijerena kely miserana. / Fandefasana rano, lefona hiantoraka. - t.i.f.: Topazana, atopy, voatopy / manopy, fanopy, mpanopy / anopazana, fanopazana / mitopy, fitopy, mpitopy / itopazana, fitopazana / miantopy / mahatopy / topitopy. - F.-p.: Topy maso: fijerena miserana ihany. J Indray mitopy maso: fotoana ijerena miserana indray maka monja (vetivety fotsfny). Ahitsio
Torahana: (toraka) rat. ih. na pdr. (torah y) : Enti-milaza zavatra na olona anipazana vato tetehFna hahavoa azy: Notorahany aho fa nahay niala ka tsy uoany. / Torahy veto io alika io. Ahitsio
Toraka: ppk.: Tahaka, ohatra: Toraka ny any ny at9. Ahitsio
Toraka: a.: Fandefasana vato amin'ny tanana hahavoa zavatra na olona: Mahitsy toraka io olona io. / Fiantsampazana hianjera any amin'ny hafa. - t.i.f.: Torahana, atoraka, voatoraka, tinoraka / manoraka, fanoraka, mpanoraka / anorahana, fanorahana / mitoraka, fitoraka, mpitoraka / itorahana, fitorahana / mampitoraka / mifampitoraka / miantoraka, fiantoraka, mpiantoraka / iantorahana, fiantorahana / mahatoraka / toratoraka / miantoratoraka. • F,-p.: Tora-bintsy: ny lava-ka eny antenatena hazo ataon'ny vintsy ho akaniny. / Tora-botsotra: enti-milaza vidin-javatra atolotra avy hatrany fa tsy atao trosa. ¶ M. h.: Tolo-botsotra. J Toraka am-pivalanana: fanararaotana hamely ny hafa amin'ny fotoana maha-mora ny anaovana izany. / Toraka iuy: mandeha mijojo ny ranon' ivy. / Tora-jauona: enti-milaza zavom-be maharakotra toerana malalaka. l Tora-jofo: (jofo: vovoka): mipololotra ohatra ny natoraka. / Tora-kouitra: mandeha tsy azo tanana ny hovitra. / Tora-maso: araka izay fitopin'ny maso no amantarana azy. ¶ M.h.: Tomba-maso. / Toramasoandro: famantarana halavan-javatra na habeny na halaviran'ny toerana misy azy amin'ny fijerena ny fandehan'ny fahazavana. / Torapasika: toerana malalaka voarakotra fasika hatrany. / Tora-peta: trano atao amin'ny hazo norarina, ka feta atoraka no andalorana ny atiny sy ivelany. J Tora-tady: mahitsy ohatra ny nosoritan'ny tady nalefa hizotra lava hatrany hatrany. / Tora- tsauatsaua: araka izay fitopin'ny maso manavatsava azy no amantarana azy. Ahitsio
Toraka: a.: Fampitomboana isa iray amin'ny tenany ihany, ka raha ampitomboina indroa izy dia atao hoe toraka roa na tora-droa (oh. 19 x 19 = 192); raha ampitomboina intelo dia toraka telo na tora-telo (oh..19 x 19 x19=193). Ahitsio
Torana: p.t.: Tsy mahatsiaro tena vetivety ka sady tsy mahare na inona na inona no tsy afa-manetsika ny te-na: Torana izy raha vao nahare ny nahafatesan-drainy. ? h.o.: Enti-milaza voankazo tanora dia tanora, mbola manta: Paiso uao torana. - t.i.f.: Toranina, voatorana / manorana, fanorana, mpanorana J anoranana, fanoranana / mahatorana J torantorana / hatoranana J fahatoranana. Ahitsio
Toranina: (torana) mt. ih. (torano): Atao izay hahatorana azy, izany hoe: tsy handrenesany maharary: Notoranina izy tamin'ny nandidiana azy. Ahitsio
Torapasika: a.: Toerana feno fasika eny amoron-drano. Ahitsio